Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হিজৰ   আয়াত:

Al-hijr

الٓرۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ وَقُرۡءَانٖ مُّبِينٖ
ALIF, LAM, RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
رُّبَمَا يَوَدُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَوۡ كَانُواْ مُسۡلِمِينَ
(Amin'ny Andro fitsarana farany), ireo tsy mpino dia haniry ho mpanetry tena (mpankato).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ذَرۡهُمۡ يَأۡكُلُواْ وَيَتَمَتَّعُواْ وَيُلۡهِهِمُ ٱلۡأَمَلُۖ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ
Avelao izy ireo hisakafo, hifaly, ary hovariana amin’ny fanantenana, fa tsy ho ela izy ireo dia ahafantatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَآ أَهۡلَكۡنَا مِن قَرۡيَةٍ إِلَّا وَلَهَا كِتَابٞ مَّعۡلُومٞ
Nefa Izahay dia tsy mandrava tanàna, raha tsy efa nisy raki-tsoratra voalaza mazava (momba izany).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَّا تَسۡبِقُ مِنۡ أُمَّةٍ أَجَلَهَا وَمَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ
Tsy misy vondron’Olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِي نُزِّلَ عَلَيۡهِ ٱلذِّكۡرُ إِنَّكَ لَمَجۡنُونٞ
Ary niteny izy ireo (ireo mponin’ny Makka) ka nanao hoe : “ O Ianao izay nampidinana ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), tena adala tokoa Ianao !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّوۡمَا تَأۡتِينَا بِٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Nahoana Ianao no tsy tonga Taminay niaraka tamin’ireo Anjely, raha isan’ireo Olo-marina tokoa Ianao ? ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَا نُنَزِّلُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ إِلَّا بِٱلۡحَقِّ وَمَا كَانُوٓاْ إِذٗا مُّنظَرِينَ
Tsy mampidina ireo Anjely Izahay raha tsy miaraka amin’ny fahamarinana, ary tsy omena fe-potoana ela intsony izy ireo (ireo tsy mpino).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّا نَحۡنُ نَزَّلۡنَا ٱلذِّكۡرَ وَإِنَّا لَهُۥ لَحَٰفِظُونَ
Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ فِي شِيَعِ ٱلۡأَوَّلِينَ
Marina fa Izahay dia efa nandefa Iraka talohanao tamin’ireo vahoaka teo aloha.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا يَأۡتِيهِم مِّن رَّسُولٍ إِلَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Nefa mbola tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy nohesoiny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَذَٰلِكَ نَسۡلُكُهُۥ فِي قُلُوبِ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Tahaka izany no nampidiranay ny tsy finoana tao am-pon’ireo mpanao heloka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَا يُؤۡمِنُونَ بِهِۦ وَقَدۡ خَلَتۡ سُنَّةُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Tsy hino Azy izy ireo (Iraka na Koroâny), na dia tanteraka tamin’izy ireo ny fahitana izay (nanjò ny Razambeny) teo aloha.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَوۡ فَتَحۡنَا عَلَيۡهِم بَابٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ فَظَلُّواْ فِيهِ يَعۡرُجُونَ
Na dia hosokafanay amin’izy ireo aza ny varavaran’ny lanitra, ka afaka hiakatra ao izy ireo,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَقَالُوٓاْ إِنَّمَا سُكِّرَتۡ أَبۡصَٰرُنَا بَلۡ نَحۡنُ قَوۡمٞ مَّسۡحُورُونَ
Dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tena tampina tokoa ny masonay, na, raha ny marina, dia tena voan’ny famosaviana izahay ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হিজৰ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ