Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھەج   ئايەت:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ سَخَّرَ لَكُم مَّا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَٱلۡفُلۡكَ تَجۡرِي فِي ٱلۡبَحۡرِ بِأَمۡرِهِۦ وَيُمۡسِكُ ٱلسَّمَآءَ أَن تَقَعَ عَلَى ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِٱلنَّاسِ لَرَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nametraka ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eto an-tany ary koa ny sambo izay misosa eny ambonin’ny ranomasina araka ny didiny ? Ary Izy no mitazona ny lanitra mba tsy hianjera amin’ny tany, raha tsy hoe sitrany izany. Marina fa Allah dia tena Mpitsimbina sy be Fiantrana amin’ny olombelona.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَحۡيَاكُمۡ ثُمَّ يُمِيتُكُمۡ ثُمَّ يُحۡيِيكُمۡۗ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ لَكَفُورٞ
Ary Izy no manome anareo ny fiainana, ary manala ny ainareo, avy eo dia Izy no hamelona anareo indray. Tena marina fa ny olombelona dia mihizingizina ao anatin’ny tsy fankatoavana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
لِّكُلِّ أُمَّةٖ جَعَلۡنَا مَنسَكًا هُمۡ نَاسِكُوهُۖ فَلَا يُنَٰزِعُنَّكَ فِي ٱلۡأَمۡرِۚ وَٱدۡعُ إِلَىٰ رَبِّكَۖ إِنَّكَ لَعَلَىٰ هُدٗى مُّسۡتَقِيمٖ
Isaky ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba aman-dalàna ny fanompoana harahiny. Ka aoka tsy hifanditra aminao mihitsy amin’ity raharaha ity izy ireo ! Ary miantsoa ho an’ny Tomponao ianao. Tena marina fa amin’ny tari-dalana mahitsy tokoa ianao.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِن جَٰدَلُوكَ فَقُلِ ٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Ary raha miady hevitra aminao izy ireo, dia lazao hoe: "Allah no Mahalala indrindra izay ataonareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱللَّهُ يَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ
Allah no hitsara anareo amin’ny Andro Fitsanganana amin’izay mampifanolana anareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَلَمۡ تَعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّ ذَٰلِكَ فِي كِتَٰبٍۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ
Moa ve tsy fantatrao fa Allah tokoa no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany ? Izany rehetra izany dia voarakitra ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin’I Allah izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَمۡ يُنَزِّلۡ بِهِۦ سُلۡطَٰنٗا وَمَا لَيۡسَ لَهُم بِهِۦ عِلۡمٞۗ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِن نَّصِيرٖ
Ary manompo ankoatr'I Allah izy ireo, izay tsy nampidinany na porofo iray aza, sy tsy nanan'izy ireo fahalalana, ary tsy hanana mpiaro ireo mpanao ny tsy rariny.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٖ تَعۡرِفُ فِي وُجُوهِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلۡمُنكَرَۖ يَكَادُونَ يَسۡطُونَ بِٱلَّذِينَ يَتۡلُونَ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتِنَاۗ قُلۡ أَفَأُنَبِّئُكُم بِشَرّٖ مِّن ذَٰلِكُمُۚ ٱلنَّارُ وَعَدَهَا ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Ary raha tanisaina amin’izy ireo, ireo Fanambaranay miharihary, dia ho tsikaritrao eny amin’ny tarehin’ireo izay tsy nino ny fankahalana. Efa te-hamely ireo izay mitory ireo Fanambaranay aminy izy ireo.Teneno hoe : “Ho lazaiko anareo va ny zava-dratsy aterak'izany ? Ny Afo: izany no nampanantenain’I Allah ireo izay tsy nino. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھەج
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش