Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-በቀራህ   አንቀጽ:
وَإِذۡ قَالَ إِبۡرَٰهِـۧمُ رَبِّ أَرِنِي كَيۡفَ تُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰۖ قَالَ أَوَلَمۡ تُؤۡمِنۖ قَالَ بَلَىٰ وَلَٰكِن لِّيَطۡمَئِنَّ قَلۡبِيۖ قَالَ فَخُذۡ أَرۡبَعَةٗ مِّنَ ٱلطَّيۡرِ فَصُرۡهُنَّ إِلَيۡكَ ثُمَّ ٱجۡعَلۡ عَلَىٰ كُلِّ جَبَلٖ مِّنۡهُنَّ جُزۡءٗا ثُمَّ ٱدۡعُهُنَّ يَأۡتِينَكَ سَعۡيٗاۚ وَٱعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٞ
Ary raha niteny i Ibrahama hoe : “Tompo ô! Asehoy ahy, tahaka ny ahoana no famelomanao indray ireo maty”, dia hoy Allah namaly azy : “Moa tsy mino va ianao?”. Dia hoy Ibrahim : “Tsia! Tsy izany akory, fa mba hampitony ny foko”. Ka dia hoy Allah : “Makà vorona efatra ianao ka tapatapaho, ary ametraho singany iray avy aminy isaky ny tendrombohitra; aorian’izany, dia antsoy izy ireo, fa hilomay hanatona anao. Ary aoka ho fantatrao, fa Allah dia Tsitoha sy be fahendrena.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
مَّثَلُ ٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمۡوَٰلَهُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ كَمَثَلِ حَبَّةٍ أَنۢبَتَتۡ سَبۡعَ سَنَابِلَ فِي كُلِّ سُنۢبُلَةٖ مِّاْئَةُ حَبَّةٖۗ وَٱللَّهُ يُضَٰعِفُ لِمَن يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ وَٰسِعٌ عَلِيمٌ
Ireo izay mandany ny harenany amin’ny làlan’i Allah, dia mitovy amin’ny voa iray namoaka sampana fito, ka isaka ny sampana iray dia manome voa zato. Ary i Allah dia mampitombo avo eny ho an’izay sitrany, ary i Allah dia Malàla-tànana sy Mahalala ny zava-drehetra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
ٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمۡوَٰلَهُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ ثُمَّ لَا يُتۡبِعُونَ مَآ أَنفَقُواْ مَنّٗا وَلَآ أَذٗى لَّهُمۡ أَجۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ وَلَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ
Ireo izay mandany ny hareny amin’ny làlan’i Allah, ka tsy mampanaraka fampahatsiahivana na fanafintohinana amin'izay nolaniany, dia ho azy ireo ny valin-kasasarany eo anatrehan’ny Tompony, ary tsy hisy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
۞ قَوۡلٞ مَّعۡرُوفٞ وَمَغۡفِرَةٌ خَيۡرٞ مِّن صَدَقَةٖ يَتۡبَعُهَآ أَذٗىۗ وَٱللَّهُ غَنِيٌّ حَلِيمٞ
Ny teny mendrika sy ny famelan-keloka dia tsara noho ny fanomezana arahana fanafintohinana. Ary i Allah dia Manan-karena sy Malemy fanahy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تُبۡطِلُواْ صَدَقَٰتِكُم بِٱلۡمَنِّ وَٱلۡأَذَىٰ كَٱلَّذِي يُنفِقُ مَالَهُۥ رِئَآءَ ٱلنَّاسِ وَلَا يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۖ فَمَثَلُهُۥ كَمَثَلِ صَفۡوَانٍ عَلَيۡهِ تُرَابٞ فَأَصَابَهُۥ وَابِلٞ فَتَرَكَهُۥ صَلۡدٗاۖ لَّا يَقۡدِرُونَ عَلَىٰ شَيۡءٖ مِّمَّا كَسَبُواْۗ وَٱللَّهُ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
O ianareo mpino! Aza simbana amin’ny teny feno latsa sy mandratra fo ny fanomezana ataonareo, tahaka izay mahafoy ny fananany noho ny fisehosehoana eo imason’ny olona, nefa tsy mino an’Allah na ny andro farany akory izy. Ny toa azy, dia toy ny haram-bato rakofan’ny tany manify, ka rehefa nikija taminy ny oram-baratra nikaoka ny tany dia nametraka azy ho vato malama. Tsy afaka nanao na inona na inona tamin’izay azony izy ireo. Ary tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka tsy mpino Azy Allah
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-በቀራህ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት