Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ጋፊር   አንቀጽ:
إِنَّ ٱلسَّاعَةَ لَأٓتِيَةٞ لَّا رَيۡبَ فِيهَا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يُؤۡمِنُونَ
Hamafisina, fa ho avy tokoa ilay ora, tsy misy hisalasalana ny amin’izany, nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَقَالَ رَبُّكُمُ ٱدۡعُونِيٓ أَسۡتَجِبۡ لَكُمۡۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَسۡتَكۡبِرُونَ عَنۡ عِبَادَتِي سَيَدۡخُلُونَ جَهَنَّمَ دَاخِرِينَ
Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َfobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلَّيۡلَ لِتَسۡكُنُواْ فِيهِ وَٱلنَّهَارَ مُبۡصِرًاۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَشۡكُرُونَ
Allah no nanao ny alina ho anareo mba hialanareo sasatra mandritra izany, ary ny andro mba hahitanareo mazava tsara. Allah no tompom-pahasoavana ho an’ny olombelona, saingy ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mahay mankasitraka.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖ لَّآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ فَأَنَّىٰ تُؤۡفَكُونَ
Toy izany I Allah Tomponareo, Ilay mpahary ny zava-drehetra. Tsy misy zanahary hafa ankoatra Azy. Ka nahoana áry ianareo no miala amin’ny lalana mahitsy?
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
كَذَٰلِكَ يُؤۡفَكُ ٱلَّذِينَ كَانُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ يَجۡحَدُونَ
Toy izany no nampivily lalana an’ireo nandà ny famantarana avy amin’I Allah.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ قَرَارٗا وَٱلسَّمَآءَ بِنَآءٗ وَصَوَّرَكُمۡ فَأَحۡسَنَ صُوَرَكُمۡ وَرَزَقَكُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡۖ فَتَبَارَكَ ٱللَّهُ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Fa I Allah no nanome anareo ny tany ho toeram-ponenana, ary ny lanitra ho tafo, nanome endrika anareo Izy, ary akory moa ny hatsaram-bika nomeny anareo! Nanome anjaram-pivelomana tsara ho anareo ihany koa Izy. Izany no Allah Tomponareo, ka voninahitra anie ho Azy, Tompon’izao tontolo izao.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
هُوَ ٱلۡحَيُّ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ فَٱدۡعُوهُ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَۗ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Izy no Ilay velona. Tsy misy zanahary afa-tsy Izy ihany. Mangataha Aminy àry ianareo, ary atokany ho Azy irery ihany ny finoana. Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
۞ قُلۡ إِنِّي نُهِيتُ أَنۡ أَعۡبُدَ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَمَّا جَآءَنِيَ ٱلۡبَيِّنَٰتُ مِن رَّبِّي وَأُمِرۡتُ أَنۡ أُسۡلِمَ لِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Lazao hoe : “ Efa nandrarana ahy, hatramin’ny nahatongavan’ireo porofo avy tamin’ny Tompoko, ny hanompo izay italahoanareo ankoatra an’I Allah, ary nodidiana hankato ny Tompon’izao tontolo izao aho ”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: ጋፊር
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት