Check out the new design

قرآن کریم کے معانی کا ترجمہ - ملاگاسی ترجمہ - مرکز رواد الترجمہ * - ترجمے کی لسٹ


معانی کا ترجمہ سورت: عنکبوت   آیت:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَنُكَفِّرَنَّ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡ وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَحۡسَنَ ٱلَّذِي كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa kosa, dia ho fafanay ny asa ratsin’izy ireo, ary tena omenay valisoa mendrika kokoa noho izay nataon’izy ireo.
عربی تفاسیر:
وَوَصَّيۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ بِوَٰلِدَيۡهِ حُسۡنٗاۖ وَإِن جَٰهَدَاكَ لِتُشۡرِكَ بِي مَا لَيۡسَ لَكَ بِهِۦ عِلۡمٞ فَلَا تُطِعۡهُمَآۚ إِلَيَّ مَرۡجِعُكُمۡ فَأُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary nandidy ny olombelona mba hanao ny tsara amin’ireo ray aman-dreniny Izahay, fa raha manery anao izy ireo hampitambatra Ahy amin’ny hafa, izay tsy anananao fahalalana mihitsy ny momba izany, dia aza mankatò azy ireo ianao. Ary mankanesa aty Amiko, fa aty Amiko no hiverenanareo, ka ho lazaiko aminareo izay nataonareo.
عربی تفاسیر:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَنُدۡخِلَنَّهُمۡ فِي ٱلصَّٰلِحِينَ
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa,dia tena hampidirinay ho anisan’ireo olon-kendry izy ireo.
عربی تفاسیر:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَقُولُ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ فَإِذَآ أُوذِيَ فِي ٱللَّهِ جَعَلَ فِتۡنَةَ ٱلنَّاسِ كَعَذَابِ ٱللَّهِۖ وَلَئِن جَآءَ نَصۡرٞ مِّن رَّبِّكَ لَيَقُولُنَّ إِنَّا كُنَّا مَعَكُمۡۚ أَوَلَيۡسَ ٱللَّهُ بِأَعۡلَمَ بِمَا فِي صُدُورِ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Misy amin’ireo olona no milaza hoe : “Mino an’I Allah izahay”; avy eo, raha ampijaliana noho I Allah izy, dia mihevitra ny fitsapana ataon’ny olombelona ho toy ny famaizan’I Allah izy. Ary raha misy famonjena avy amin’ny Tomponao, dia tena hiteny izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia miaraka aminareo !” Moa ve tsy Allah no tena mahafantatra indrindra izay rehetra ao am-pon’izao tontolo izao ?
عربی تفاسیر:
وَلَيَعۡلَمَنَّ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَلَيَعۡلَمَنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ
Ary Allah dia tena mahafantatra tokoa ireo izay mino, ary tena mahafantatra koa ireo mpiatsaravelatsihy.
عربی تفاسیر:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لِلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّبِعُواْ سَبِيلَنَا وَلۡنَحۡمِلۡ خَطَٰيَٰكُمۡ وَمَا هُم بِحَٰمِلِينَ مِنۡ خَطَٰيَٰهُم مِّن شَيۡءٍۖ إِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
Ary miteny ireo izay tsy mino amin’ireo izay mino hoe : “Araho ny lalanay fa tena hitondra ny vesatry ny fahadisoanareo izahay”. Nefa tsy hitondra ny vesatry ny fahadisoan’izy ireo akory izy ireo na dia kely aza. Tena marina fa izy ireo dia tena mpandainga.
عربی تفاسیر:
وَلَيَحۡمِلُنَّ أَثۡقَالَهُمۡ وَأَثۡقَالٗا مَّعَ أَثۡقَالِهِمۡۖ وَلَيُسۡـَٔلُنَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ عَمَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Ary tena hitondra ireo vesatry ny asany sy ny vesatra hafa izy ireo miaraka amin’ny vesatry ny asany manokana, ary tena hanontaniana tokoa izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana, momba izay noforonon’izy ireo.
عربی تفاسیر:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ فَلَبِثَ فِيهِمۡ أَلۡفَ سَنَةٍ إِلَّا خَمۡسِينَ عَامٗا فَأَخَذَهُمُ ٱلطُّوفَانُ وَهُمۡ ظَٰلِمُونَ
Ary efa nalefanay tamin’ny vahoakany tokoa i Noa. Ka nipetraka teo amin’izy ireo izy mandritry ny arivo taona, latsaka dimam-polo taona. Avy eo dia niharan’ny safo-drano izy ireo, fa mpanao ny tsy rariny.
عربی تفاسیر:
 
معانی کا ترجمہ سورت: عنکبوت
سورتوں کی لسٹ صفحہ نمبر
 
قرآن کریم کے معانی کا ترجمہ - ملاگاسی ترجمہ - مرکز رواد الترجمہ - ترجمے کی لسٹ

مرکز رواد الترجمہ گروپ نے جمعیۃ الدعوۃ‘ ربوہ اور جمعیۃ خدمۃ المحتوى الاسلامی باللغات کے تعاون سے ترجمہ کیا۔

بند کریں