Check out the new design

அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் * - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை


மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அத்தவ்பா   வசனம்:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ قَٰتِلُواْ ٱلَّذِينَ يَلُونَكُم مِّنَ ٱلۡكُفَّارِ وَلۡيَجِدُواْ فِيكُمۡ غِلۡظَةٗۚ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلۡمُتَّقِينَ
Oh Ianareo izay mino, miadia amin’ireo tsy mpino izay akaikinareo Ianareo, ka mba hahita ny fahenjananareo izy ireo. Ary fantaronareo fa Allah dia miaraka tokoa amin’ireo manam-patahorana.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَإِذَا مَآ أُنزِلَتۡ سُورَةٞ فَمِنۡهُم مَّن يَقُولُ أَيُّكُمۡ زَادَتۡهُ هَٰذِهِۦٓ إِيمَٰنٗاۚ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ فَزَادَتۡهُمۡ إِيمَٰنٗا وَهُمۡ يَسۡتَبۡشِرُونَ
Ary raha misy antokon-tsoratra masina iray nidina, dia misy amin’izy ireo ny miteny hoe : “Iza aminareo no nampitomboiny finoana?”. Fa ho an’ireo mpino kosa, dia ampitombo ny finoan’izy ireo izany, ka ho faly izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ فَزَادَتۡهُمۡ رِجۡسًا إِلَىٰ رِجۡسِهِمۡ وَمَاتُواْ وَهُمۡ كَٰفِرُونَ
Fa ireo izay misy aretina kosa ny fony, dia vao maika nanampy ny fahalotoana ho fanampin’ny fahalotoan’izy ireo izany, ka maty tsy mpino izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
أَوَلَا يَرَوۡنَ أَنَّهُمۡ يُفۡتَنُونَ فِي كُلِّ عَامٖ مَّرَّةً أَوۡ مَرَّتَيۡنِ ثُمَّ لَا يَتُوبُونَ وَلَا هُمۡ يَذَّكَّرُونَ
Moa ve tsy hitan’izy ireo, fa tsapaina indray mandeha na in-droa isan-taona izy ireo ? Na dia izany aza, dia tsy nibebaka na nahatsiaro tena izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَإِذَا مَآ أُنزِلَتۡ سُورَةٞ نَّظَرَ بَعۡضُهُمۡ إِلَىٰ بَعۡضٍ هَلۡ يَرَىٰكُم مِّنۡ أَحَدٖ ثُمَّ ٱنصَرَفُواْۚ صَرَفَ ٱللَّهُ قُلُوبَهُم بِأَنَّهُمۡ قَوۡمٞ لَّا يَفۡقَهُونَ
Ary raha nidina ny antokon-tsoratra masina iray, dia nifampijery izy ireo (ary nifampiteny): “Moa misy mahita va ianareo?”. Avy eo dia nivily làlana izy ireo. Aoka havilin’Allah ny fon’izy ireo, satria olona tsy mandinika.
அரபு விரிவுரைகள்:
لَقَدۡ جَآءَكُمۡ رَسُولٞ مِّنۡ أَنفُسِكُمۡ عَزِيزٌ عَلَيۡهِ مَا عَنِتُّمۡ حَرِيصٌ عَلَيۡكُم بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ رَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Marina, fa tonga taminareo ny Iraka notsongaina avy aminareo, izay nivesatra ny fahasahirananareo, ka feno fiahiana anareo, ary mangoraka sy mamindra-fo ireo mpino.
அரபு விரிவுரைகள்:
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَقُلۡ حَسۡبِيَ ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُۖ وَهُوَ رَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ
Ary raha mitodi-damosina izy ireo dia teneno hoe : " Ampy Ahy i Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Aminy no ametrahako ny fitokisako ary Izy no Tompon’ilay seza fiandrianana lehibe.
அரபு விரிவுரைகள்:
 
மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அத்தவ்பா
அத்தியாயங்களின் அட்டவணை பக்க எண்
 
அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை

அர்ருவ்வாத் மொழிபெயர்ப்பு மையத்தின் குழு அல்-ரப்வா அழைப்பு சங்கம் மற்றும் பல் மொழிகளில் இஸ்லாமிய உள்ளடக்கத்திற்கு சேவை செய்யும் சங்கத்துடன் இணைந்து மொழிபெயர்த்துள்ளது.

மூடுக