Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አን-ነሕል   አንቀጽ:
وَأَلۡقَىٰ فِي ٱلۡأَرۡضِ رَوَٰسِيَ أَن تَمِيدَ بِكُمۡ وَأَنۡهَٰرٗا وَسُبُلٗا لَّعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ
Ary naoriny eo amin’ny tany ireo tendrombohitra tsy mihetsiketsika, mba tsy hihozongozonany (tany) sy Ianareo miaraka Aminy, ary ireo renirano sy ireo làlana maro ihany koa, mba Ahafahanareo hifampitarika.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَعَلَٰمَٰتٖۚ وَبِٱلنَّجۡمِ هُمۡ يَهۡتَدُونَ
Ary koa ireo toeram-pamantarana, ka avy amin’ny alàlan’ireo kintana no ahafahan’izy ireo hifampitarika.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
أَفَمَن يَخۡلُقُ كَمَن لَّا يَخۡلُقُۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Moa ve izay namorona, dia hitovy amin’ireo izay tsy namorona na inona ? Moa tsy tsaroanareo ve izany ?
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِن تَعُدُّواْ نِعۡمَةَ ٱللَّهِ لَا تُحۡصُوهَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary raha mitanisa ny fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voatanisanareo izany. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا تُسِرُّونَ وَمَا تُعۡلِنُونَ
Ary i Allah dia mahalala izay Afeninareo sy izay Abaribarinareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَخۡلُقُونَ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ
Ary ireo izay antsoin’izy ireo ankoatran’i Allah, dia tsy afaka mamorona na inona izy ireo aza satria noforonina (nohariana) izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
أَمۡوَٰتٌ غَيۡرُ أَحۡيَآءٖۖ وَمَا يَشۡعُرُونَ أَيَّانَ يُبۡعَثُونَ
Maty izy ireo fa tsy velona, ary tsy mahafantatra izy ireo, fa rahoviana no hatsangana amin’ny maty izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۚ فَٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ قُلُوبُهُم مُّنكِرَةٞ وَهُم مُّسۡتَكۡبِرُونَ
Ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana.Fa ireo izay tsy mino ny any an-koatra kosa, ny Fon’izy ireo dia feno fandavana (ny Zanahary tokana), no sady manambony tena izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
لَا جَرَمَ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُسۡتَكۡبِرِينَ
Tsy misy hisalasalana fa i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo, sy izay abaribariny. Ary marina fa Izy dia tsy tia ireo mpanambony tena.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِذَا قِيلَ لَهُم مَّاذَآ أَنزَلَ رَبُّكُمۡ قَالُوٓاْ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary rehefa notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Dia hoy izy ireo ka nanao hoe :” Anganon’ireo fahiny ! ”
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
لِيَحۡمِلُوٓاْ أَوۡزَارَهُمۡ كَامِلَةٗ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَمِنۡ أَوۡزَارِ ٱلَّذِينَ يُضِلُّونَهُم بِغَيۡرِ عِلۡمٍۗ أَلَا سَآءَ مَا يَزِرُونَ
Aoka hizaka ny vesatry ny fahotany rehetra izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), sy ny ampahany amin’ireo fahotan’Olona novereziny, izay tsy fantany. Moa ve tsy izany no fahotana ratsy indrindra mianjady amin’izy ireo ?
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قَدۡ مَكَرَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ فَأَتَى ٱللَّهُ بُنۡيَٰنَهُم مِّنَ ٱلۡقَوَاعِدِ فَخَرَّ عَلَيۡهِمُ ٱلسَّقۡفُ مِن فَوۡقِهِمۡ وَأَتَىٰهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ
Efa nanao teti-dratsy ireo niaina talohan’izy ireo, nefa tonga i Allah namotika ny fototry ny trano ratsy. Ka nirodana teo ambonin’izy ireo ny tafo, ary tonga tamin’izy ireo ny famaizana tamin’ny fotoana tsy nampoizin’izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አን-ነሕል
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት