Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: En-Neml   Ajet:

An-naml

طسٓۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡقُرۡءَانِ وَكِتَابٖ مُّبِينٍ
Twa, Sin. Indro ireo andinin’ny Kor’any, sy ny Boky mazava.
Tefsiri na arapskom jeziku:
هُدٗى وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُؤۡمِنِينَ
Tari-dalana sy vaovao tsara ho an’ireo mpino.
Tefsiri na arapskom jeziku:
ٱلَّذِينَ يُقِيمُونَ ٱلصَّلَوٰةَ وَيُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ يُوقِنُونَ
Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any ankoatra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ زَيَّنَّا لَهُمۡ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَهُمۡ يَعۡمَهُونَ
Hamafisina, fa ireo izay tsy mino ny any ankoatra kosa, dia hatsarainay (eo imason’izy ireo) ny asany, ka ho sahiran-tsaina sy hisalasala izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ لَهُمۡ سُوٓءُ ٱلۡعَذَابِ وَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ هُمُ ٱلۡأَخۡسَرُونَ
Izy ireo dia ahazo ny sazy ratsy indrindra, ary ho maty antoka indrindra any ankoatra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَإِنَّكَ لَتُلَقَّى ٱلۡقُرۡءَانَ مِن لَّدُنۡ حَكِيمٍ عَلِيمٍ
Hamafisina fa ianao no mandray ny Koroany avy amin’Ilay be Fahendrena indrinra, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِذۡ قَالَ مُوسَىٰ لِأَهۡلِهِۦٓ إِنِّيٓ ءَانَسۡتُ نَارٗا سَـَٔاتِيكُم مِّنۡهَا بِخَبَرٍ أَوۡ ءَاتِيكُم بِشِهَابٖ قَبَسٖ لَّعَلَّكُمۡ تَصۡطَلُونَ
(Tsarovy) Raha niteny tamin’ny fianakaviany i Mosesy (Mosa) hoe : “Nahatazana afo aho ka hitondrako vaovao avy amin’izany ianareo, na koa hitondrako tapa-porohana mirehitra mba hakanareo hafanana”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَلَمَّا جَآءَهَا نُودِيَ أَنۢ بُورِكَ مَن فِي ٱلنَّارِ وَمَنۡ حَوۡلَهَا وَسُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Nony tonga teny izy, dia nantsoina : “Masina anie, ilay ao anatin’ny afo, sy izay manodidina azy, ary voninahitra ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
يَٰمُوسَىٰٓ إِنَّهُۥٓ أَنَا ٱللَّهُ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
“Ry Mosesy ! Izaho no Tompo Zanahary, Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَلۡقِ عَصَاكَۚ فَلَمَّا رَءَاهَا تَهۡتَزُّ كَأَنَّهَا جَآنّٞ وَلَّىٰ مُدۡبِرٗا وَلَمۡ يُعَقِّبۡۚ يَٰمُوسَىٰ لَا تَخَفۡ إِنِّي لَا يَخَافُ لَدَيَّ ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Ary atsipazo ny tehinao. Raha nahita azy mihetsika toy ny bibilava izy, dia nandositra tsy hiverina. “Ry Mosesy! Aza matahotra ianao, fa tsy matahotra velively ireo Iraka eto anatrehako.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِلَّا مَن ظَلَمَ ثُمَّ بَدَّلَ حُسۡنَۢا بَعۡدَ سُوٓءٖ فَإِنِّي غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Afa-tsy izay nanao ny tsy rariny, sy nanakalo ny tsara amin’ny ratsy. Fa Mpamela heloka sy be Indrafo Aho!
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَدۡخِلۡ يَدَكَ فِي جَيۡبِكَ تَخۡرُجۡ بَيۡضَآءَ مِنۡ غَيۡرِ سُوٓءٖۖ فِي تِسۡعِ ءَايَٰتٍ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَقَوۡمِهِۦٓۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَوۡمٗا فَٰسِقِينَ
“Ary ampidiro ao anaty paosinao (ambony) ny tananao. Hivoaka fotsy izany, tsy misy zava-dratsy na anankiray amin’ireo fahagagana sivy, ho an’i Faraona sy ny vahoakany izany, fa olona ratsy fanahy tokoa izy ireo”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَلَمَّا جَآءَتۡهُمۡ ءَايَٰتُنَا مُبۡصِرَةٗ قَالُواْ هَٰذَا سِحۡرٞ مُّبِينٞ
Ary nony tonga tamin’izy ireo ny fahagagana avy taminay, izay mazava miharihary tokoa, dia hoy izy ireo hoe : “Majika miharihary tokoa io”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَجَحَدُواْ بِهَا وَٱسۡتَيۡقَنَتۡهَآ أَنفُسُهُمۡ ظُلۡمٗا وَعُلُوّٗاۚ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo. Jereo ary ny fiafaran’ireo mpanimba.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا دَاوُۥدَ وَسُلَيۡمَٰنَ عِلۡمٗاۖ وَقَالَا ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي فَضَّلَنَا عَلَىٰ كَثِيرٖ مِّنۡ عِبَادِهِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary nomenay fahalalana tokoa i Davida sy i salomona ary niteny izy ireo hoe : dera ho an’I Allah izay nampisongadina anay manokana amin’ireo mpanompony maro izay mpino.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَوَرِثَ سُلَيۡمَٰنُ دَاوُۥدَۖ وَقَالَ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ عُلِّمۡنَا مَنطِقَ ٱلطَّيۡرِ وَأُوتِينَا مِن كُلِّ شَيۡءٍۖ إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡفَضۡلُ ٱلۡمُبِينُ
Ary nandova an’i Davida i Salomona, ka niteny izy hoe : Oh ry Olombelona ! Nampianarina anay ny fitenin’ireo vorona ; ary nomena anjara izahay amin’ny zava-drehetra. Hamafisina, fa izany no tena fahasoavana miharihary tokoa.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَحُشِرَ لِسُلَيۡمَٰنَ جُنُودُهُۥ مِنَ ٱلۡجِنِّ وَٱلۡإِنسِ وَٱلطَّيۡرِ فَهُمۡ يُوزَعُونَ
Ary navory ho an’i Salomona ireo miaramilany avy amin’ireo jiny sy olombelona ary ireo vorona ka nampilaharina izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
حَتَّىٰٓ إِذَآ أَتَوۡاْ عَلَىٰ وَادِ ٱلنَّمۡلِ قَالَتۡ نَمۡلَةٞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّمۡلُ ٱدۡخُلُواْ مَسَٰكِنَكُمۡ لَا يَحۡطِمَنَّكُمۡ سُلَيۡمَٰنُ وَجُنُودُهُۥ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Ary rehefa tonga tao amin’ny lohasahan’ireo vitsika izy ireo dia nisy vitsika niteny hoe : Ry vitsika ! Midira ao amin’ny fonenanareo ianareo mba tsy hanitsahan’i Salomona sy ireo miaramilany anareo, nefa tsy hahatsapa izany akory izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَتَبَسَّمَ ضَاحِكٗا مِّن قَوۡلِهَا وَقَالَ رَبِّ أَوۡزِعۡنِيٓ أَنۡ أَشۡكُرَ نِعۡمَتَكَ ٱلَّتِيٓ أَنۡعَمۡتَ عَلَيَّ وَعَلَىٰ وَٰلِدَيَّ وَأَنۡ أَعۡمَلَ صَٰلِحٗا تَرۡضَىٰهُ وَأَدۡخِلۡنِي بِرَحۡمَتِكَ فِي عِبَادِكَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Nitsiky izy (Salomona), (faly) tamin’ny teniny ; ary niteny hoe : mamela ahy ianao ry Tompo ! Mba hankasitraka ny fahasoavanao izay nomenao ahy sy ireo ray aman-dreniko ; ary mba hanao asa soa izay ankasitrahanao ; ka ampidiro amin’ny alalan’ny famindram-ponao aho ,ho isan’ireo mpanomponao mendrika.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَتَفَقَّدَ ٱلطَّيۡرَ فَقَالَ مَالِيَ لَآ أَرَى ٱلۡهُدۡهُدَ أَمۡ كَانَ مِنَ ٱلۡغَآئِبِينَ
Avy eo dia nitady ilay vorona izy, ka niteny hoe : nahoana no tsy mba hitako i Railovy, anisan’ireo tsy tonga ve izy?
Tefsiri na arapskom jeziku:
لَأُعَذِّبَنَّهُۥ عَذَابٗا شَدِيدًا أَوۡ لَأَاْذۡبَحَنَّهُۥٓ أَوۡ لَيَأۡتِيَنِّي بِسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٖ
Tena ho faiziko mafy tokoa izy na koa tena ho tapahiko mihitsy ny vozony ! Na izy hitondra porofo mazava tsara amiko.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَمَكَثَ غَيۡرَ بَعِيدٖ فَقَالَ أَحَطتُ بِمَا لَمۡ تُحِطۡ بِهِۦ وَجِئۡتُكَ مِن سَبَإِۭ بِنَبَإٖ يَقِينٍ
Nefa tsy niandry ela akory izy afa-tsy fotoana vitsivitsy fotsiny (dia tonga),ary niteny hoe : mahafantatra izay mbola tsy fantatrao aho ! Ary nitondrako vaovao tena marina ianao avy any Saba (Hoy Railovy tamin’i Salomona).
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنِّي وَجَدتُّ ٱمۡرَأَةٗ تَمۡلِكُهُمۡ وَأُوتِيَتۡ مِن كُلِّ شَيۡءٖ وَلَهَا عَرۡشٌ عَظِيمٞ
Hamafisiko (hoy Railovy), fa izaho dia nahita vehivavy izay tompon’ny fanjakana amin’izy ireo, ary nomena azy daholo ny zava-drehetra ary manana seza fiandrianana lehibe izy.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَجَدتُّهَا وَقَوۡمَهَا يَسۡجُدُونَ لِلشَّمۡسِ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَزَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَصَدَّهُمۡ عَنِ ٱلسَّبِيلِ فَهُمۡ لَا يَهۡتَدُونَ
Hitako izy sy ny vahoakany izay samy niankohoka eo anoloan’ny masoandro fa tsy amin’I Allah. Ary nohatsarain’ny satana ny asan’izy ireo sady naviliny lalana tsy ho amin’ny lala-mahitsy ary tsy nahazo tari-dalana ihany koa izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَلَّاۤ يَسۡجُدُواْۤ لِلَّهِ ٱلَّذِي يُخۡرِجُ ٱلۡخَبۡءَ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَيَعۡلَمُ مَا تُخۡفُونَ وَمَا تُعۡلِنُونَ
Nahoana izy ireo no tsy niankohoka eo anoloan’I Allah izay mamoaka ny (zavatra) miafina eny amin’ireo lanitra sy ny tany sy ilay mahafantatra izay afeninareo ary koa izay asehonareo ?
Tefsiri na arapskom jeziku:
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ رَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ۩
Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Tompon’ny seza fiandrianana lehibe !
Tefsiri na arapskom jeziku:
۞ قَالَ سَنَنظُرُ أَصَدَقۡتَ أَمۡ كُنتَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Niteny izy (Salomona) hoe : ho jerentsika raha (milaza) marina tokoa ianao, na koa anisan’ireo mpandainga.
Tefsiri na arapskom jeziku:
ٱذۡهَب بِّكِتَٰبِي هَٰذَا فَأَلۡقِهۡ إِلَيۡهِمۡ ثُمَّ تَوَلَّ عَنۡهُمۡ فَٱنظُرۡ مَاذَا يَرۡجِعُونَ
Mandehana ary ento ity taratasiko ity. Avy eo dia atsipazo eo amin’izy ireo izany, ary manaraka izany dia misintaha kely amin’izy reo ianao ka jereo ny valin-tenin’izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَتۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَؤُاْ إِنِّيٓ أُلۡقِيَ إِلَيَّ كِتَٰبٞ كَرِيمٌ
Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Misy taratasy iray mihaja izay natoraka teo amiko.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّهُۥ مِن سُلَيۡمَٰنَ وَإِنَّهُۥ بِسۡمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
Tena marina fa avy amin’i Salomona ilay izy. Ary tena misoratra hoe : Amin’ny anaran’I Allah, ilay be fiantrana,Ilay be indrafo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَلَّا تَعۡلُواْ عَلَيَّ وَأۡتُونِي مُسۡلِمِينَ
Aza manambony tena amiko ianareo, koa avia aty amiko amim-panetre-tena tanteraka ianareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَتۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَؤُاْ أَفۡتُونِي فِيٓ أَمۡرِي مَا كُنتُ قَاطِعَةً أَمۡرًا حَتَّىٰ تَشۡهَدُونِ
Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Omeo toro-hevitra aho amin’ity raharaha ity, satria tsy hanapa-kevitra mihitsy aho raha tsy eo anatrehanareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُواْ نَحۡنُ أُوْلُواْ قُوَّةٖ وَأُوْلُواْ بَأۡسٖ شَدِيدٖ وَٱلۡأَمۡرُ إِلَيۡكِ فَٱنظُرِي مَاذَا تَأۡمُرِينَ
Niteny izy ireo (loholona) hoe : manana hery sy tanjaka tsy refesi-mandidy izahay. Fa ny fanapahana kosa dia avy aminao (ry Mpanjaka), koa jereo ary izay baiko tianao hatao (ny fanapahan-kevitra tianao ho raisina).
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَتۡ إِنَّ ٱلۡمُلُوكَ إِذَا دَخَلُواْ قَرۡيَةً أَفۡسَدُوهَا وَجَعَلُوٓاْ أَعِزَّةَ أَهۡلِهَآ أَذِلَّةٗۚ وَكَذَٰلِكَ يَفۡعَلُونَ
Niteny izy hoe : tena marina fa raha miditra ny Tanàna iray ireo mpanjaka dia manao asa fanimbana foana, ary hataony afa-baraka ireo mponina manan-kaja ao aminy. Ary dia toy izany mihitsy no fanaon’izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَإِنِّي مُرۡسِلَةٌ إِلَيۡهِم بِهَدِيَّةٖ فَنَاظِرَةُۢ بِمَ يَرۡجِعُ ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Ary tena handefa fanomezana ho an’izy ireo aho, ka ho hitako eo izay ho entin’ireo iraka miverina.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَلَمَّا جَآءَ سُلَيۡمَٰنَ قَالَ أَتُمِدُّونَنِ بِمَالٖ فَمَآ ءَاتَىٰنِۦَ ٱللَّهُ خَيۡرٞ مِّمَّآ ءَاتَىٰكُمۚ بَلۡ أَنتُم بِهَدِيَّتِكُمۡ تَفۡرَحُونَ
Avy eo, rehefa tonga teto anatrehan’i Salomona (ny iraka), dia niteny izy hoe : moa ve hanampy ahy amin’ny alalan’ny harena ianareo ? Nefa izay nomen’I Allah ahy dia tsara kokoa noho izay nomenareo. Kanefa ianareo dia mifaly amin’ny fanomezanareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
ٱرۡجِعۡ إِلَيۡهِمۡ فَلَنَأۡتِيَنَّهُم بِجُنُودٖ لَّا قِبَلَ لَهُم بِهَا وَلَنُخۡرِجَنَّهُم مِّنۡهَآ أَذِلَّةٗ وَهُمۡ صَٰغِرُونَ
Miverena any amin’izy ireo ianao. Ary hamafisinay fa hitondranay miaramila izay tsy ho vitan’izy ireo ny hiatrika izany (hanafika azy ireo izahay), ary ataonay sesi-tany tokoa izy ireo, ho afa-baraka sady ho voaheso (hahatsiaro-tena ho ambany).
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَؤُاْ أَيُّكُمۡ يَأۡتِينِي بِعَرۡشِهَا قَبۡلَ أَن يَأۡتُونِي مُسۡلِمِينَ
Niteny izy (Salomona) hoe : Oh ry loholona ! Iza aminareo no hitondra ny seza fiandrianany aty amiko alohan’ny ahatongavan’izy ireo aty amiko ho mpankato (ilay Mpanjaka vavy sy ny vahoakany) ?
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ عِفۡرِيتٞ مِّنَ ٱلۡجِنِّ أَنَا۠ ءَاتِيكَ بِهِۦ قَبۡلَ أَن تَقُومَ مِن مَّقَامِكَۖ وَإِنِّي عَلَيۡهِ لَقَوِيٌّ أَمِينٞ
Niteny ny jiny iray izay tena matanjaka hoe : izaho no hitondra azy eo aminao alohan’ny hitsangananao avy eo amin’ny toeranao, ary tena marina fa izaho dia matanjaka sy mendri-pitokisana amin’izany.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ ٱلَّذِي عِندَهُۥ عِلۡمٞ مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ أَنَا۠ ءَاتِيكَ بِهِۦ قَبۡلَ أَن يَرۡتَدَّ إِلَيۡكَ طَرۡفُكَۚ فَلَمَّا رَءَاهُ مُسۡتَقِرًّا عِندَهُۥ قَالَ هَٰذَا مِن فَضۡلِ رَبِّي لِيَبۡلُوَنِيٓ ءَأَشۡكُرُ أَمۡ أَكۡفُرُۖ وَمَن شَكَرَ فَإِنَّمَا يَشۡكُرُ لِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ رَبِّي غَنِيّٞ كَرِيمٞ
Ary niteny ilay (olona) anankiray manana fahalalana momba ny Boky hoe : izaho no hitondra izany aminao alohan’ny hanaovanao ny indray mipi-maso. Ary rehefa hitany fa nipetraka teo akaikiny ilay seza fiandrianana dia niteny izy (Salomona) hoe : fahasoavana avy amin’ny Tompoko tokoa izao, mba hitsapany ahy, na hankasitraka aho na tsy hankasitraka. Ary n'iza n'iza mankasitraka dia manao izany ho tombotsoan’ny tenany ihany. Ary n'iza n'iza tsy mankasitraka dia tena marina fa ny Tompoko dia manana ny ampy sady malala-tànana tokoa.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ نَكِّرُواْ لَهَا عَرۡشَهَا نَنظُرۡ أَتَهۡتَدِيٓ أَمۡ تَكُونُ مِنَ ٱلَّذِينَ لَا يَهۡتَدُونَ
Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَلَمَّا جَآءَتۡ قِيلَ أَهَٰكَذَا عَرۡشُكِۖ قَالَتۡ كَأَنَّهُۥ هُوَۚ وَأُوتِينَا ٱلۡعِلۡمَ مِن قَبۡلِهَا وَكُنَّا مُسۡلِمِينَ
Ary rehefa tonga izy (ilay mpanjaka vavy) dia notenenina taminy hoe : moa ve toy izao ny seza fiandriananao ? Namaly izy hoe : toa izy ihany io. Ka niteny i (Salomona) hoe : ary efa nomena anay ny fahalalana teo alohany, ary izahay dia efa nankato an’I Allah.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَصَدَّهَا مَا كَانَت تَّعۡبُدُ مِن دُونِ ٱللَّهِۖ إِنَّهَا كَانَتۡ مِن قَوۡمٖ كَٰفِرِينَ
Nefa izay notompoiny ankoatr’I Allah dia nanakana azy satria izy dia anisan’ny vahoaka tsy mpino.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قِيلَ لَهَا ٱدۡخُلِي ٱلصَّرۡحَۖ فَلَمَّا رَأَتۡهُ حَسِبَتۡهُ لُجَّةٗ وَكَشَفَتۡ عَن سَاقَيۡهَاۚ قَالَ إِنَّهُۥ صَرۡحٞ مُّمَرَّدٞ مِّن قَوَارِيرَۗ قَالَتۡ رَبِّ إِنِّي ظَلَمۡتُ نَفۡسِي وَأَسۡلَمۡتُ مَعَ سُلَيۡمَٰنَ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Notenenina taminy hoe : midirà ao an-dapa ianao, avy eo raha nahita izany izy (ny hatsaran’ny lapa), dia noheveriny fa rano lalina izany, ka nasehony ny ranjony roa, ka niteny izy (Salomona) hoe : io dia lapa vita avy amin’ny gorodona kristaly. Niteny izy (ilay mpanjaka vavy) : Tompo oh ! tena nanambaka ny tenako tokoa aho, ka manetry tena aho miaraka amin’i Salomona ho an’i Allah Tompon’izao tontolo izao.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَآ إِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمۡ صَٰلِحًا أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ فَإِذَا هُمۡ فَرِيقَانِ يَخۡتَصِمُونَ
Ary marina tokoa, fa nalefanay tamin'i Thamoda ny rahalain' izy ireo Soaleh (nilaza tamin'izy ireo) : “Manompoa an’I Allah ary indro, fa nizara ho vondron'olona roa izay nifanditra izy ireo”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ يَٰقَوۡمِ لِمَ تَسۡتَعۡجِلُونَ بِٱلسَّيِّئَةِ قَبۡلَ ٱلۡحَسَنَةِۖ لَوۡلَا تَسۡتَغۡفِرُونَ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Dia niteny izy hoe : ry vahoakako ! Nahoana no mitady hanafaingana ny ratsy alohan’ny tsara ianareo ? Raha mba mangataka famelan-keloka amin’I Allah ianareo ? Angamba mba ahazo famindram-po ianareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُواْ ٱطَّيَّرۡنَا بِكَ وَبِمَن مَّعَكَۚ قَالَ طَٰٓئِرُكُمۡ عِندَ ٱللَّهِۖ بَلۡ أَنتُمۡ قَوۡمٞ تُفۡتَنُونَ
Niteny izy ireo hoe : izahay dia mahita anao sy ireo izay miaraka aminao, ho mpitondra loza. Niteny izy hoe : ny anjaranareo dia miankina amin’I Allah. Nefa ianareo dia vahoaka mandalo fitsapana tokoa.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَكَانَ فِي ٱلۡمَدِينَةِ تِسۡعَةُ رَهۡطٖ يُفۡسِدُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا يُصۡلِحُونَ
Ary nisy andian’olona sivy (9) tao an-tanàna, izay mpanao asa fanimbana teto an-tany ary tsy mba manao asa fanatsarana mihitsy.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُواْ تَقَاسَمُواْ بِٱللَّهِ لَنُبَيِّتَنَّهُۥ وَأَهۡلَهُۥ ثُمَّ لَنَقُولَنَّ لِوَلِيِّهِۦ مَا شَهِدۡنَا مَهۡلِكَ أَهۡلِهِۦ وَإِنَّا لَصَٰدِقُونَ
Niteny izy ireo hoe : mianiana amin’I Allah izahay fa tena hanafika azy sy ny fianakaviany amin’ny alina. Avy eo dia hiteny tokoa izahay amin’izay omena andraikitra ny hamaly faty azy hoe : izahay dia tsy nahita ny famonoana ny fianakaviany, ary izahay dia olona mpilaza ny marina.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَمَكَرُواْ مَكۡرٗا وَمَكَرۡنَا مَكۡرٗا وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Nanao tetik’ady izy ireo, dia nanao tetik’ady ihany koa Izahay, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa izany.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ مَكۡرِهِمۡ أَنَّا دَمَّرۡنَٰهُمۡ وَقَوۡمَهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Koa jereo ary ahoana no fiafaran’ny tetik’adin’izy ireo : naringanay avokoa izy ireo sy ny vahoakany rehetra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَتِلۡكَ بُيُوتُهُمۡ خَاوِيَةَۢ بِمَا ظَلَمُوٓاْۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ
Indro ary fa ny tranon’izy ireo dia foana nohon'ny fanaovan’izy ireo ny tsy rariny. Marina fa amin’izany dia tena misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mahafantatra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَنجَيۡنَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَكَانُواْ يَتَّقُونَ
Ary navotanay ireo izay nino sy nanam-patahorana.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَلُوطًا إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦٓ أَتَأۡتُونَ ٱلۡفَٰحِشَةَ وَأَنتُمۡ تُبۡصِرُونَ
Ary ampahatsiahivo azy ireo mahakasika an’i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : Nirona amin’ny asa vetaveta ve ianareo, nefa ianareo dia olona mahiratra tsara?
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَئِنَّكُمۡ لَتَأۡتُونَ ٱلرِّجَالَ شَهۡوَةٗ مِّن دُونِ ٱلنِّسَآءِۚ بَلۡ أَنتُمۡ قَوۡمٞ تَجۡهَلُونَ
Ianareo dia tena mandeha amin’ireny lehilahy ireny mba hakanareo fahafinaretana ankoatr’ireo vehivavy, ianareo dia vahoaka tena anatin’ny habadoana tokoa.
Tefsiri na arapskom jeziku:
۞ فَمَا كَانَ جَوَابَ قَوۡمِهِۦٓ إِلَّآ أَن قَالُوٓاْ أَخۡرِجُوٓاْ ءَالَ لُوطٖ مِّن قَرۡيَتِكُمۡۖ إِنَّهُمۡ أُنَاسٞ يَتَطَهَّرُونَ
Tsy inona no valin-tenin’ny vahoakany afa-tsy hoe : “Roahy hiala amin’ny tanànanareo ny fianakavian’i Lota ! Satria izy ireo dia olona tia manadio tena”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَنجَيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ إِلَّا ٱمۡرَأَتَهُۥ قَدَّرۡنَٰهَا مِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Dia navotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay efa nalahatray ho anisan’ireo voaringana.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهِم مَّطَرٗاۖ فَسَآءَ مَطَرُ ٱلۡمُنذَرِينَ
Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oran-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ وَسَلَٰمٌ عَلَىٰ عِبَادِهِ ٱلَّذِينَ ٱصۡطَفَىٰٓۗ ءَآللَّهُ خَيۡرٌ أَمَّا يُشۡرِكُونَ
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Dera anie ho an’i Allah, ary fiadanana anie ho amin’ireo mpanompony izay nosafidiany !” Moa ve i Allah no Mendrika indrindra sa ireo izay akamban’izy ireo Aminy ?
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَمَّنۡ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَأَنزَلَ لَكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَنۢبَتۡنَا بِهِۦ حَدَآئِقَ ذَاتَ بَهۡجَةٖ مَّا كَانَ لَكُمۡ أَن تُنۢبِتُواْ شَجَرَهَآۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ بَلۡ هُمۡ قَوۡمٞ يَعۡدِلُونَ
Moa ve tsy Izy no Nahary ireo lanitra sy ny tany, ary nampidina ny rano avy any an-danitra ho anareo, ka nampitsirianay avy amin’ny alàlan’izany ireo zaridaina maro mahafinaritra. Tsy nanana fahefana mihitsy ianareo hampitsiry ireo hazony. Ka moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia, nefa izy ireo dia vahoaka mampitovy Azy amin’ny hafa.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَمَّن جَعَلَ ٱلۡأَرۡضَ قَرَارٗا وَجَعَلَ خِلَٰلَهَآ أَنۡهَٰرٗا وَجَعَلَ لَهَا رَوَٰسِيَ وَجَعَلَ بَيۡنَ ٱلۡبَحۡرَيۡنِ حَاجِزًاۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Moa ve tsy Izy no nanao ny tany ho toeram-ponenana, sy nametraka renirano maro eo anelanelan’izany, nampisy tendrombohitra mafy (mafy orina) maro eo aminy, ary nametraka fefy eo anelanelan’ny ranomasina roa, moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mihitsy !
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَمَّن يُجِيبُ ٱلۡمُضۡطَرَّ إِذَا دَعَاهُ وَيَكۡشِفُ ٱلسُّوٓءَ وَيَجۡعَلُكُمۡ خُلَفَآءَ ٱلۡأَرۡضِۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ قَلِيلٗا مَّا تَذَكَّرُونَ
Moa ve tsy Izy no mamaly ny tra-pasahiranana raha miantso Azy, sy manala ny ratsy, ary manao anareo ho taranaka mifandimby eto an-tany, moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Zara raha mahatsiaro ianareo !
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَمَّن يَهۡدِيكُمۡ فِي ظُلُمَٰتِ ٱلۡبَرِّ وَٱلۡبَحۡرِ وَمَن يُرۡسِلُ ٱلرِّيَٰحَ بُشۡرَۢا بَيۡنَ يَدَيۡ رَحۡمَتِهِۦٓۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ تَعَٰلَى ٱللَّهُ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Moa ve tsy Izy no mitari-dalana anareo ao amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina, ary iza no mandefa ireo rivotra ho vaovao mahafaly mialoha ny Famindram-pony (ranon’orana). Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Ambony Lavitra I Allah manoloana izay akamban’izy ireo Aminy.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَمَّن يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥ وَمَن يَرۡزُقُكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ قُلۡ هَاتُواْ بُرۡهَٰنَكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Moa ve tsy Izy no manomboka ny fahariana , avy eo dia mamerina izany indray, ary iza no manome anareo anjara-pivelomana avy any an-danitra sy eto an-tany. Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Teneno hoe : “Omeo ny porofonareo raha marina ny anareo ?”
Tefsiri na arapskom jeziku:
قُل لَّا يَعۡلَمُ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ ٱلۡغَيۡبَ إِلَّا ٱللَّهُۚ وَمَا يَشۡعُرُونَ أَيَّانَ يُبۡعَثُونَ
Teneno hoe : “Tsy misy mahalala ny miafina, izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, afa-tsy I Allah”. Ary tsy fantatr'izy ireo raha oviana no hananganana azy ireo .
Tefsiri na arapskom jeziku:
بَلِ ٱدَّٰرَكَ عِلۡمُهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِۚ بَلۡ هُمۡ فِي شَكّٖ مِّنۡهَاۖ بَلۡ هُم مِّنۡهَا عَمُونَ
Ary feno tanteraka ny fahalalan’izy ireo momba ny fiainana any ankoatra, nefa izy ireo dia mbola miahiahy ihany ny amin’izany. Na mbola jamba amin’izany izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَءِذَا كُنَّا تُرَٰبٗا وَءَابَآؤُنَآ أَئِنَّا لَمُخۡرَجُونَ
Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Moa ve rehefa lasa vovoka izahay sy ireo razambenay, dia mbola havoaka indray mandeha ?
Tefsiri na arapskom jeziku:
لَقَدۡ وُعِدۡنَا هَٰذَا نَحۡنُ وَءَابَآؤُنَا مِن قَبۡلُ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّآ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Na dia izany aza, efa nampanantenaina izany izahay sy ireo razambenay teo aloha. Tsy inona ary izany fa anganon’ireo ntaolo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قُلۡ سِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Teneno : Mandehana mitety ny tany ianareo ka jereo, ahoana ny fiafaran’ireo mpanao heloka bevava.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَلَا تَحۡزَنۡ عَلَيۡهِمۡ وَلَا تَكُن فِي ضَيۡقٖ مِّمَّا يَمۡكُرُونَ
Ary aoka ianao tsy alahelo amin’izay ataon’izy ireo, ary aoka ihany koa ianao tsy hitebiteby nohon'ny tetika izay ataon’izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ary hoy izy ireo : “Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قُلۡ عَسَىٰٓ أَن يَكُونَ رَدِفَ لَكُم بَعۡضُ ٱلَّذِي تَسۡتَعۡجِلُونَ
Teneno hoe : “Raha ny ampahany amin’izay tadiavinareo ho hafainganina,dia tonga ary tsy maintsy hanaraka ianareo“.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَشۡكُرُونَ
Marina fa ny Tomponao no tompom-pahasoavana amin’olombelona kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mankasitraka.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَيَعۡلَمُ مَا تُكِنُّ صُدُورُهُمۡ وَمَا يُعۡلِنُونَ
Ary marina fa ny Tomponao dia mahalala izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay ahariharin’izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَمَا مِنۡ غَآئِبَةٖ فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ إِلَّا فِي كِتَٰبٖ مُّبِينٍ
Ary tsy misy zava-miafina any an-danitra sy eto an-tany ka tsy voarakitra ao anatin’ny Boky mazava.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانَ يَقُصُّ عَلَىٰ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ أَكۡثَرَ ٱلَّذِي هُمۡ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Marina fa ity Koroany ity dia mitantara mahakasika ireo zanak‘Israely amin’ny amaroan’ireo zavatra izay mampifanolana azy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَإِنَّهُۥ لَهُدٗى وَرَحۡمَةٞ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary hamafisina fa izany dia tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo mpino.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّ رَبَّكَ يَقۡضِي بَيۡنَهُم بِحُكۡمِهِۦۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡعَلِيمُ
Marina fa ny Tomponao dia hitsara eo amin’izy ireo araka ny lalàny, ary Izy ilay Mahery sy ilay Mahalala ny zava-drehetra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۖ إِنَّكَ عَلَى ٱلۡحَقِّ ٱلۡمُبِينِ
Ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, satria ianao tokoa dia ao anatin’ny fahamarinana miharihary.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّكَ لَا تُسۡمِعُ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَلَا تُسۡمِعُ ٱلصُّمَّ ٱلدُّعَآءَ إِذَا وَلَّوۡاْ مُدۡبِرِينَ
Ary hamafisina,fa ianao dia tena tsy afaka hampandre ireo maty ary tsy afaka ihany koa hampandre ireo marenina raha mitodi-damosina izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَمَآ أَنتَ بِهَٰدِي ٱلۡعُمۡيِ عَن ضَلَٰلَتِهِمۡۖ إِن تُسۡمِعُ إِلَّا مَن يُؤۡمِنُ بِـَٔايَٰتِنَا فَهُم مُّسۡلِمُونَ
Ary tsy afaka mihitsy hitari-dalana ireo jamba amin’ny fahaverezana ianao. Ary tsy afaka hampandre afa-tsy ireo izay mino an’ireo fanambaranay no sady manolo-tena tanteraka ho amin’izany ianao.
Tefsiri na arapskom jeziku:
۞ وَإِذَا وَقَعَ ٱلۡقَوۡلُ عَلَيۡهِمۡ أَخۡرَجۡنَا لَهُمۡ دَآبَّةٗ مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ تُكَلِّمُهُمۡ أَنَّ ٱلنَّاسَ كَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا لَا يُوقِنُونَ
Ary rehefa mihatra amin’izy ireo ny teny, dia havoakanay hiteny amin’izy ireo ny biby iray lehibe avy amin’ny tany, ka hanao hoe : “Marina fa ny olombelona dia tsy mahatoky tanteraka ireo fanambarananay”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَيَوۡمَ نَحۡشُرُ مِن كُلِّ أُمَّةٖ فَوۡجٗا مِّمَّن يُكَذِّبُ بِـَٔايَٰتِنَا فَهُمۡ يُوزَعُونَ
Ary amin’ny andro izay hamorianay avy amin’ny vahoaka, ireo andian’olona izay nilaza fa ho lainga ny fanambaranay dia halahatra tokoa izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءُو قَالَ أَكَذَّبۡتُم بِـَٔايَٰتِي وَلَمۡ تُحِيطُواْ بِهَا عِلۡمًا أَمَّاذَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Avy eo, rehefa tonga izy ireo dia hiteny (I Allah) hoe : “Moa ve nilaza ireo fanambarako ho lainga ianareo, nefa tsy nanana fahalalana momba izany akory ianareo ? Na koa, inona àry no nataonareo ?“
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَوَقَعَ ٱلۡقَوۡلُ عَلَيۡهِم بِمَا ظَلَمُواْ فَهُمۡ لَا يَنطِقُونَ
Ary hihatra amin’izy ireo ny Teny nohon'ny tsy rariny izay nataon’izy ireo. Ka tsy afaka hiteny na inona na inona intsony izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّا جَعَلۡنَا ٱلَّيۡلَ لِيَسۡكُنُواْ فِيهِ وَٱلنَّهَارَ مُبۡصِرًاۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Moa ve tsy hitan’izy ireo tokoa fa Izahay no nanao ny alina mba ahazoan’izy ireo fialan-tsasatra, ary ny andro mba ahafahana mijery ? Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَيَوۡمَ يُنفَخُ فِي ٱلصُّورِ فَفَزِعَ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا مَن شَآءَ ٱللَّهُۚ وَكُلٌّ أَتَوۡهُ دَٰخِرِينَ
Ary amin’ny andro izay hitsofana ny Trompetra dia hatahotra daholo izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany afa-tsy ireo izay sitrak’I Allah ! Ary ny rehetra dia ho tonga eo Aminy amim-panetren-tena.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَتَرَى ٱلۡجِبَالَ تَحۡسَبُهَا جَامِدَةٗ وَهِيَ تَمُرُّ مَرَّ ٱلسَّحَابِۚ صُنۡعَ ٱللَّهِ ٱلَّذِيٓ أَتۡقَنَ كُلَّ شَيۡءٍۚ إِنَّهُۥ خَبِيرُۢ بِمَا تَفۡعَلُونَ
Ary hahita ireo tendrombohitra ianao, heverinao fa tsy mihetsika izy ireo nefa dia mandeha tahaka ny fandehan’ny rahona izy ireo. Asan’I Allah no nanao ny zava-drehetra tonga lafatra. Marina tokoa fa Izy Ilay Mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo !
Tefsiri na arapskom jeziku:
مَن جَآءَ بِٱلۡحَسَنَةِ فَلَهُۥ خَيۡرٞ مِّنۡهَا وَهُم مِّن فَزَعٖ يَوۡمَئِذٍ ءَامِنُونَ
Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa noho izany izy, ary amin’izany andro izany, dia ho voaaro amin’ny tahotra izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَمَن جَآءَ بِٱلسَّيِّئَةِ فَكُبَّتۡ وُجُوهُهُمۡ فِي ٱلنَّارِ هَلۡ تُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia ho aondrika ao anatin’ny afo ny tarehin’izy ireo. Moa ve tsy ho valiana ianareo afa-tsy amin’ny asa izay nataonareo ihany ?
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّمَآ أُمِرۡتُ أَنۡ أَعۡبُدَ رَبَّ هَٰذِهِ ٱلۡبَلۡدَةِ ٱلَّذِي حَرَّمَهَا وَلَهُۥ كُلُّ شَيۡءٖۖ وَأُمِرۡتُ أَنۡ أَكُونَ مِنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ
“Tsy nodidiana aho afa-tsy hanompo Ilay Tompon’ity Tanàna ity izay nohamasininy; ary Azy ny zava-drehetra, ary nodidiana aho mba ho anisan’ireo mpanolo-tena (ho an’I Allah /ho mpino Silamo).
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَنۡ أَتۡلُوَاْ ٱلۡقُرۡءَانَۖ فَمَنِ ٱهۡتَدَىٰ فَإِنَّمَا يَهۡتَدِي لِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن ضَلَّ فَقُلۡ إِنَّمَآ أَنَا۠ مِنَ ٱلۡمُنذِرِينَ
Ary ny hamakiako ny Koroany, ka na iza na iza mizotra amin’ny lala-mahitsy dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza no nanary ny tenany kosa dia teneno hoe : ”Izaho dia tsy inona, fa anisan’ireo mpampitandrina ihany”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَقُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ سَيُرِيكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ فَتَعۡرِفُونَهَاۚ وَمَا رَبُّكَ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ
Ary mitenena ianao hoe : ”Dera anie ho an’I Allah ! Fa hampahitany ireo famantarany ianareo, ka ho fantatrareo tokoa izany. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana akory amin’izay ataonareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: En-Neml
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje