Check out the new design

《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 * - 译解目录


含义的翻译 章: 艾菲拉   段:
إِنَّ ٱلسَّاعَةَ لَأٓتِيَةٞ لَّا رَيۡبَ فِيهَا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يُؤۡمِنُونَ
Hamafisina, fa ho avy tokoa ilay ora, tsy misy hisalasalana ny amin’izany, nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
阿拉伯语经注:
وَقَالَ رَبُّكُمُ ٱدۡعُونِيٓ أَسۡتَجِبۡ لَكُمۡۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَسۡتَكۡبِرُونَ عَنۡ عِبَادَتِي سَيَدۡخُلُونَ جَهَنَّمَ دَاخِرِينَ
Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َfobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka.
阿拉伯语经注:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلَّيۡلَ لِتَسۡكُنُواْ فِيهِ وَٱلنَّهَارَ مُبۡصِرًاۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَشۡكُرُونَ
Allah no nanao ny alina ho anareo mba hialanareo sasatra mandritra izany, ary ny andro mba hahitanareo mazava tsara. Allah no tompom-pahasoavana ho an’ny olombelona, saingy ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mahay mankasitraka.
阿拉伯语经注:
ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖ لَّآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ فَأَنَّىٰ تُؤۡفَكُونَ
Toy izany I Allah Tomponareo, Ilay mpahary ny zava-drehetra. Tsy misy zanahary hafa ankoatra Azy. Ka nahoana áry ianareo no miala amin’ny lalana mahitsy?
阿拉伯语经注:
كَذَٰلِكَ يُؤۡفَكُ ٱلَّذِينَ كَانُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ يَجۡحَدُونَ
Toy izany no nampivily lalana an’ireo nandà ny famantarana avy amin’I Allah.
阿拉伯语经注:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ قَرَارٗا وَٱلسَّمَآءَ بِنَآءٗ وَصَوَّرَكُمۡ فَأَحۡسَنَ صُوَرَكُمۡ وَرَزَقَكُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡۖ فَتَبَارَكَ ٱللَّهُ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Fa I Allah no nanome anareo ny tany ho toeram-ponenana, ary ny lanitra ho tafo, nanome endrika anareo Izy, ary akory moa ny hatsaram-bika nomeny anareo! Nanome anjaram-pivelomana tsara ho anareo ihany koa Izy. Izany no Allah Tomponareo, ka voninahitra anie ho Azy, Tompon’izao tontolo izao.
阿拉伯语经注:
هُوَ ٱلۡحَيُّ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ فَٱدۡعُوهُ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَۗ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Izy no Ilay velona. Tsy misy zanahary afa-tsy Izy ihany. Mangataha Aminy àry ianareo, ary atokany ho Azy irery ihany ny finoana. Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !
阿拉伯语经注:
۞ قُلۡ إِنِّي نُهِيتُ أَنۡ أَعۡبُدَ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَمَّا جَآءَنِيَ ٱلۡبَيِّنَٰتُ مِن رَّبِّي وَأُمِرۡتُ أَنۡ أُسۡلِمَ لِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Lazao hoe : “ Efa nandrarana ahy, hatramin’ny nahatongavan’ireo porofo avy tamin’ny Tompoko, ny hanompo izay italahoanareo ankoatra an’I Allah, ary nodidiana hankato ny Tompon’izao tontolo izao aho ”.
阿拉伯语经注:
 
含义的翻译 章: 艾菲拉
章节目录 页码
 
《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 - 译解目录

由拉瓦德翻译中心团队与拉布瓦 الدعوة协会和伊斯兰内容服务协会合作翻译。

关闭