Check out the new design

పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం * - అనువాదాల విషయసూచిక


భావార్ధాల అనువాదం సూరహ్: యా-సీన్   వచనం:
إِنَّ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ ٱلۡيَوۡمَ فِي شُغُلٖ فَٰكِهُونَ
Amin’izany andro izany, dia ho variana amin’ny fahasambarana azon’izy ireo ny olon’ny Paradisa.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
هُمۡ وَأَزۡوَٰجُهُمۡ فِي ظِلَٰلٍ عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِ مُتَّكِـُٔونَ
Eo ambany alokalok'izy ireo sy ny vadiny no mitehin-kiho eo ambony seza lava.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
لَهُمۡ فِيهَا فَٰكِهَةٞ وَلَهُم مَّا يَدَّعُونَ
Hahazo voankazo izy ireo ao, ary hahazo izay rehetra tadiaviny.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
سَلَٰمٞ قَوۡلٗا مِّن رَّبّٖ رَّحِيمٖ
Fandriampahalemana ! ( Salam ) no teny avy amin’ny Tompo be Indrafo.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَٱمۡتَٰزُواْ ٱلۡيَوۡمَ أَيُّهَا ٱلۡمُجۡرِمُونَ
Ary miataha lavitra ianareo amin’izany andro izany ! Ry Mpanao heloka be vava!
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
۞ أَلَمۡ أَعۡهَدۡ إِلَيۡكُمۡ يَٰبَنِيٓ ءَادَمَ أَن لَّا تَعۡبُدُواْ ٱلشَّيۡطَٰنَۖ إِنَّهُۥ لَكُمۡ عَدُوّٞ مُّبِينٞ
Moa tsy efa nifanaiky taminareo ve Aho, ry taranak’i Adama, mba tsy hanompo ny devoly ? Satria fahavalo miharihary ho anareo tokoa izy.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَأَنِ ٱعۡبُدُونِيۚ هَٰذَا صِرَٰطٞ مُّسۡتَقِيمٞ
Fa hanompo Ahy ianareo ? Izany no lalana mahitsy.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَلَقَدۡ أَضَلَّ مِنكُمۡ جِبِلّٗا كَثِيرًاۖ أَفَلَمۡ تَكُونُواْ تَعۡقِلُونَ
Ary efa namery andiany maro taminareo tokoa izy. Ka moa tsy misaina ve ianareo ?
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
هَٰذِهِۦ جَهَنَّمُ ٱلَّتِي كُنتُمۡ تُوعَدُونَ
Indro ny afobe izay nampanantenaina anareo.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
ٱصۡلَوۡهَا ٱلۡيَوۡمَ بِمَا كُنتُمۡ تَكۡفُرُونَ
Midira ao ianareo androany, nohon'ny tsy finoanareo.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
ٱلۡيَوۡمَ نَخۡتِمُ عَلَىٰٓ أَفۡوَٰهِهِمۡ وَتُكَلِّمُنَآ أَيۡدِيهِمۡ وَتَشۡهَدُ أَرۡجُلُهُم بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Amin’izany andro izany, dia hidinay ny vavan’izy ireo, fa ny tanan’izy ireo no hiresaka Aminay, ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona amin’izay nataony.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَلَوۡ نَشَآءُ لَطَمَسۡنَا عَلَىٰٓ أَعۡيُنِهِمۡ فَٱسۡتَبَقُواْ ٱلصِّرَٰطَ فَأَنَّىٰ يُبۡصِرُونَ
Ary raha sitrakay, dia nokosehinay tokoa ny mason’izy ireo, ka hihazakazaka eny amin’ny làlana izy ireo. Fa ahoana àry no fomba hahiratan’izy ireo?
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَلَوۡ نَشَآءُ لَمَسَخۡنَٰهُمۡ عَلَىٰ مَكَانَتِهِمۡ فَمَا ٱسۡتَطَٰعُواْ مُضِيّٗا وَلَا يَرۡجِعُونَ
Ary raha sitrakay, dia novanay ny endrika aman-toetran’izy ireo eo amin’ny toeran’izy ireo, ka tsy afaka handroso na hihemotra intsony izy ireo.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَمَن نُّعَمِّرۡهُ نُنَكِّسۡهُ فِي ٱلۡخَلۡقِۚ أَفَلَا يَعۡقِلُونَ
Ary izay omenay andro lava hiainana, dia hataonay miha osa. Moa tsy misaina ve izy ireo ?
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَمَا عَلَّمۡنَٰهُ ٱلشِّعۡرَ وَمَا يَنۢبَغِي لَهُۥٓۚ إِنۡ هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ وَقُرۡءَانٞ مُّبِينٞ
Ary tsy nampianarinay tononkalo izy [ Mohammad ], sady tsy mendrika azy mihitsy izany.Tsy inona izany fa fampahatsiahivana sy vakiteny mazava (Koroany).
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
لِّيُنذِرَ مَن كَانَ حَيّٗا وَيَحِقَّ ٱلۡقَوۡلُ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ
Mba hampitandremany izay velona, ary ho tanteraka amin’ireo tsy mpino ny teny [Famaizana].
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
 
భావార్ధాల అనువాదం సూరహ్: యా-సీన్
సూరాల విషయసూచిక పేజీ నెంబరు
 
పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం - అనువాదాల విషయసూచిక

రువాద్ అనువాద కేంద్రం బృందం రబ్వాలోని దావా అసోసియేషన్ మరియు భాషలలో ఇస్లామిక్ కంటెంట్ సేవల సంఘం సహకారంతో అనువదించింది.

మూసివేయటం