Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەنئام   ئايەت:

Al-an'am

ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَجَعَلَ ٱلظُّلُمَٰتِ وَٱلنُّورَۖ ثُمَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِرَبِّهِمۡ يَعۡدِلُونَ
Dera ho an’I Allah izay Nahary ireo lanitra sy ny tany ary nanao ny haizina sy ny hazavana. Kanefa ireo izay tsy nino ny Tompony dia mampitovy Azy amin’ny zavatra hafa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
هُوَ ٱلَّذِي خَلَقَكُم مِّن طِينٖ ثُمَّ قَضَىٰٓ أَجَلٗاۖ وَأَجَلٞ مُّسَمًّى عِندَهُۥۖ ثُمَّ أَنتُمۡ تَمۡتَرُونَ
Izy no Nahary anareo avy tamin’ny tany manga; avy eo nandahatra fe-potoana Izy ary ny fotoana voatondro farany dia any Aminy. Kanefa ianareo dia mbola misalasala ihany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَهُوَ ٱللَّهُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَفِي ٱلۡأَرۡضِ يَعۡلَمُ سِرَّكُمۡ وَجَهۡرَكُمۡ وَيَعۡلَمُ مَا تَكۡسِبُونَ
Ary Izy no Allah any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, Mahalala izay tsiambaratelo sy ahariharinareo, ary Mahalala izay azonareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَا تَأۡتِيهِم مِّنۡ ءَايَةٖ مِّنۡ ءَايَٰتِ رَبِّهِمۡ إِلَّا كَانُواْ عَنۡهَا مُعۡرِضِينَ
Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe : tsy noraharahin’izy ireo izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَقَدۡ كَذَّبُواْ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُمۡ فَسَوۡفَ يَأۡتِيهِمۡ أَنۢبَٰٓؤُاْ مَا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Ary tena nolazain’izy ireo ho lainga ny fahamarinana rehefa tonga tamin’izy ireo. Ka ho tonga amin’izy ireo ireo vaovaon’izay hiapanga azy tamin'izay novazivazian’izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَلَمۡ يَرَوۡاْ كَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِن قَبۡلِهِم مِّن قَرۡنٖ مَّكَّنَّٰهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مَا لَمۡ نُمَكِّن لَّكُمۡ وَأَرۡسَلۡنَا ٱلسَّمَآءَ عَلَيۡهِم مِّدۡرَارٗا وَجَعَلۡنَا ٱلۡأَنۡهَٰرَ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهِمۡ فَأَهۡلَكۡنَٰهُم بِذُنُوبِهِمۡ وَأَنشَأۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِمۡ قَرۡنًا ءَاخَرِينَ
Tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo ? Nomenay fahefana izy ireo teto an-tany, izay tsy nomenay anareo, ary nampidininay ho azy ireo ny ranon’orana avy any an-danitra, ary nampikorianay eo ambanin’izy ireo ireo renirano. Ary naringanay izy ireo nohon'ny fahotany, ary nampisy taranaka hafa Izahay taorian’izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَوۡ نَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ كِتَٰبٗا فِي قِرۡطَاسٖ فَلَمَسُوهُ بِأَيۡدِيهِمۡ لَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٞ
Ary na dia nampidina taminao ny Boky vita amin’ny taratasy Izahay ka nokasihan’izy ireo tamin’ny tànan’izy ireo izany, dia mbola ho niteny ihany ireo izay tsy nino nanao hoe : “Tsy inona ity fa fanova-maso miharihary !”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالُواْ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ مَلَكٞۖ وَلَوۡ أَنزَلۡنَا مَلَكٗا لَّقُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ ثُمَّ لَا يُنظَرُونَ
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “nahoana no tsy nampidinina taminy ny Anjely ?” Nefa raha nampidina Anjely Izahay dia tena tapitra teo ny raharaha ary tsy nomena fe-potoana intsony izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەنئام
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش