Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەئراپ   ئايەت:

Al-a'raf

الٓمٓصٓ
Alif, Lam, Mim, Swad,
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
كِتَٰبٌ أُنزِلَ إِلَيۡكَ فَلَا يَكُن فِي صَدۡرِكَ حَرَجٞ مِّنۡهُ لِتُنذِرَ بِهِۦ وَذِكۡرَىٰ لِلۡمُؤۡمِنِينَ
Ity dia Boky iray nampidinina taminao, ary aoka tsy hisy fisalasalana ny momba izany ao am-ponao, mba hampitandremanao avy amin’ny alalany sy ho fampatsiahivana ho an’ireo mpino.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱتَّبِعُواْ مَآ أُنزِلَ إِلَيۡكُم مِّن رَّبِّكُمۡ وَلَا تَتَّبِعُواْ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءَۗ قَلِيلٗا مَّا تَذَكَّرُونَ
Arahanareo izay nampidinina teo aminareo avy amin’ny Tomponareo, ary aza manaraka Mpiahy hafa ankoatrany ianareo. Nefa kely dia kely ny ahatsiarovanareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَكَم مِّن قَرۡيَةٍ أَهۡلَكۡنَٰهَا فَجَآءَهَا بَأۡسُنَا بَيَٰتًا أَوۡ هُمۡ قَآئِلُونَ
Ary firifiry amin’ny tanàna no nopotehinay ! Tonga taminy tampoka ny fahenjananay tamin’ny alina na koa tamin’ny atoandro rehefa teo am-pialan-tsasatra izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَمَا كَانَ دَعۡوَىٰهُمۡ إِذۡ جَآءَهُم بَأۡسُنَآ إِلَّآ أَن قَالُوٓاْ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ
Ary tsy nisy antso hafa vitan’izy ireo rehefa tonga taminy tokoa ny fahenjananay afa-tsy hoe : “Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَنَسۡـَٔلَنَّ ٱلَّذِينَ أُرۡسِلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَنَسۡـَٔلَنَّ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ka tena hanontaninay tokoa ireo izay nandefasana ny hafatra ary tena hanontaninay ihany koa ireo mpitondra hafatra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَنَقُصَّنَّ عَلَيۡهِم بِعِلۡمٖۖ وَمَا كُنَّا غَآئِبِينَ
Ho tantaranay amin’izy ireo amim-pahalalana tokoa ny asa nataony fa Izahay dia tsy nisy fotoana tsy nahateo anay.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلۡوَزۡنُ يَوۡمَئِذٍ ٱلۡحَقُّۚ فَمَن ثَقُلَتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Ary ny fandanjana amin’izany andro izany dia ho ara-dalàna tokoa, ka izay navesa-danja ny asa vitany dia izy ireny no hahazo ny fahombiazana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمَنۡ خَفَّتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُم بِمَا كَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يَظۡلِمُونَ
Ary izay maivan-danja kosa ny asa vitany dia izy ireny no hiharan’ny faty antoka amin’ny tenany noho izy ireo nanao ny tsy rariny teo anatrehan’ireo fanambaranay.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَقَدۡ مَكَّنَّٰكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَجَعَلۡنَا لَكُمۡ فِيهَا مَعَٰيِشَۗ قَلِيلٗا مَّا تَشۡكُرُونَ
Ary tena nomenay fahefana ianareo teny ambonin-tany ary nomenay anjara fivelomana koa ianareo teny. Saingy zara fa mankasitraka ianareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَٰكُمۡ ثُمَّ صَوَّرۡنَٰكُمۡ ثُمَّ قُلۡنَا لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ ٱسۡجُدُواْ لِأٓدَمَ فَسَجَدُوٓاْ إِلَّآ إِبۡلِيسَ لَمۡ يَكُن مِّنَ ٱلسَّٰجِدِينَ
Ary tena nahary anareo Izahay, ary efa nomenay bika aman’endrika ianareo, avy eo niteny Izahay tamin’ireo Anjely nanao hoe : “Miankohofa eo anatrehan’I Adama ianareo”. Dia niankohoka daholo izy ireo afa-tsy Iblis, tsy mba anisan’ireo niankohoka izy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەئراپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش