Check out the new design

அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் * - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை


மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அந்நஹ்ல்   வசனம்:
وَأَلۡقَىٰ فِي ٱلۡأَرۡضِ رَوَٰسِيَ أَن تَمِيدَ بِكُمۡ وَأَنۡهَٰرٗا وَسُبُلٗا لَّعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ
Ary naoriny eo amin’ny tany ireo tendrombohitra tsy mihetsiketsika, mba tsy hihozongozonany (tany) sy Ianareo miaraka Aminy, ary ireo renirano sy ireo làlana maro ihany koa, mba Ahafahanareo hifampitarika.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَعَلَٰمَٰتٖۚ وَبِٱلنَّجۡمِ هُمۡ يَهۡتَدُونَ
Ary koa ireo toeram-pamantarana, ka avy amin’ny alàlan’ireo kintana no ahafahan’izy ireo hifampitarika.
அரபு விரிவுரைகள்:
أَفَمَن يَخۡلُقُ كَمَن لَّا يَخۡلُقُۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Moa ve izay namorona, dia hitovy amin’ireo izay tsy namorona na inona ? Moa tsy tsaroanareo ve izany ?
அரபு விரிவுரைகள்:
وَإِن تَعُدُّواْ نِعۡمَةَ ٱللَّهِ لَا تُحۡصُوهَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary raha mitanisa ny fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voatanisanareo izany. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا تُسِرُّونَ وَمَا تُعۡلِنُونَ
Ary i Allah dia mahalala izay Afeninareo sy izay Abaribarinareo.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَخۡلُقُونَ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ
Ary ireo izay antsoin’izy ireo ankoatran’i Allah, dia tsy afaka mamorona na inona izy ireo aza satria noforonina (nohariana) izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
أَمۡوَٰتٌ غَيۡرُ أَحۡيَآءٖۖ وَمَا يَشۡعُرُونَ أَيَّانَ يُبۡعَثُونَ
Maty izy ireo fa tsy velona, ary tsy mahafantatra izy ireo, fa rahoviana no hatsangana amin’ny maty izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۚ فَٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ قُلُوبُهُم مُّنكِرَةٞ وَهُم مُّسۡتَكۡبِرُونَ
Ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana.Fa ireo izay tsy mino ny any an-koatra kosa, ny Fon’izy ireo dia feno fandavana (ny Zanahary tokana), no sady manambony tena izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
لَا جَرَمَ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُسۡتَكۡبِرِينَ
Tsy misy hisalasalana fa i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo, sy izay abaribariny. Ary marina fa Izy dia tsy tia ireo mpanambony tena.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَإِذَا قِيلَ لَهُم مَّاذَآ أَنزَلَ رَبُّكُمۡ قَالُوٓاْ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary rehefa notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Dia hoy izy ireo ka nanao hoe :” Anganon’ireo fahiny ! ”
அரபு விரிவுரைகள்:
لِيَحۡمِلُوٓاْ أَوۡزَارَهُمۡ كَامِلَةٗ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَمِنۡ أَوۡزَارِ ٱلَّذِينَ يُضِلُّونَهُم بِغَيۡرِ عِلۡمٍۗ أَلَا سَآءَ مَا يَزِرُونَ
Aoka hizaka ny vesatry ny fahotany rehetra izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), sy ny ampahany amin’ireo fahotan’Olona novereziny, izay tsy fantany. Moa ve tsy izany no fahotana ratsy indrindra mianjady amin’izy ireo ?
அரபு விரிவுரைகள்:
قَدۡ مَكَرَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ فَأَتَى ٱللَّهُ بُنۡيَٰنَهُم مِّنَ ٱلۡقَوَاعِدِ فَخَرَّ عَلَيۡهِمُ ٱلسَّقۡفُ مِن فَوۡقِهِمۡ وَأَتَىٰهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ
Efa nanao teti-dratsy ireo niaina talohan’izy ireo, nefa tonga i Allah namotika ny fototry ny trano ratsy. Ka nirodana teo ambonin’izy ireo ny tafo, ary tonga tamin’izy ireo ny famaizana tamin’ny fotoana tsy nampoizin’izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
 
மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அந்நஹ்ல்
அத்தியாயங்களின் அட்டவணை பக்க எண்
 
அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை

அர்ருவ்வாத் மொழிபெயர்ப்பு மையத்தின் குழு அல்-ரப்வா அழைப்பு சங்கம் மற்றும் பல் மொழிகளில் இஸ்லாமிய உள்ளடக்கத்திற்கு சேவை செய்யும் சங்கத்துடன் இணைந்து மொழிபெயர்த்துள்ளது.

மூடுக