Check out the new design

அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் * - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை


மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அல்ஹுஜராத்   வசனம்:
وَلَوۡ أَنَّهُمۡ صَبَرُواْ حَتَّىٰ تَخۡرُجَ إِلَيۡهِمۡ لَكَانَ خَيۡرٗا لَّهُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary raha maharitra izy ireo mandra-pivoahanao eo aminy, dia izany no tsara kokoa ho azy ireo, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
அரபு விரிவுரைகள்:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن جَآءَكُمۡ فَاسِقُۢ بِنَبَإٖ فَتَبَيَّنُوٓاْ أَن تُصِيبُواْ قَوۡمَۢا بِجَهَٰلَةٖ فَتُصۡبِحُواْ عَلَىٰ مَا فَعَلۡتُمۡ نَٰدِمِينَ
Ianareo mpino ! Raha misy olona ratsy tonga mitondra vaovao ho anareo, hamarino tsara izany mba tsy hanaovanareo ratsy amin’ny olona nohon'ny tsy fahafantaranareo, sao dia hanenina amin’izay ataonareo ianareo avy eo.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ فِيكُمۡ رَسُولَ ٱللَّهِۚ لَوۡ يُطِيعُكُمۡ فِي كَثِيرٖ مِّنَ ٱلۡأَمۡرِ لَعَنِتُّمۡ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ حَبَّبَ إِلَيۡكُمُ ٱلۡإِيمَٰنَ وَزَيَّنَهُۥ فِي قُلُوبِكُمۡ وَكَرَّهَ إِلَيۡكُمُ ٱلۡكُفۡرَ وَٱلۡفُسُوقَ وَٱلۡعِصۡيَانَۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلرَّٰشِدُونَ
Ary fantaro fa miaraka aminareo ny Irak'I Allah. Raha nankatoa anareo tamin’ny zavatra maro izy, dia ho tao anatin’ny fahasahiranana tokoa ianareo. Saingy nataon’I Allah nitia ny finoana ianareo, sady nohatsarainy tao am-ponareo izany, ary nataony nankahala ny tsy finoana ianareo, ny faharatsiana sy ny tsy fankatoavana. Izy ireo no voatari-dalana tsara.
அரபு விரிவுரைகள்:
فَضۡلٗا مِّنَ ٱللَّهِ وَنِعۡمَةٗۚ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Fitahiana sy fahasoavana avy amin’I Allah tokoa izany. Fa mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena I Allah.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَإِن طَآئِفَتَانِ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٱقۡتَتَلُواْ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَهُمَاۖ فَإِنۢ بَغَتۡ إِحۡدَىٰهُمَا عَلَى ٱلۡأُخۡرَىٰ فَقَٰتِلُواْ ٱلَّتِي تَبۡغِي حَتَّىٰ تَفِيٓءَ إِلَىٰٓ أَمۡرِ ٱللَّهِۚ فَإِن فَآءَتۡ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَهُمَا بِٱلۡعَدۡلِ وَأَقۡسِطُوٓاْۖ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُقۡسِطِينَ
Fa raha miady ny andiany roa amin’ireo mpino, dia aoka ianareo ampihavana azy ireo. Raha mikomy ny anankiray amin’izy ireo hanohitra ny anankiray hafa, dia aoka ianareo hiady amin’ilay mpikomy mba hanarahany ny didin’I Allah. Fa raha manaraka izany izy, dia ampihavano amim-pahamarinana, ary aoka ianareo hanao ny rariny, fa tia ireo mpanao ny rariny Allah.
அரபு விரிவுரைகள்:
إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ إِخۡوَةٞ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَ أَخَوَيۡكُمۡۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Mpirahalahy tokoa ireo mpino. Koa aoka ianareo hanatsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo rahalahinareo, ary matahora Allah mba hahazoanareo ny famindram-po.
அரபு விரிவுரைகள்:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا يَسۡخَرۡ قَوۡمٞ مِّن قَوۡمٍ عَسَىٰٓ أَن يَكُونُواْ خَيۡرٗا مِّنۡهُمۡ وَلَا نِسَآءٞ مِّن نِّسَآءٍ عَسَىٰٓ أَن يَكُنَّ خَيۡرٗا مِّنۡهُنَّۖ وَلَا تَلۡمِزُوٓاْ أَنفُسَكُمۡ وَلَا تَنَابَزُواْ بِٱلۡأَلۡقَٰبِۖ بِئۡسَ ٱلِٱسۡمُ ٱلۡفُسُوقُ بَعۡدَ ٱلۡإِيمَٰنِۚ وَمَن لَّمۡ يَتُبۡ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ianareo mpino ! Aoka tsy haneso ny andian’olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Ary aoka tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Aza mifanambany ianareo, ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto rehefa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka dia izy ireny no olona mpanao ny tsy rariny.
அரபு விரிவுரைகள்:
 
மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அல்ஹுஜராத்
அத்தியாயங்களின் அட்டவணை பக்க எண்
 
அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை

அர்ருவ்வாத் மொழிபெயர்ப்பு மையத்தின் குழு அல்-ரப்வா அழைப்பு சங்கம் மற்றும் பல் மொழிகளில் இஸ்லாமிய உள்ளடக்கத்திற்கு சேவை செய்யும் சங்கத்துடன் இணைந்து மொழிபெயர்த்துள்ளது.

மூடுக