Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: En-Nisa   Ajet:
وَإِذَا كُنتَ فِيهِمۡ فَأَقَمۡتَ لَهُمُ ٱلصَّلَوٰةَ فَلۡتَقُمۡ طَآئِفَةٞ مِّنۡهُم مَّعَكَ وَلۡيَأۡخُذُوٓاْ أَسۡلِحَتَهُمۡۖ فَإِذَا سَجَدُواْ فَلۡيَكُونُواْ مِن وَرَآئِكُمۡ وَلۡتَأۡتِ طَآئِفَةٌ أُخۡرَىٰ لَمۡ يُصَلُّواْ فَلۡيُصَلُّواْ مَعَكَ وَلۡيَأۡخُذُواْ حِذۡرَهُمۡ وَأَسۡلِحَتَهُمۡۗ وَدَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَوۡ تَغۡفُلُونَ عَنۡ أَسۡلِحَتِكُمۡ وَأَمۡتِعَتِكُمۡ فَيَمِيلُونَ عَلَيۡكُم مَّيۡلَةٗ وَٰحِدَةٗۚ وَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ إِن كَانَ بِكُمۡ أَذٗى مِّن مَّطَرٍ أَوۡ كُنتُم مَّرۡضَىٰٓ أَن تَضَعُوٓاْ أَسۡلِحَتَكُمۡۖ وَخُذُواْ حِذۡرَكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ أَعَدَّ لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٗا مُّهِينٗا
Ary raha miaraka amin’izy ireo ianao [69], ka mitarika azy ireo amin’ny Soalat (vavaka), dia aoka ny andiany iray amin’izy ireo hitsangana miaraka aminao sy handray ny fitaovam-piadiany. Ary rehefa avy niankohoka izy ireo dia aoka hivadika ao aorianareo, sy hanatona ny andiany hafa izay mbola tsy nahavita ny Soalat, hanatanteraka izany miaraka aminao. Ary aoka izy ireo hahay hitandrina sy handray ny fitaovam-piadiany. Maniry ireo tsy mpino, raha manao tsirambina ny fitaovam-piadianareo sy ny entanareo ianareo, ny hidina indray miaraka, hanafika anareo izy ireo. Ary tsy misy tsiny ho anareo raha misy ny manahirana anareo, na orana, na marary ianareo ka mametraka ny fitaovam-piadiana, nefa aoka ho mailo tsara ianareo. Tena marina fa i Allah dia efa nanomana ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala baraka.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَإِذَا قَضَيۡتُمُ ٱلصَّلَوٰةَ فَٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ قِيَٰمٗا وَقُعُودٗا وَعَلَىٰ جُنُوبِكُمۡۚ فَإِذَا ٱطۡمَأۡنَنتُمۡ فَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَۚ إِنَّ ٱلصَّلَوٰةَ كَانَتۡ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ كِتَٰبٗا مَّوۡقُوتٗا
Ary rehefa nahavita ny vavaka fanompoana ianareo, dia tsarovinareo Allah; am-pitsanganana sy am-pipetrahana ary am-patoriana. Ary rehefa tafaverina aminareo ny filaminana, dia tanteraho ny fivavahana araka izay tokony ho izy. Tena marina fa ny vavaka fanompoana dia adidy ho an’ireo mpino ao anaty fotoana voafetra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَلَا تَهِنُواْ فِي ٱبۡتِغَآءِ ٱلۡقَوۡمِۖ إِن تَكُونُواْ تَأۡلَمُونَ فَإِنَّهُمۡ يَأۡلَمُونَ كَمَا تَأۡلَمُونَۖ وَتَرۡجُونَ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا يَرۡجُونَۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا
Ary aza mihamalemy amin’ny fanenjehana an’ireo fahavalo ianareo. Raha mahatsiaro mamirifiry ianareo, dia izy ireo koa tena mahatsiaro mamirifiry tahaka anareo, fa ianareo kosa dia manantena amin’I Allah, izay tsy antenain’izy ireo. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّآ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ لِتَحۡكُمَ بَيۡنَ ٱلنَّاسِ بِمَآ أَرَىٰكَ ٱللَّهُۚ وَلَا تَكُن لِّلۡخَآئِنِينَ خَصِيمٗا
Tena marina fa Izahay dia nampidina ny Boky taminao am-pahamarinana, mba hitsaranao ny olona araka izay nasehon’I Allah taminao. Ary aza manao mpisolo vavan’ireo mpamadika ianao.
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: En-Nisa
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje