Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەئراپ   ئايەت:
۞ يَٰبَنِيٓ ءَادَمَ خُذُواْ زِينَتَكُمۡ عِندَ كُلِّ مَسۡجِدٖ وَكُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ وَلَا تُسۡرِفُوٓاْۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُسۡرِفِينَ
Oh ry taranak’i Adama ! Anaovy ny haingonareo (fitafianareo) isaky ny toeram-pivavahana (Soalat), mihinàna sy misotroa ianareo, ary aza manao fandaniam-poana. Tena marina fa Izy (Allah) dia tsy tia ireo mpanao ny fandaniam-poana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قُلۡ مَنۡ حَرَّمَ زِينَةَ ٱللَّهِ ٱلَّتِيٓ أَخۡرَجَ لِعِبَادِهِۦ وَٱلطَّيِّبَٰتِ مِنَ ٱلرِّزۡقِۚ قُلۡ هِيَ لِلَّذِينَ ءَامَنُواْ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا خَالِصَةٗ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ
Teneno hoe : “Iza no nandrara ny haingo (fitafiana) avy amin’I Allah, izay navoakany ho an’ireo mpanompony sy ireo tsara amin’ny anjara sakafo ?” Teneno hoe : “Izy ireo dia ho an’ireo izay nino eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany ary ho azy ireo manokana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty”. Tahaka izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قُلۡ إِنَّمَا حَرَّمَ رَبِّيَ ٱلۡفَوَٰحِشَ مَا ظَهَرَ مِنۡهَا وَمَا بَطَنَ وَٱلۡإِثۡمَ وَٱلۡبَغۡيَ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّ وَأَن تُشۡرِكُواْ بِٱللَّهِ مَا لَمۡ يُنَزِّلۡ بِهِۦ سُلۡطَٰنٗا وَأَن تَقُولُواْ عَلَى ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Teneno hoe : “Tena marina fa noraran’ny Tompoko ireo asa vetaveta, na ny miharihary Aminy izany na ny miafina sy ny fahotana, ny fihetraketrahana tsy amim-pahahamarinana, sy ny fanakambananareo Allah amin’ny zavatra izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza ary ny fitenenanareo mahakasik’I Allah amin’izay tsy anananareo fahalalana”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلِكُلِّ أُمَّةٍ أَجَلٞۖ فَإِذَا جَآءَ أَجَلُهُمۡ لَا يَسۡتَأۡخِرُونَ سَاعَةٗ وَلَا يَسۡتَقۡدِمُونَ
Ary ny vahoaka tsirairay dia manana fiafarany. Ka raha tonga ny fe-potoana farany ho azy ireo dia tsy vitan’izy ireo intsony ny hanemotra izany na dia ora iray monja aza, ary tsy vitan’izy ireo ihany koa ny hanafaingana izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
يَٰبَنِيٓ ءَادَمَ إِمَّا يَأۡتِيَنَّكُمۡ رُسُلٞ مِّنكُمۡ يَقُصُّونَ عَلَيۡكُمۡ ءَايَٰتِي فَمَنِ ٱتَّقَىٰ وَأَصۡلَحَ فَلَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ
Oh ry taranak’i Adama ! Raha misy ireo iraka (voafidy) avy aminareo tonga mitantara aminareo ireo fanambarako, izay natahotra sy nanarina ny tenany, dia tsy hisy tahotra izy ireo ary tsy halahelo ihany koa.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَٱسۡتَكۡبَرُواْ عَنۡهَآ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Fa ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay kosa, dia izy ireo no olon'ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَوۡ كَذَّبَ بِـَٔايَٰتِهِۦٓۚ أُوْلَٰٓئِكَ يَنَالُهُمۡ نَصِيبُهُم مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِۖ حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَتۡهُمۡ رُسُلُنَا يَتَوَفَّوۡنَهُمۡ قَالُوٓاْ أَيۡنَ مَا كُنتُمۡ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِۖ قَالُواْ ضَلُّواْ عَنَّا وَشَهِدُواْ عَلَىٰٓ أَنفُسِهِمۡ أَنَّهُمۡ كَانُواْ كَٰفِرِينَ
Ka iza ihany koa no manao ny tsy rariny mihoatra izay namoron-dainga mahakasik'I Allah, na koa nilaza fa lainga ireo famantarany ? Izy ireny dia hahazo ny anjarany amin’izay voasoratra mandra-pahatongan’ireo Irakay amin’izy ireo hanala ny fofon'ain’izy ireo no sady hiteny izy ireo manao hoe : “Aiza ireo izay nantsoinareo ankoatr’I Allah ?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Nandao anay izy ireo”. Ary hijoro vavolombelona eo anatrehan’ny tenany izy ireo fa tsy mpino.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ئەئراپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش