Check out the new design

Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима * - Таржималар мундарижаси


Маънолар таржимаси Сура: Тавба   Оят:
رَضُواْ بِأَن يَكُونُواْ مَعَ ٱلۡخَوَالِفِ وَطُبِعَ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ فَهُمۡ لَا يَفۡقَهُونَ
Afa-po izy ireo fa niaraka tamin’ireo mpijanona taty aoriana. Voahidy mafy ny fon’izy ireo ka tsy afaka mahalala intsony.
Арабча тафсирлар:
لَٰكِنِ ٱلرَّسُولُ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ جَٰهَدُواْ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمُ ٱلۡخَيۡرَٰتُۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Nefa ilay Iraka sy ireo izay nino niaraka Taminy kosa dia nanao jihad tamin’ny alalany ny fananan’izy ireo sy ny vatany. Izy ireny no hahazo zava-tsoa ary izy ireny ihany koa no hahazo ny fahombiazana.
Арабча тафсирлар:
أَعَدَّ ٱللَّهُ لَهُمۡ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ ذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Nanomana zaridaina (Paradisa) ho azy ireo Allah izay ikorianan’ny renirano eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay. Fa fahombiazana lehibe izany.
Арабча тафсирлар:
وَجَآءَ ٱلۡمُعَذِّرُونَ مِنَ ٱلۡأَعۡرَابِ لِيُؤۡذَنَ لَهُمۡ وَقَعَدَ ٱلَّذِينَ كَذَبُواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥۚ سَيُصِيبُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary tonga ireo arabo mpifindra monina niala tsiny mba omena alàlana (tsy handray anjara amin’ny jihad) izy ireo. Ary nijanona tany aminy ireo izay nandainga tamin’i Allah sy ny Irany. Hahazo ny sazy mamirifiry ireo izay tsy nino tamin’izy ireo.
Арабча тафсирлар:
لَّيۡسَ عَلَى ٱلضُّعَفَآءِ وَلَا عَلَى ٱلۡمَرۡضَىٰ وَلَا عَلَى ٱلَّذِينَ لَا يَجِدُونَ مَا يُنفِقُونَ حَرَجٌ إِذَا نَصَحُواْ لِلَّهِ وَرَسُولِهِۦۚ مَا عَلَى ٱلۡمُحۡسِنِينَ مِن سَبِيلٖۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Tsy misy tsiny ho an’ireo osa, na ireo marary, na koa ireo izay tsy mahita hamatsiana tena, raha mendri-pitondran-tena eo anatrehan’i Allah sy ny irany izy ireo. Tsy misy antony hanomezan-tsiny ihany koa ireo mpanao asa soa. Ary i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Арабча тафсирлар:
وَلَا عَلَى ٱلَّذِينَ إِذَا مَآ أَتَوۡكَ لِتَحۡمِلَهُمۡ قُلۡتَ لَآ أَجِدُ مَآ أَحۡمِلُكُمۡ عَلَيۡهِ تَوَلَّواْ وَّأَعۡيُنُهُمۡ تَفِيضُ مِنَ ٱلدَّمۡعِ حَزَنًا أَلَّا يَجِدُواْ مَا يُنفِقُونَ
Na ho an’ireo izay tonga nanantona Anao mba hitondranao azy ireo, ka hiteny Ianao manao hoe : " Tsy mahita izay hitondrako Anareo Aho ”. Niverina izy ireo no sady nanganohano ny mason’izy ireo, nalahelo izy ireo nohon'ny tsy fahitany izay hamatsiana tena.
Арабча тафсирлар:
۞ إِنَّمَا ٱلسَّبِيلُ عَلَى ٱلَّذِينَ يَسۡتَـٔۡذِنُونَكَ وَهُمۡ أَغۡنِيَآءُۚ رَضُواْ بِأَن يَكُونُواْ مَعَ ٱلۡخَوَالِفِ وَطَبَعَ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ فَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Tena marina fa, ny fanomezan-tsiny ho an’ireo mangataka alalana Aminao (mba tsy handray anjara amin’ny ady) nefa izy ireo dia mpanan-karena. Mahafaly azy ireo ny mijanona miaraka amin’ireo mpijanona any aoriana. Ary i Allah dia nanidy mafy ny fon’izy ireo, nefa izy ireo tsy afaka nahafantatra izany intsony.
Арабча тафсирлар:
 
Маънолар таржимаси Сура: Тавба
Суралар мундарижаси Бет рақами
 
Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима - Таржималар мундарижаси

Таржимаси Рувод таржима маркази жамоаси томонидан Рубва даъват жамияти ва Исломий мазмунни тилларда хизмат қилиш жамияти билан ҳамкорликда амалга оширилди.

Ёпиш