Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হিজৰ   আয়াত:
قَالَ هَٰٓؤُلَآءِ بَنَاتِيٓ إِن كُنتُمۡ فَٰعِلِينَ
Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Indro ireo Zanako vavy ! Raha misy zavatra tianareo hatao !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَعَمۡرُكَ إِنَّهُمۡ لَفِي سَكۡرَتِهِمۡ يَعۡمَهُونَ
Mianiana amin’ny fiainanao (Aho) fa nikorontan-tsaina izy ireo tao anaty firediredeny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّيۡحَةُ مُشۡرِقِينَ
Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny fiposahan’ny masoandro.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَجَعَلۡنَا عَٰلِيَهَا سَافِلَهَا وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهِمۡ حِجَارَةٗ مِّن سِجِّيلٍ
Ary navadikay ambony sy ambany (ny tanàna), ary narotsakay nifanesisesy tamin’izy ireo (tahaka ny orana) ny vato avy amin’ny tany manga.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّلۡمُتَوَسِّمِينَ
Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo izay mahay mandinika.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنَّهَا لَبِسَبِيلٖ مُّقِيمٍ
Izy io (io tanàna io) dia tena eo amin’ny làlana izay fantatry ny maro.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ
Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِن كَانَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡأَيۡكَةِ لَظَٰلِمِينَ
Ary ireo mponin’ny Al-Aykat dia mpanao ny tsy rariny (ihany koa).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱنتَقَمۡنَا مِنۡهُمۡ وَإِنَّهُمَا لَبِإِمَامٖ مُّبِينٖ
Dia namaly azy ireo tamin’ny sazy Izahay, ary tena marina fa ireo (tanàna) Roa ireo dia teo amin’ny làlana mazava tsara.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ كَذَّبَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡحِجۡرِ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Marina fa ireo mponin’ny Al-hijr dia efa nilaza fa mpandainga ireo Iraka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَءَاتَيۡنَٰهُمۡ ءَايَٰتِنَا فَكَانُواْ عَنۡهَا مُعۡرِضِينَ
Ary nasehonay tamin’izy ireo ny fahagagana avy Aminay nefa nitodi-damosina ihany izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَكَانُواْ يَنۡحِتُونَ مِنَ ٱلۡجِبَالِ بُيُوتًا ءَامِنِينَ
Ary nandavaka ny tendrombohitra mba hanaovana trano ka niaina tamim-pilaminana izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّيۡحَةُ مُصۡبِحِينَ
Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny maraina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَمَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Ka tsy nahazoan’izy ireo tombontsoa izay azony.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا خَلَقۡنَا ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَآ إِلَّا بِٱلۡحَقِّۗ وَإِنَّ ٱلسَّاعَةَ لَأٓتِيَةٞۖ فَٱصۡفَحِ ٱلصَّفۡحَ ٱلۡجَمِيلَ
Ary tsy nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay nanelanelana azy Roa ireo Izahay raha tsy tamim-pahamarinana. Ary tena ho avy tokoa ny ora ! Koa aoka hamela heloka (azy ireo) Ianao amin’ny famelana tsara.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ رَبَّكَ هُوَ ٱلۡخَلَّٰقُ ٱلۡعَلِيمُ
Tena marina fa ny Tomponao, dia ilay Mpahary Lehibe, ilay Mpahalala ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَٰكَ سَبۡعٗا مِّنَ ٱلۡمَثَانِي وَٱلۡقُرۡءَانَ ٱلۡعَظِيمَ
Efa nomenay Anao tokoa “ Ireo Andininy fito[92] Averimberina (vakiana) ” ary koa ilay Vakiteny lehibe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَا تَمُدَّنَّ عَيۡنَيۡكَ إِلَىٰ مَا مَتَّعۡنَا بِهِۦٓ أَزۡوَٰجٗا مِّنۡهُمۡ وَلَا تَحۡزَنۡ عَلَيۡهِمۡ وَٱخۡفِضۡ جَنَاحَكَ لِلۡمُؤۡمِنِينَ
Aza jerena am-pitsiriritana ireo zavatra izay nanomezanay fifaliana miserana ho an’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo. Ary aza malahelo ny momba azy ireo Ianao. Ary ampidino amin’ireo mpino ny fangorahanao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقُلۡ إِنِّيٓ أَنَا ٱلنَّذِيرُ ٱلۡمُبِينُ
Ary lazao hoe : “ Marina fa Izaho no ilay Mpampitandrina Miharihary ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَمَآ أَنزَلۡنَا عَلَى ٱلۡمُقۡتَسِمِينَ
Tahaka ny nampidinanay (ny sazy) tamin’ireo izay tsy nino (tsy hanaraka ny Mpaminany).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হিজৰ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ