Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-ক্বাচাচ   আয়াত:
وَنُمَكِّنَ لَهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَنُرِيَ فِرۡعَوۡنَ وَهَٰمَٰنَ وَجُنُودَهُمَا مِنۡهُم مَّا كَانُواْ يَحۡذَرُونَ
Ary ho manam-pahefana izy ireo eto an-tany, ary hasehonay amin’i Faraona, amin’i Hamàna ary amin’ny miaramilan’izy roa, amin’ny alalan’izy ireo (zanak’Israely), izay natahoran’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰٓ أُمِّ مُوسَىٰٓ أَنۡ أَرۡضِعِيهِۖ فَإِذَا خِفۡتِ عَلَيۡهِ فَأَلۡقِيهِ فِي ٱلۡيَمِّ وَلَا تَخَافِي وَلَا تَحۡزَنِيٓۖ إِنَّا رَآدُّوهُ إِلَيۡكِ وَجَاعِلُوهُ مِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary nandefasanay hafatra ny renin’i Mosesy hoe : “Ampinonoy izy. Ary raha matahotra ny aminy ianao, dia alatsaho anaty renirano izy. Ary aza matahotra sy malahelo ianao ; tena marina fa Izahay dia hamerina azy eo aminao, ary hanao azy ho anisan’ireo Iraka”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱلۡتَقَطَهُۥٓ ءَالُ فِرۡعَوۡنَ لِيَكُونَ لَهُمۡ عَدُوّٗا وَحَزَنًاۗ إِنَّ فِرۡعَوۡنَ وَهَٰمَٰنَ وَجُنُودَهُمَا كَانُواْ خَٰطِـِٔينَ
Ary noraisin’ireo fianakavian’i Faraona izy, mba ho lasa fahavalo sy (ho loharanon’ny) alahelo ho azy ireo ! Marina fa i Faraona, Hamàna ary ireo miaramilany dia nanam-pahadisoana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَتِ ٱمۡرَأَتُ فِرۡعَوۡنَ قُرَّتُ عَيۡنٖ لِّي وَلَكَۖ لَا تَقۡتُلُوهُ عَسَىٰٓ أَن يَنفَعَنَآ أَوۡ نَتَّخِذَهُۥ وَلَدٗا وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Ary niteny ny vadin’ny Faraona hoe : “(Ity zaza ity) dia fahafinaretan’ny masoko sy ny anao ! Aza vonoinareo izy. Angamba hitondra voka-tsoa ho antsika na ho raisintsika ho zanaka izy”. Ary tsy nahatsapa na inona na inona izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَصۡبَحَ فُؤَادُ أُمِّ مُوسَىٰ فَٰرِغًاۖ إِن كَادَتۡ لَتُبۡدِي بِهِۦ لَوۡلَآ أَن رَّبَطۡنَا عَلَىٰ قَلۡبِهَا لِتَكُونَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Lasa foana ny fon’ny renin’i Mosesy, saika haharihariny avokoa ny momba azy, raha tsy nohamafisinay ny fony, mba ho anisan’ireo mpino izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَتۡ لِأُخۡتِهِۦ قُصِّيهِۖ فَبَصُرَتۡ بِهِۦ عَن جُنُبٖ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Ary niteny tamin’ny anabaviny izy hoe : “Araho izy”, ka tazany avy lavitra izy, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa akory.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَحَرَّمۡنَا عَلَيۡهِ ٱلۡمَرَاضِعَ مِن قَبۡلُ فَقَالَتۡ هَلۡ أَدُلُّكُمۡ عَلَىٰٓ أَهۡلِ بَيۡتٖ يَكۡفُلُونَهُۥ لَكُمۡ وَهُمۡ لَهُۥ نَٰصِحُونَ
Ary noraranay taminy hatreto ireo mpampinono. Dia niteny izy hoe : “Moa ve sitrakareo ny hanoroako anareo ny fianakavian’ny trano iray, izay afaka hiandraikitra azy ho anareo sady hanoro hevitra tsara ho azy ?”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَرَدَدۡنَٰهُ إِلَىٰٓ أُمِّهِۦ كَيۡ تَقَرَّ عَيۡنُهَا وَلَا تَحۡزَنَ وَلِتَعۡلَمَ أَنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary dia naverinay tany amin’ny reniny izy, mba hamalifaly ny masony, sy tsy hampalahelo azy, ary mba ahafantarany fa ny fampanantenan’I Allah dia marina tokoa. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-ক্বাচাচ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ