Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አንዓም   አንቀጽ:

Al-an'am

ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَجَعَلَ ٱلظُّلُمَٰتِ وَٱلنُّورَۖ ثُمَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِرَبِّهِمۡ يَعۡدِلُونَ
Dera ho an’I Allah izay Nahary ireo lanitra sy ny tany ary nanao ny haizina sy ny hazavana. Kanefa ireo izay tsy nino ny Tompony dia mampitovy Azy amin’ny zavatra hafa.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
هُوَ ٱلَّذِي خَلَقَكُم مِّن طِينٖ ثُمَّ قَضَىٰٓ أَجَلٗاۖ وَأَجَلٞ مُّسَمًّى عِندَهُۥۖ ثُمَّ أَنتُمۡ تَمۡتَرُونَ
Izy no Nahary anareo avy tamin’ny tany manga; avy eo nandahatra fe-potoana Izy ary ny fotoana voatondro farany dia any Aminy. Kanefa ianareo dia mbola misalasala ihany.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَهُوَ ٱللَّهُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَفِي ٱلۡأَرۡضِ يَعۡلَمُ سِرَّكُمۡ وَجَهۡرَكُمۡ وَيَعۡلَمُ مَا تَكۡسِبُونَ
Ary Izy no Allah any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, Mahalala izay tsiambaratelo sy ahariharinareo, ary Mahalala izay azonareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَمَا تَأۡتِيهِم مِّنۡ ءَايَةٖ مِّنۡ ءَايَٰتِ رَبِّهِمۡ إِلَّا كَانُواْ عَنۡهَا مُعۡرِضِينَ
Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe : tsy noraharahin’izy ireo izany.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فَقَدۡ كَذَّبُواْ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُمۡ فَسَوۡفَ يَأۡتِيهِمۡ أَنۢبَٰٓؤُاْ مَا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Ary tena nolazain’izy ireo ho lainga ny fahamarinana rehefa tonga tamin’izy ireo. Ka ho tonga amin’izy ireo ireo vaovaon’izay hiapanga azy tamin'izay novazivazian’izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
أَلَمۡ يَرَوۡاْ كَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِن قَبۡلِهِم مِّن قَرۡنٖ مَّكَّنَّٰهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مَا لَمۡ نُمَكِّن لَّكُمۡ وَأَرۡسَلۡنَا ٱلسَّمَآءَ عَلَيۡهِم مِّدۡرَارٗا وَجَعَلۡنَا ٱلۡأَنۡهَٰرَ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهِمۡ فَأَهۡلَكۡنَٰهُم بِذُنُوبِهِمۡ وَأَنشَأۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِمۡ قَرۡنًا ءَاخَرِينَ
Tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo ? Nomenay fahefana izy ireo teto an-tany, izay tsy nomenay anareo, ary nampidininay ho azy ireo ny ranon’orana avy any an-danitra, ary nampikorianay eo ambanin’izy ireo ireo renirano. Ary naringanay izy ireo nohon'ny fahotany, ary nampisy taranaka hafa Izahay taorian’izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَوۡ نَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ كِتَٰبٗا فِي قِرۡطَاسٖ فَلَمَسُوهُ بِأَيۡدِيهِمۡ لَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٞ
Ary na dia nampidina taminao ny Boky vita amin’ny taratasy Izahay ka nokasihan’izy ireo tamin’ny tànan’izy ireo izany, dia mbola ho niteny ihany ireo izay tsy nino nanao hoe : “Tsy inona ity fa fanova-maso miharihary !”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَقَالُواْ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ مَلَكٞۖ وَلَوۡ أَنزَلۡنَا مَلَكٗا لَّقُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ ثُمَّ لَا يُنظَرُونَ
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “nahoana no tsy nampidinina taminy ny Anjely ?” Nefa raha nampidina Anjely Izahay dia tena tapitra teo ny raharaha ary tsy nomena fe-potoana intsony izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አንዓም
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት