Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ኣሊ-ኢምራን   አንቀጽ:
لَن تَنَالُواْ ٱلۡبِرَّ حَتَّىٰ تُنفِقُواْ مِمَّا تُحِبُّونَۚ وَمَا تُنفِقُواْ مِن شَيۡءٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ بِهِۦ عَلِيمٞ
Tsy hahazo ilay fahasoavana velively ianareo raha tsy mahafoy manome izay zavatra tianareo. Ary izay zavatra rehetra afoinareo, dia Allah no tena mahafantatra izany.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
۞ كُلُّ ٱلطَّعَامِ كَانَ حِلّٗا لِّبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ إِلَّا مَا حَرَّمَ إِسۡرَٰٓءِيلُ عَلَىٰ نَفۡسِهِۦ مِن قَبۡلِ أَن تُنَزَّلَ ٱلتَّوۡرَىٰةُۚ قُلۡ فَأۡتُواْ بِٱلتَّوۡرَىٰةِ فَٱتۡلُوهَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ny sakafo rehetra fahiny dia azo ho hanina (Halal) [52] ho an’ny zanak’Israely, afa-tsy izay noraran’ny Israely (Haramo) [53] tamin’ny tenany talohan’ny nampidinana ny Taoraty. Teneno hoe : “ Ento eto ny Boky Taoraty ka vakio, raha marina izay lazainareo ! ”
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فَمَنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ka izay mamorona lainga mikasika an’i Allah taorian’izany, dia izy ireo no mpanao ny tsy rariny.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قُلۡ صَدَقَ ٱللَّهُۗ فَٱتَّبِعُواْ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفٗاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Teneno hoe: “ Nilaza ny marina i Allah ” Ka arahinareo ny finoan’i Ibrahimo izay fanompoana an’i Allah irery ihany, madio mangarahara ary tsy mba anisan’ireo mpanompo sampy Izy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِنَّ أَوَّلَ بَيۡتٖ وُضِعَ لِلنَّاسِ لَلَّذِي بِبَكَّةَ مُبَارَكٗا وَهُدٗى لِّلۡعَٰلَمِينَ
Tena marina fa ny trano naorina voalohany indrindra ho an’ny Olombelona, dia izay ao Bakka [54] (Makka) feno fahasoavana sy tari-dàlana ho an’izao tontolo izao.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فِيهِ ءَايَٰتُۢ بَيِّنَٰتٞ مَّقَامُ إِبۡرَٰهِيمَۖ وَمَن دَخَلَهُۥ كَانَ ءَامِنٗاۗ وَلِلَّهِ عَلَى ٱلنَّاسِ حِجُّ ٱلۡبَيۡتِ مَنِ ٱسۡتَطَاعَ إِلَيۡهِ سَبِيلٗاۚ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَنِيٌّ عَنِ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Misy famantarana mazava maro ao Aminy, toerana izay nitsanganan’i Ibrahimo. Ary izay miditra ao dia mahita fandriampahalemana. Adidin’ny Olombelona Amin’i Allah ho an’izay manan-katao no mankany, manatanteraka ny Hajy, amin’ilay trano masina. Ary ho an’izay tsy nino, dia hamafisina fa tsy miantehitra amin’izao tontolo izao i Allah.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَٱللَّهُ شَهِيدٌ عَلَىٰ مَا تَعۡمَلُونَ
Teneno hoe : “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no tsy mino an’ireo fanambaran’i Allah, nefa i Allah dia vavolombelon’izay rehetra Ataonareo ”
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ مَنۡ ءَامَنَ تَبۡغُونَهَا عِوَجٗا وَأَنتُمۡ شُهَدَآءُۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ
Teneno hoe: “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no manakana izay mino mankany amin’ny làlan’i Allah ilainareo avily izany, ka nefa Ianareo dia vavolombelona manoloana ny fahamarinana ! ”.ary i Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra Ataonareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن تُطِيعُواْ فَرِيقٗا مِّنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ يَرُدُّوكُم بَعۡدَ إِيمَٰنِكُمۡ كَٰفِرِينَ
Ô Ianareo izay nino ! Raha mankato ny andiany amin’ireo izay nomena ny Boky Ianareo, dia hamerina Anareo ho lasa tsy mpino izy ireo, taorian’ny finoana izay efa Nanananareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ኣሊ-ኢምራን
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረብዋ የዳዕዋ ማህበር እና ከ የእስልምና ይዘት በተለያዩ ቋንቋዎች አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተተረጎመ

መዝጋት