Check out the new design

কুরআনুল কারীমের অর্থসমূহের অনুবাদ - মালাগাসি ভাষায় অনুবাদ - মারকায রুওয়াদুদ তরজমা * - অনুবাদসমূহের সূচী


অর্থসমূহের অনুবাদ সূরা: ফাতির   আয়াত:
وَمَا يَسۡتَوِي ٱلۡبَحۡرَانِ هَٰذَا عَذۡبٞ فُرَاتٞ سَآئِغٞ شَرَابُهُۥ وَهَٰذَا مِلۡحٌ أُجَاجٞۖ وَمِن كُلّٖ تَأۡكُلُونَ لَحۡمٗا طَرِيّٗا وَتَسۡتَخۡرِجُونَ حِلۡيَةٗ تَلۡبَسُونَهَاۖ وَتَرَى ٱلۡفُلۡكَ فِيهِ مَوَاخِرَ لِتَبۡتَغُواْ مِن فَضۡلِهِۦ وَلَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Tsy mitovy ireo ranomasina roa: ny ranon’ny andaniny azo sotroina, mamy sy mora atelina, ary ny ranon’ny ankilany kosa masira sy mangidy. Nefa dia samy akanareo nofo tsara fihinana izy ireo, ary akanareo haingo itafianareo. Hitanao ny sambo mirondrona mamakivaky ny rano, mba hitadiavanareo ny ampaham-pahasoavany, ka hankasitrahanareo.
আরবি তাফসীরসমূহ:
يُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَيُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِ وَسَخَّرَ ٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ كُلّٞ يَجۡرِي لِأَجَلٖ مُّسَمّٗىۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ لَهُ ٱلۡمُلۡكُۚ وَٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ مَا يَمۡلِكُونَ مِن قِطۡمِيرٍ
Ataony misosoka amin’ny andro ny alina, ary ny andro ataony misosoka amin’ny alina. Nofeheziny ny masoandro sy ny volana, samy mandeha amin’ny tanjony voafaritra avy izy ireo. Izany Allah Ilay Tomponareo, Azy ny fanjakana, fa ireo izay antsoinareo ankoatrany kosa, dia tsy tompon’ny voan’antrendry iray akory.
আরবি তাফসীরসমূহ:
إِن تَدۡعُوهُمۡ لَا يَسۡمَعُواْ دُعَآءَكُمۡ وَلَوۡ سَمِعُواْ مَا ٱسۡتَجَابُواْ لَكُمۡۖ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يَكۡفُرُونَ بِشِرۡكِكُمۡۚ وَلَا يُنَبِّئُكَ مِثۡلُ خَبِيرٖ
Raha antsoinareo izy ireo, dia tsy handre ny antsonareo akory; ary na mandre aza, dia tsy afaka hamaly anareo. Amin’ny andro fitsanganana, dia ho lavin’izy ireo ny fampitambaranareo azy (amin’i Allah). Tsy misy afaka manome vaovao anao mitovy amin’izay mahafantatra tsara.
আরবি তাফসীরসমূহ:
۞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ أَنتُمُ ٱلۡفُقَرَآءُ إِلَى ٱللَّهِۖ وَٱللَّهُ هُوَ ٱلۡغَنِيُّ ٱلۡحَمِيدُ
Ry olombelona! Mahantra mila an’i Allah ianareo, fa Allah kosa, Izy no Tompon’ny harena, Ilay mendri-piderana.
আরবি তাফসীরসমূহ:
إِن يَشَأۡ يُذۡهِبۡكُمۡ وَيَأۡتِ بِخَلۡقٖ جَدِيدٖ
Raha sitrany, dia ho naringany ianareo, ka namboatra zava-boahary vaovao indray Izy.
আরবি তাফসীরসমূহ:
وَمَا ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ بِعَزِيزٖ
Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany.
আরবি তাফসীরসমূহ:
وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٞ وِزۡرَ أُخۡرَىٰۚ وَإِن تَدۡعُ مُثۡقَلَةٌ إِلَىٰ حِمۡلِهَا لَا يُحۡمَلۡ مِنۡهُ شَيۡءٞ وَلَوۡ كَانَ ذَا قُرۡبَىٰٓۗ إِنَّمَا تُنذِرُ ٱلَّذِينَ يَخۡشَوۡنَ رَبَّهُم بِٱلۡغَيۡبِ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَۚ وَمَن تَزَكَّىٰ فَإِنَّمَا يَتَزَكَّىٰ لِنَفۡسِهِۦۚ وَإِلَى ٱللَّهِ ٱلۡمَصِيرُ
Tsy hisy anefa hizaka ny enta-mavesatry ny hafa. Ary raha misy olona vesaram-pahotana mangataka fanampiana, dia tsy misy olon-kafa hitondra ny fahotany mihitsy, na dia ny havana akaiky aza. Ireo matahotra ny Tompony ihany no ampitandremanao, na dia tsy mahita Azy aza izy ireo, ary manatanteraka ny vavaka soalat. Ary izay midio, dia midio ho an’ny tenany ihany, fa any amin’i Allah no fiafarana.
আরবি তাফসীরসমূহ:
 
অর্থসমূহের অনুবাদ সূরা: ফাতির
সূরাসমূহের সূচী পৃষ্ঠার নাম্বার
 
কুরআনুল কারীমের অর্থসমূহের অনুবাদ - মালাগাসি ভাষায় অনুবাদ - মারকায রুওয়াদুদ তরজমা - অনুবাদসমূহের সূচী

রাবওয়ার দাওয়াহ সেন্টার এবং জমইয়্যাতু খিদমাতিল মুহতাওয়াল ইসলামী বিললুগাতের সহযোগিতায় মারকায রুওয়াদুদ তরজমার একদল আলেমের দ্বারা অনূদিত।

বন্ধ