Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-জ্বিন   আয়াত:
وَأَنَّا مِنَّا ٱلۡمُسۡلِمُونَ وَمِنَّا ٱلۡقَٰسِطُونَۖ فَمَنۡ أَسۡلَمَ فَأُوْلَٰٓئِكَ تَحَرَّوۡاْ رَشَدٗا
Ary nankato an'I Allah tokoa ny sasany taminay ary tsy nankato kosa ny sasany taminay. Ary ireo izay nankato an'I Allah, izy ireo no mikatsaka ny lalana marina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَمَّا ٱلۡقَٰسِطُونَ فَكَانُواْ لِجَهَنَّمَ حَطَبٗا
Ary ho an'ireo izay niala ny lala-marina dia izy ireo no ho akora fandrehitra any amin'ny afobe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَلَّوِ ٱسۡتَقَٰمُواْ عَلَى ٱلطَّرِيقَةِ لَأَسۡقَيۡنَٰهُم مَّآءً غَدَقٗا
Ary raha mijanona amin'ny lalana mahitsy izy ireo dia hanome rano fisotro betsaka ho azy ireo tokoa izahay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لِّنَفۡتِنَهُمۡ فِيهِۚ وَمَن يُعۡرِضۡ عَن ذِكۡرِ رَبِّهِۦ يَسۡلُكۡهُ عَذَابٗا صَعَدٗا
Ho fisedrana azy ireo ao. Ary izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy amin’ny Tompony, dia hotarihiny any amin’ny famaizana mihamafy hatrany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَنَّ ٱلۡمَسَٰجِدَ لِلَّهِ فَلَا تَدۡعُواْ مَعَ ٱللَّهِ أَحَدٗا
Fa an’Allah ireo toerana fiankohofana (mosquée), koa aoka àry ianareo tsy hiantso na iza na iza ankoatra an’Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَنَّهُۥ لَمَّا قَامَ عَبۡدُ ٱللَّهِ يَدۡعُوهُ كَادُواْ يَكُونُونَ عَلَيۡهِ لِبَدٗا
Ary rehefa mijoro hiantso Azy ny mpanompon'I Allah dia saika hanao tambabe taminy izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ إِنَّمَآ أَدۡعُواْ رَبِّي وَلَآ أُشۡرِكُ بِهِۦٓ أَحَدٗا
Lazao hoe : "Ny Tompoko irery ihany no antsoiko ary tsy hampifangaro na iza na iza Aminy aho."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ إِنِّي لَآ أَمۡلِكُ لَكُمۡ ضَرّٗا وَلَا رَشَدٗا
Lazao hoe : "Tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanasoa anareo mihitsy aho."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ إِنِّي لَن يُجِيرَنِي مِنَ ٱللَّهِ أَحَدٞ وَلَنۡ أَجِدَ مِن دُونِهِۦ مُلۡتَحَدًا
Lazao hoe : "Tsy misy afaka hiaro ahy amin'I Allah mihitsy ary tsy afaka ny hahita fialofana hafa ankoatra Azy ihany koa aho."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَّا بَلَٰغٗا مِّنَ ٱللَّهِ وَرِسَٰلَٰتِهِۦۚ وَمَن يَعۡصِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَإِنَّ لَهُۥ نَارَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدًا
Ny fampitana ny fanambarana avy amin'i Tompo Allah ho anareo ihany no andraikitro, toy izany koa ireo hafatra avy Aminy. Ary ho an'ireo izay tsy mankatoa an'I Allah sy ny Iraka avy Aminy dia ao ny afon'ny helo izay honenan'izy ireo mandrakizay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
حَتَّىٰٓ إِذَا رَأَوۡاْ مَا يُوعَدُونَ فَسَيَعۡلَمُونَ مَنۡ أَضۡعَفُ نَاصِرٗا وَأَقَلُّ عَدَدٗا
Hanohy tsy hino izy ireo mandra-pahitany izay nampanantenana azy ireo, ary tsy ho ela dia fantatr'izy ireo hoe iza no tena osa eo amin'ny fanampiana, ary iza ireo vitsy an'isa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ إِنۡ أَدۡرِيٓ أَقَرِيبٞ مَّا تُوعَدُونَ أَمۡ يَجۡعَلُ لَهُۥ رَبِّيٓ أَمَدًا
Lazao hoe : "Tsy fantatro na efa atomotra izany nampanantenana anareo izany, na namaritra fetr'andro lavitra ho an'izany ny Tompoko."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ فَلَا يُظۡهِرُ عَلَىٰ غَيۡبِهِۦٓ أَحَدًا
Izy no mpahalala ny tsy hita maso, ary tsy manambara ireo tsiambaratelony amin'iza na iza Izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَّا مَنِ ٱرۡتَضَىٰ مِن رَّسُولٖ فَإِنَّهُۥ يَسۡلُكُ مِنۢ بَيۡنِ يَدَيۡهِ وَمِنۡ خَلۡفِهِۦ رَصَدٗا
Afa-tsy amin'izay finidiny amin'ireo Iraka avy Aminy ary dia nasiany mpiaro mandeha tokoa eo anoloany sy ao aoriany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لِّيَعۡلَمَ أَن قَدۡ أَبۡلَغُواْ رِسَٰلَٰتِ رَبِّهِمۡ وَأَحَاطَ بِمَا لَدَيۡهِمۡ وَأَحۡصَىٰ كُلَّ شَيۡءٍ عَدَدَۢا
Mba ahafantarany fa mampita ireo hafatra avy amin'ny Tompony ireo Iraka avy Aminy. Ary miaro ireo rehetra miaraka Aminy Izy no sady mandrakitra ny zava-drehetra koa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-জ্বিন
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ