Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ኣሊ-ኢምራን   አንቀጽ:
وَكَيۡفَ تَكۡفُرُونَ وَأَنتُمۡ تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ ءَايَٰتُ ٱللَّهِ وَفِيكُمۡ رَسُولُهُۥۗ وَمَن يَعۡتَصِم بِٱللَّهِ فَقَدۡ هُدِيَ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Ary ahoana Ianareo no tsy mino ka nefa ianareo indrindra no amakiana ireo fanambaran’i Allah, ary eo Aminareo lalandava ny Irany ? Ary izay mifikitra mafy amin’i Allah dia efa voahitsy amin’ny làlana mahitsy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ حَقَّ تُقَاتِهِۦ وَلَا تَمُوتُنَّ إِلَّا وَأَنتُم مُّسۡلِمُونَ
Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo amin’ny tena fatahorana Azy marina, ary aoka mba tsy ho faty raha tsy efa manaiky tanteraka an’i Allah Ianareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَٱعۡتَصِمُواْ بِحَبۡلِ ٱللَّهِ جَمِيعٗا وَلَا تَفَرَّقُواْۚ وَٱذۡكُرُواْ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ إِذۡ كُنتُمۡ أَعۡدَآءٗ فَأَلَّفَ بَيۡنَ قُلُوبِكُمۡ فَأَصۡبَحۡتُم بِنِعۡمَتِهِۦٓ إِخۡوَٰنٗا وَكُنتُمۡ عَلَىٰ شَفَا حُفۡرَةٖ مِّنَ ٱلنَّارِ فَأَنقَذَكُم مِّنۡهَاۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ
Ary mifikira mafy Ianareo amin’ny tadin’i Allah, fa aza misaratsaraka. Ary tsarovinareo ny Fahasoavan’i Allah eo Aminareo, raha mpifahavalo Ianareo teo aloha dia natambatry ny Fonareo, ka lasa mpirahalahy nohon'ny fahasoavany Ianareo. Ary Ianareo dia efa tena teo amoron-kadin’ny afo, ka navotany tamin’izany Ianareo. Tahaka izany no hanazavan’i Allah Aminareo ny fanambarany, angamba hizotra amin’ny làla-mahitsy Ianareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلۡتَكُن مِّنكُمۡ أُمَّةٞ يَدۡعُونَ إِلَى ٱلۡخَيۡرِ وَيَأۡمُرُونَ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَيَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمُنكَرِۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Ary aoka mba hisy Aminareo vahoaka, hiantso ho amin’ny tsara sy handidy amin’ny mendrika, ary handrara amin’ny ratsy. Ary izy ireo no mahazo ny fahombiazana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ تَفَرَّقُواْ وَٱخۡتَلَفُواْ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Ary aoka Ianareo tsy hanao tahaka ireo nisaratsaraka, sy nifanipa-kevitra taorian’ny fahatongavan’ireo porofo mazava tamin’izy ireo. Ary ho azy ireo ny famaizana lehibe.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَوۡمَ تَبۡيَضُّ وُجُوهٞ وَتَسۡوَدُّ وُجُوهٞۚ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ٱسۡوَدَّتۡ وُجُوهُهُمۡ أَكَفَرۡتُم بَعۡدَ إِيمَٰنِكُمۡ فَذُوقُواْ ٱلۡعَذَابَ بِمَا كُنتُمۡ تَكۡفُرُونَ
Amin’ny Andro hampazava ireo tarehy sy hahamaizina ihany koa ireo tarehy hafa, ka ho an’ireo izay maizina ny tarehinizy ireo (dia holazaina izy ireo): “ Tsy nino va Ianareo taorian’ny fanananareo ny finoana ? Ka andramano àry ny famaizana noho Ianareo nitsipaka ny finoana ”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ ٱبۡيَضَّتۡ وُجُوهُهُمۡ فَفِي رَحۡمَةِ ٱللَّهِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Fa ireo izay mazava kosa ny tarehiny, dia ao anatin’ny Indrafon’i Allah, ary hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱللَّهِ نَتۡلُوهَا عَلَيۡكَ بِٱلۡحَقِّۗ وَمَا ٱللَّهُ يُرِيدُ ظُلۡمٗا لِّلۡعَٰلَمِينَ
Ireny no Fanambaran’i Allah, vakinay Aminao am-pahamarinana, ary tsy mitady hanao ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao mihitsy i Allah.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ኣሊ-ኢምራን
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረብዋ የዳዕዋ ማህበር እና ከ የእስልምና ይዘት በተለያዩ ቋንቋዎች አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተተረጎመ

መዝጋት