Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھەج   ئايەت:
وَيَسۡتَعۡجِلُونَكَ بِٱلۡعَذَابِ وَلَن يُخۡلِفَ ٱللَّهُ وَعۡدَهُۥۚ وَإِنَّ يَوۡمًا عِندَ رَبِّكَ كَأَلۡفِ سَنَةٖ مِّمَّا تَعُدُّونَ
Ary hangataka aminao ny hanafainganana ny famaizana izy ireo; kanefa tsy mba mivadika na oviana na oviana amin’ny fampanantenany I Allah. Marina fa ny andro iray eo anatrehan’ny Tomponao dia toy ny arivo taona araka ny fomba fanisanareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَكَأَيِّن مِّن قَرۡيَةٍ أَمۡلَيۡتُ لَهَا وَهِيَ ظَالِمَةٞ ثُمَّ أَخَذۡتُهَا وَإِلَيَّ ٱلۡمَصِيرُ
Firifiry moa ireo tanàna izay nomeko fe-potoana nefa manao ny tsy rariny izy ireo ! Avy eo dia noraisiko izy ireo. Ary aty Amiko no fiafarana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّمَآ أَنَا۠ لَكُمۡ نَذِيرٞ مُّبِينٞ
Teneno hoe : “Ry olombelona ! Tsy inona akory aho fa mpampitandrina miharihary tokoa ho anareo.”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَرِزۡقٞ كَرِيمٞ
Fa ireo izay mino sy manao asa soa, ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny anjaram-pivelomana mahafa-po.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلَّذِينَ سَعَوۡاْ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مُعَٰجِزِينَ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَحِيمِ
Fa ireo izay miezaka hanohitra ny fanambaranay, izy ireny no olon’ny Afobe.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ مِن رَّسُولٖ وَلَا نَبِيٍّ إِلَّآ إِذَا تَمَنَّىٰٓ أَلۡقَى ٱلشَّيۡطَٰنُ فِيٓ أُمۡنِيَّتِهِۦ فَيَنسَخُ ٱللَّهُ مَا يُلۡقِي ٱلشَّيۡطَٰنُ ثُمَّ يُحۡكِمُ ٱللَّهُ ءَايَٰتِهِۦۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Izahay dia tsy nandefa iraka na mpaminany teo alohanao afa-tsy hoe maniry zavatra iray (famakiana ny Boky) izy nefa mampiditra fandrebirebena amin’ny zavatra vakin'ny Satana ! Avy eo dia foanan’i Allah izay alefan’ny Satana. Ary nohamafisin’i Allah ireo fanambarany. Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Hendry.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
لِّيَجۡعَلَ مَا يُلۡقِي ٱلشَّيۡطَٰنُ فِتۡنَةٗ لِّلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ وَٱلۡقَاسِيَةِ قُلُوبُهُمۡۗ وَإِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ لَفِي شِقَاقِۭ بَعِيدٖ
Ny fandrebireben’ny Satana dia nataony (Allah) mba ho fitsapana ho an’ireo izay misy aretina ao am-pony sy ireo izay mafy fo (manana fisalasalana na fihatsarambelatsihy)... Marina fa ireo izay mpanao ny tsy rariny dia ao anaty fisaraham-bazana tanteraka.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلِيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ أَنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَيُؤۡمِنُواْ بِهِۦ فَتُخۡبِتَ لَهُۥ قُلُوبُهُمۡۗ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهَادِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Fa ho an’ireo izay nomena fahalalana kosa, dia nataony (izany) mba hahalalany fa fahamarinana avy amin’ny Tomponao izany, koa aoka hino izany izy ireo, ary aoka ny fon’izy ireo hanetry tena Aminy tanteraka. Tena marina fa Allah dia mpitarika ireo izay mino amin’ny lala-mahitsy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَا يَزَالُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي مِرۡيَةٖ مِّنۡهُ حَتَّىٰ تَأۡتِيَهُمُ ٱلسَّاعَةُ بَغۡتَةً أَوۡ يَأۡتِيَهُمۡ عَذَابُ يَوۡمٍ عَقِيمٍ
Ary ireo izay tsy mino dia mijanona hatrany ao amin’ny fisalasalana, mandra-pahatongan’ilay ora tampoka amin’izy ireo, na koa ny famaizana amin’ny andro izay tsy hisy intsony ny famokarana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھەج
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش