Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-በቀራህ   አንቀጽ:
فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۗ وَيَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلۡيَتَٰمَىٰۖ قُلۡ إِصۡلَاحٞ لَّهُمۡ خَيۡرٞۖ وَإِن تُخَالِطُوهُمۡ فَإِخۡوَٰنُكُمۡۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ ٱلۡمُفۡسِدَ مِنَ ٱلۡمُصۡلِحِۚ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَأَعۡنَتَكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٞ
Ny eto an-tany sy ny any ankoatra. ary hanontany anao izy ireo momba an’ireo kamboty. Teneno hoe : “ Ny fanaovana tsara azy ireo no mendrika. ary raha mifangaro amin'izy ireo ianareo, izy ireo dia rahalahinareo. ary Allah dia mahalala ny mpanimba amin’ny mpanamboatra. ary raha sitrak’i Allah dia nosahiraniny mafy ianareo. tena marina fa Allah dia mahery sy hendry.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَا تَنكِحُواْ ٱلۡمُشۡرِكَٰتِ حَتَّىٰ يُؤۡمِنَّۚ وَلَأَمَةٞ مُّؤۡمِنَةٌ خَيۡرٞ مِّن مُّشۡرِكَةٖ وَلَوۡ أَعۡجَبَتۡكُمۡۗ وَلَا تُنكِحُواْ ٱلۡمُشۡرِكِينَ حَتَّىٰ يُؤۡمِنُواْۚ وَلَعَبۡدٞ مُّؤۡمِنٌ خَيۡرٞ مِّن مُّشۡرِكٖ وَلَوۡ أَعۡجَبَكُمۡۗ أُوْلَٰٓئِكَ يَدۡعُونَ إِلَى ٱلنَّارِۖ وَٱللَّهُ يَدۡعُوٓاْ إِلَى ٱلۡجَنَّةِ وَٱلۡمَغۡفِرَةِ بِإِذۡنِهِۦۖ وَيُبَيِّنُ ءَايَٰتِهِۦ لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمۡ يَتَذَكَّرُونَ
Ary aoka ianareo tsy hampaka-bady ireo vehivavy mpanompo sampy, raha tsy efa mino izy ireny, ary ny mpanompo vavy mpino no mendrika noho ny vehivavy mpanompo sampy, na dia manintona anareo aza ny hatsaran-tarehiny. Ary aza manome vady ireo lehilahy mpanompo sampy ianareo raha tsy efa mino izy ireo, satria ny mpanompo lahy mpino no mendrika toy izay lehilahy mpanompo sampy, na dia mahasarika anareo aza izy. Ireny mpanompo sampy ireny mantsy dia mitaona ny olona mankany amin’ny afobe; fa Allah kosa noho ny fahasoavany dia mitaona ny olona mankany amin’ny Paradisa sy ny famelan-keloka. Izy ihany koa no mampiharihary amin’ny olombelona ireo famantarana rehetra, mba handinihanareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَيَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلۡمَحِيضِۖ قُلۡ هُوَ أَذٗى فَٱعۡتَزِلُواْ ٱلنِّسَآءَ فِي ٱلۡمَحِيضِ وَلَا تَقۡرَبُوهُنَّ حَتَّىٰ يَطۡهُرۡنَۖ فَإِذَا تَطَهَّرۡنَ فَأۡتُوهُنَّ مِنۡ حَيۡثُ أَمَرَكُمُ ٱللَّهُۚ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلتَّوَّٰبِينَ وَيُحِبُّ ٱلۡمُتَطَهِّرِينَ
Ary manontany anao ny amin’ny fadim-bolan’ny vehivavy izy ireo. Ka lazao hoe : “Izany, dia loto manelingelina. Noho izany, dia aoka ianareo hihataka azy ireny mandritra ny fadim-bolana, ka aza miray aminy raha tsy efa madio izy ireo. Ary rehefa madio izy ireo, dia tanteraho amin’izy ireny izay nandidian’Allah anareo. Satria, Allah dia tia ireo mpibebaka sy ireo mpitandro fahadiovana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
نِسَآؤُكُمۡ حَرۡثٞ لَّكُمۡ فَأۡتُواْ حَرۡثَكُمۡ أَنَّىٰ شِئۡتُمۡۖ وَقَدِّمُواْ لِأَنفُسِكُمۡۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّكُم مُّلَٰقُوهُۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ireo vehivavy (vadinareo) dia tanim-bolinareo, ka mankanesa any amin’ny tanim-bolinareo arak’izay sitrakareo ianareo, ary manolora ianareo ho an’ny tenanareo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantarinareo fa mbola hihaona Aminy tokoa ianareo, ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpino.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَا تَجۡعَلُواْ ٱللَّهَ عُرۡضَةٗ لِّأَيۡمَٰنِكُمۡ أَن تَبَرُّواْ وَتَتَّقُواْ وَتُصۡلِحُواْ بَيۡنَ ٱلنَّاسِۚ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Ary aoka ianareo tsy hampiasa ny anaran’Allah eo amin’ny voady ataonareo ho fanafenan-javatra, mba tsy hanaovanareo asa soa sy tsy hahavontompinoana anareo, ary mba tsy hidiranareo amin’ny fampihavanana ny olona. Fa Allah dia Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-በቀራህ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት