Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: El-Bekara   Ajet:
ٱلَّذِينَ ءَاتَيۡنَٰهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ يَعۡرِفُونَهُۥ كَمَا يَعۡرِفُونَ أَبۡنَآءَهُمۡۖ وَإِنَّ فَرِيقٗا مِّنۡهُمۡ لَيَكۡتُمُونَ ٱلۡحَقَّ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ
Ireo izay notoloranay ny Boky, dia mahalala an’izany tahaka ny fahalalan’izy ireo ny zanany. Ary tena marina fa misy andiany amin’izy ireo no tena manafina ny marina, kanefa mahafantatra tsara izany izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُمۡتَرِينَ
Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy ho anisan’ireo mpisalasala ianao.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَلِكُلّٖ وِجۡهَةٌ هُوَ مُوَلِّيهَاۖ فَٱسۡتَبِقُواْ ٱلۡخَيۡرَٰتِۚ أَيۡنَ مَا تَكُونُواْ يَأۡتِ بِكُمُ ٱللَّهُ جَمِيعًاۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Ny tsirairay dia samy manana ny zotra izay hitodihany. Mifaninàna àry ianareo amin’ireo asa soa. n’aiza n’aiza no misy anareo dia havorin’Allah any Aminy ianareo rehetra. tena marina fa Allah dia Mahefa ny zavatra rehetra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَمِنۡ حَيۡثُ خَرَجۡتَ فَوَلِّ وَجۡهَكَ شَطۡرَ ٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِۖ وَإِنَّهُۥ لَلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ
Ary n’aiza n’aiza ivoahanao, dia atodiho any amin’ny Al-Masjid Al-Haram ny tavanao. ary tena marina fa izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao. ary Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra ataonareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَمِنۡ حَيۡثُ خَرَجۡتَ فَوَلِّ وَجۡهَكَ شَطۡرَ ٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِۚ وَحَيۡثُ مَا كُنتُمۡ فَوَلُّواْ وُجُوهَكُمۡ شَطۡرَهُۥ لِئَلَّا يَكُونَ لِلنَّاسِ عَلَيۡكُمۡ حُجَّةٌ إِلَّا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ مِنۡهُمۡ فَلَا تَخۡشَوۡهُمۡ وَٱخۡشَوۡنِي وَلِأُتِمَّ نِعۡمَتِي عَلَيۡكُمۡ وَلَعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ
Ary n’aiza n’aiza ny toerana ivoahanao, dia atodiho any amin’ny Al-Masjid Al-Haram ny tavanao. Ary n’aiza n’aiza ny toerana misy anareo, dia atodiho any aminy ny tavanareo, mba tsy hananan’ny olona porofo entina hanoherana anareo, afa-tsy ireo izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo. ka aza matahotra azy ireo ianareo, fa Izaho no atahory, mba hamenoako ny fahasoavako aminareo, ary angamba hahitsy tanteraka ianareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
كَمَآ أَرۡسَلۡنَا فِيكُمۡ رَسُولٗا مِّنكُمۡ يَتۡلُواْ عَلَيۡكُمۡ ءَايَٰتِنَا وَيُزَكِّيكُمۡ وَيُعَلِّمُكُمُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَيُعَلِّمُكُم مَّا لَمۡ تَكُونُواْ تَعۡلَمُونَ
Toy izany koa, nandefa Iraka aminareo izay avy aminareo ihany Izahay mba hamaky aminareo ireo fanambaranay, sy hanadio anareo, ary hampianatra anareo ny Boky sy ny fahendrena, ary hampianatra anareo izay mbola tsy fantatrareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَٱذۡكُرُونِيٓ أَذۡكُرۡكُمۡ وَٱشۡكُرُواْ لِي وَلَا تَكۡفُرُونِ
Ka tsarovinareo àry Aho, dia hotsaroako ianareo. ary isaoranareo Aho, ary aoka tsy hikomy Amiko ianareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱسۡتَعِينُواْ بِٱلصَّبۡرِ وَٱلصَّلَوٰةِۚ إِنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلصَّٰبِرِينَ
o ianareo mpino, mangataha famonjena amin’ny alàlan’ny faharetana sy ny vavaka Soalat ianareo. Tena marina fa Allah dia miaraka mandrakariva amin’ireo manam-paharetana.
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: El-Bekara
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje