Check out the new design

Përkthimi i kuptimeve të Kuranit Fisnik - Përkthimi malagashisht - Qendra "Ruvad et Terxheme * - Përmbajtja e përkthimeve


Përkthimi i kuptimeve Surja: El Kasas   Ajeti:
وَمَا كُنتَ بِجَانِبِ ٱلۡغَرۡبِيِّ إِذۡ قَضَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَى ٱلۡأَمۡرَ وَمَا كُنتَ مِنَ ٱلشَّٰهِدِينَ
Tsy teo amin’ny ilany andrefan’ (ny tendrombohitra Sinay) ianao (ry Mohammad), rehefa namoaka ny didy tamin’i Mosesy Izahay, ary tsy anisan’ireo vavolombelona ianao.
Tefsiret në gjuhën arabe:
وَلَٰكِنَّآ أَنشَأۡنَا قُرُونٗا فَتَطَاوَلَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡعُمُرُۚ وَمَا كُنتَ ثَاوِيٗا فِيٓ أَهۡلِ مَدۡيَنَ تَتۡلُواْ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتِنَا وَلَٰكِنَّا كُنَّا مُرۡسِلِينَ
Kanefa, tena marina fa nahary taranaka maro Izahay, izay nihalava tamin’izy ireo ny taona niainany (tsy misy Iraka). Ary ianao dia tsy anisan’ireo niara-monina tamin’ny vahoakan’i Madiàna ka namaky ny fanambaranay tamin’izy ireo; nefa Izahay no nandefa ireo Iraka.
Tefsiret në gjuhën arabe:
وَمَا كُنتَ بِجَانِبِ ٱلطُّورِ إِذۡ نَادَيۡنَا وَلَٰكِن رَّحۡمَةٗ مِّن رَّبِّكَ لِتُنذِرَ قَوۡمٗا مَّآ أَتَىٰهُم مِّن نَّذِيرٖ مِّن قَبۡلِكَ لَعَلَّهُمۡ يَتَذَكَّرُونَ
Ary ianao dia tsy teo amin’ny ilan’ny tendrombohitra raha niantso Izahay. Fa (tonga ianao) ho famindram-pò avy amin’ny Tomponao, mba hampitandrina ny vahoaka izay tsy nisy Mpampitandrina talohanao tonga tamin’izy ireo, angamba ahatsiaro izy ireo.
Tefsiret në gjuhën arabe:
وَلَوۡلَآ أَن تُصِيبَهُم مُّصِيبَةُۢ بِمَا قَدَّمَتۡ أَيۡدِيهِمۡ فَيَقُولُواْ رَبَّنَا لَوۡلَآ أَرۡسَلۡتَ إِلَيۡنَا رَسُولٗا فَنَتَّبِعَ ءَايَٰتِكَ وَنَكُونَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Fa raha misy fahoriana manjò azy ireo nohon'ny vokatr’izay nataon’ny tànany dia hiteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no tsy mba nandefa Iraka taminay Ianao ? Mba nanarahanay ireo Fanambaranao, ka ho anisan’ireo mpino izahay”.
Tefsiret në gjuhën arabe:
فَلَمَّا جَآءَهُمُ ٱلۡحَقُّ مِنۡ عِندِنَا قَالُواْ لَوۡلَآ أُوتِيَ مِثۡلَ مَآ أُوتِيَ مُوسَىٰٓۚ أَوَلَمۡ يَكۡفُرُواْ بِمَآ أُوتِيَ مُوسَىٰ مِن قَبۡلُۖ قَالُواْ سِحۡرَانِ تَظَٰهَرَا وَقَالُوٓاْ إِنَّا بِكُلّٖ كَٰفِرُونَ
Ary rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana avy Aminay, dia niteny izy ireo hoe : “Raha mba nomena mitovy amin’izay nomena an’i Mosesy izy” Moa tsy nitsipaka izay nomena an’i Mosesy teo aloha ve izy ireo ? Niteny izy ireo hoe : “Majika ankiroa (Thorà sy Kor’àny) no nifanohana !”. Ary niteny izy ireo hoe : “Izahay dia tsy mino na dia iray aza amin’izy ireo”.
Tefsiret në gjuhën arabe:
قُلۡ فَأۡتُواْ بِكِتَٰبٖ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ هُوَ أَهۡدَىٰ مِنۡهُمَآ أَتَّبِعۡهُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Lazao hoe : “Mitondrà ianareo boky iray avy amin’I Allah izay tari-dalana mendrika kokoa noho izy roa ireo, ka hanaraka izany aho raha marina ny anareo”.
Tefsiret në gjuhën arabe:
فَإِن لَّمۡ يَسۡتَجِيبُواْ لَكَ فَٱعۡلَمۡ أَنَّمَا يَتَّبِعُونَ أَهۡوَآءَهُمۡۚ وَمَنۡ أَضَلُّ مِمَّنِ ٱتَّبَعَ هَوَىٰهُ بِغَيۡرِ هُدٗى مِّنَ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Fa raha tsy mamaly anao izy ireo, dia fantaro àry fa ny sitrapon’izy ireo ihany no arahin’izy ireo. Ary iza koa no very lalana mihoatra izay manaraka ny sitrapony nefa tsy misy tari-dalana avy amin’I Allah ? Marina fa Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
Tefsiret në gjuhën arabe:
 
Përkthimi i kuptimeve Surja: El Kasas
Përmbajtja e sureve Numri i faqes
 
Përkthimi i kuptimeve të Kuranit Fisnik - Përkthimi malagashisht - Qendra "Ruvad et Terxheme - Përmbajtja e përkthimeve

Përkthyer nga ekipi i Qendrës "Ruvad et-Terxheme" në bashkëpunim me Shoqatën për predikim në Rabva dhe Shoqatën për shërbimin e përmbajtjes islame në gjuhë të ndryshme.

Mbyll