Check out the new design

Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима * - Таржималар мундарижаси


Маънолар таржимаси Сура: Духон   Оят:

Ad-dokhan

حمٓ
Hà, Mîm.
Арабча тафсирлар:
وَٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُبِينِ
Mianiana amin’ilay Boky (Koroany) mazava aho.
Арабча тафсирлар:
إِنَّآ أَنزَلۡنَٰهُ فِي لَيۡلَةٖ مُّبَٰرَكَةٍۚ إِنَّا كُنَّا مُنذِرِينَ
Nampidininay tamin’ny alina masina tokoa izy, fa Izahay no mpampitandrina,
Арабча тафсирлар:
فِيهَا يُفۡرَقُ كُلُّ أَمۡرٍ حَكِيمٍ
Nandritra izany no nanapahana ny didy rehetra feno fahendrena.
Арабча тафсирлар:
أَمۡرٗا مِّنۡ عِندِنَآۚ إِنَّا كُنَّا مُرۡسِلِينَ
Didy avy Aminay izany. Izahay no mandefa ireo iraka,
Арабча тафсирлар:
رَحۡمَةٗ مِّن رَّبِّكَۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Ho famindram-po avy amin’ny Tomponao, fa Izy no Ilay Mahare, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra,
Арабча тафсирлар:
رَبِّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَآۖ إِن كُنتُم مُّوقِنِينَ
Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelan’izany! Raha miaiky izany tokoa ianareo.
Арабча тафсирлар:
لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ يُحۡيِۦ وَيُمِيتُۖ رَبُّكُمۡ وَرَبُّ ءَابَآئِكُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. Izy no mamelona sy mamono, ary Izy no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
Арабча тафсирлар:
بَلۡ هُمۡ فِي شَكّٖ يَلۡعَبُونَ
Nefa izy ireo dia misangy ao anatin’ny fisalasalana.
Арабча тафсирлар:
فَٱرۡتَقِبۡ يَوۡمَ تَأۡتِي ٱلسَّمَآءُ بِدُخَانٖ مُّبِينٖ
Raha izany, andraso ilay andro hitondran’ny lanitra setroka hita maso,
Арабча тафсирлар:
يَغۡشَى ٱلنَّاسَۖ هَٰذَا عَذَابٌ أَلِيمٞ
Izay handrakotra ny olona. Ho famaizana mamirifiry tokoa izany.
Арабча тафсирлар:
رَّبَّنَا ٱكۡشِفۡ عَنَّا ٱلۡعَذَابَ إِنَّا مُؤۡمِنُونَ
Tomponay ô ! Alaviro aminay ny famaizana. Fa mino tokoa izahay.
Арабча тафсирлар:
أَنَّىٰ لَهُمُ ٱلذِّكۡرَىٰ وَقَدۡ جَآءَهُمۡ رَسُولٞ مُّبِينٞ
Taiza izany fahatsiarovan-tenan’izy ireo izany, nefa dia efa tonga tamin’izy ireo ny iraka mazava.
Арабча тафсирлар:
ثُمَّ تَوَلَّوۡاْ عَنۡهُ وَقَالُواْ مُعَلَّمٞ مَّجۡنُونٌ
Avy eo, dia nihataka taminy izy ireo, sady niteny hoe: “Olona nanovo fahalalana izy io, nidiran’ny devoly.”
Арабча тафсирлар:
إِنَّا كَاشِفُواْ ٱلۡعَذَابِ قَلِيلًاۚ إِنَّكُمۡ عَآئِدُونَ
Ho foananay fotoana fohy ny famaizana, fa mbola hamerina ianareo.
Арабча тафсирлар:
يَوۡمَ نَبۡطِشُ ٱلۡبَطۡشَةَ ٱلۡكُبۡرَىٰٓ إِنَّا مُنتَقِمُونَ
Ny andro hampiasanay ny famaizana mafy indrindra sy hanaovanay famelan-keloka.
Арабча тафсирлар:
۞ وَلَقَدۡ فَتَنَّا قَبۡلَهُمۡ قَوۡمَ فِرۡعَوۡنَ وَجَآءَهُمۡ رَسُولٞ كَرِيمٌ
Ary talohan’izy ireo, dia efa nosedrainay ny vahoakan’i Faraona, tamin’ny fahatongavan’ny iraka manan-kaja teo amin’izy ireo.
Арабча тафсирлар:
أَنۡ أَدُّوٓاْ إِلَيَّ عِبَادَ ٱللَّهِۖ إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ
Izay niteny hoe: “Atolory ahy ireo mpanompon’Allah! Fa iraka mendri-pitokisana ho anareo tokoa aho.
Арабча тафсирлар:
 
Маънолар таржимаси Сура: Духон
Суралар мундарижаси Бет рақами
 
Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима - Таржималар мундарижаси

Таржимаси Рувод таржима маркази жамоаси томонидан Рубва даъват жамияти ва Исломий мазмунни тилларда хизмат қилиш жамияти билан ҳамкорликда амалга оширилди.

Ёпиш