Check out the new design

Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима * - Таржималар мундарижаси


Маънолар таржимаси Сура: Нисо   Оят:
۞ لَّا يُحِبُّ ٱللَّهُ ٱلۡجَهۡرَ بِٱلسُّوٓءِ مِنَ ٱلۡقَوۡلِ إِلَّا مَن ظُلِمَۚ وَكَانَ ٱللَّهُ سَمِيعًا عَلِيمًا
Allah dia tsy tia ny fanaborahana ny teny ratsy, afa tsy izay niharan’ny tsy rariny. Ary I Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
Арабча тафсирлар:
إِن تُبۡدُواْ خَيۡرًا أَوۡ تُخۡفُوهُ أَوۡ تَعۡفُواْ عَن سُوٓءٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَفُوّٗا قَدِيرًا
Na manao ny tsara mibaribary na miafina ianareo, na koa mamela heloka amin’ny ratsy, tena marina fa I Allah dia be famelan-keloka, mahavita ny zava-drehetra.
Арабча тафсирлар:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَكۡفُرُونَ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦ وَيُرِيدُونَ أَن يُفَرِّقُواْ بَيۡنَ ٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦ وَيَقُولُونَ نُؤۡمِنُ بِبَعۡضٖ وَنَكۡفُرُ بِبَعۡضٖ وَيُرِيدُونَ أَن يَتَّخِذُواْ بَيۡنَ ذَٰلِكَ سَبِيلًا
Ary tena marina fa ireo izay tsy mino an’I Allah sy ireo Irany, sy mila hanavaka an’I Allah sy ireo Irany, ka miteny hoe: “Izahay dia mino ny sasany amin’izy ireo, fa tsy mino ireo sasany hafa kosa», ary mitady handray fanapahan-kevitra hafa anelanelan’izany izy ireo.
Арабча тафсирлар:
أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ حَقّٗاۚ وَأَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٗا مُّهِينٗا
Izy ireo tokoa no tena tsy mpino marina!, ary efa nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny sazy manalabaraka.
Арабча тафсирлар:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦ وَلَمۡ يُفَرِّقُواْ بَيۡنَ أَحَدٖ مِّنۡهُمۡ أُوْلَٰٓئِكَ سَوۡفَ يُؤۡتِيهِمۡ أُجُورَهُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Ary ireo izay nino an’I Allah sy ireo Irany, ary tsy nanavaka na dia iray aza tamin’izy ireny, izy ireny no hotoloran’I Allah ny valin-kasasarany. Ary I Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana.
Арабча тафсирлар:
يَسۡـَٔلُكَ أَهۡلُ ٱلۡكِتَٰبِ أَن تُنَزِّلَ عَلَيۡهِمۡ كِتَٰبٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِۚ فَقَدۡ سَأَلُواْ مُوسَىٰٓ أَكۡبَرَ مِن ذَٰلِكَ فَقَالُوٓاْ أَرِنَا ٱللَّهَ جَهۡرَةٗ فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّٰعِقَةُ بِظُلۡمِهِمۡۚ ثُمَّ ٱتَّخَذُواْ ٱلۡعِجۡلَ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَتۡهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُ فَعَفَوۡنَا عَن ذَٰلِكَۚ وَءَاتَيۡنَا مُوسَىٰ سُلۡطَٰنٗا مُّبِينٗا
Ireo olon’ny boky dia mangataka aminao mba hampidinanao amin’izy ireo boky iray avy any an-danitra. Efa nangataka zavatra lehibe noho izany tamin’i Mpaminany Moussa izy ireo; ka niteny izy ireo hoe : “Asehoy anay ankiharihary i Allah”, ka nianjera tamin’izy ireo ny varatra noho ny tsy rariny nataon’izy ireo. Avy eo dia noraisin’izy ireo ho sampy tompoina ny zanakomby kely, taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mazava tamin’ny izy ireo. Kanefa noleferinay tamin’izy ireo izany, ary notoloranay fahefana lehibe i Mpaminany Moussa.
Арабча тафсирлар:
وَرَفَعۡنَا فَوۡقَهُمُ ٱلطُّورَ بِمِيثَٰقِهِمۡ وَقُلۡنَا لَهُمُ ٱدۡخُلُواْ ٱلۡبَابَ سُجَّدٗا وَقُلۡنَا لَهُمۡ لَا تَعۡدُواْ فِي ٱلسَّبۡتِ وَأَخَذۡنَا مِنۡهُم مِّيثَٰقًا غَلِيظٗا
Ary nampiakarinay teo ambonin’izy ireo ny tendrombohitra (toor) [70] mba hahazoana ny faneken’izy ireo. Ary niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Midira amin’ny varavarana amim-piankohofana ianareo.”Ary mbola niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Aza mandika ny didy aman-dalànan’ny Sabata ianareo”. Ary nandray fanekena tena hentitra avy tamin’izy ireo Izahay.
Арабча тафсирлар:
 
Маънолар таржимаси Сура: Нисо
Суралар мундарижаси Бет рақами
 
Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима - Таржималар мундарижаси

Таржимаси Рувод таржима маркази жамоаси томонидан Рубва даъват жамияти ва Исломий мазмунни тилларда хизмат қилиш жамияти билан ҳамкорликда амалга оширилди.

Ёпиш