Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: El-Maida   Ajet:
وَقَفَّيۡنَا عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِم بِعِيسَى ٱبۡنِ مَرۡيَمَ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ مِنَ ٱلتَّوۡرَىٰةِۖ وَءَاتَيۡنَٰهُ ٱلۡإِنجِيلَ فِيهِ هُدٗى وَنُورٞ وَمُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ مِنَ ٱلتَّوۡرَىٰةِ وَهُدٗى وَمَوۡعِظَةٗ لِّلۡمُتَّقِينَ
Ary nalefanay taorian’izy ireo i Jesoa zanak’i Maria, hanamafy izay teo alohany ao amin’ny Toraty. Ary nomenay Azy ny boky masina evanjily feno tari-dalana sy fahazavana hanamafisana izay teo alohany ao amin’ny toraty ary tari-dalana sy fananarana ho an’ireo manam-patahorana.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَلۡيَحۡكُمۡ أَهۡلُ ٱلۡإِنجِيلِ بِمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ فِيهِۚ وَمَن لَّمۡ يَحۡكُم بِمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ary aoka ireo ny olon’ny boky masina evanjily hitsara arak’izay nampidinin’I Allah ao aminy. Ary izay tsy mitsara arak’izay nampidinin’I Allah dia ireny no tena ratsy fitondran-tena tokoa.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَمُهَيۡمِنًا عَلَيۡهِۖ فَٱحۡكُم بَيۡنَهُم بِمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُۖ وَلَا تَتَّبِعۡ أَهۡوَآءَهُمۡ عَمَّا جَآءَكَ مِنَ ٱلۡحَقِّۚ لِكُلّٖ جَعَلۡنَا مِنكُمۡ شِرۡعَةٗ وَمِنۡهَاجٗاۚ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَجَعَلَكُمۡ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ وَلَٰكِن لِّيَبۡلُوَكُمۡ فِي مَآ ءَاتَىٰكُمۡۖ فَٱسۡتَبِقُواْ ٱلۡخَيۡرَٰتِۚ إِلَى ٱللَّهِ مَرۡجِعُكُمۡ جَمِيعٗا فَيُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ
Ary nampidininay aminao ny boky feno fahamarinana, manamafy ny boky izay teo alohany, ary manan-kery eo anatrehany, ka tsarao izy ireo araka izay nampidinin’I Allah. Ary aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ,izay manalavitra ny fahamarinana tonga taminao.Efa nanaovanay lalàna sy drafitr’asa ny tsirairay aminareo. Ary raha sitrak’I Allah, dia nataony ho vahoaka iray ianareo. Kanefa mba ho fitsapana anareo amin’izay nomeny anareo. Ka mifaninana ianareo amin’ny fanaovana ireo asa tsara. Any amin’I Allah no tsy maintsy hiverenanareo rehetra ka ho lazainy aminareo izay rehetra nampifanolana anareo momba Azy.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَنِ ٱحۡكُم بَيۡنَهُم بِمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ وَلَا تَتَّبِعۡ أَهۡوَآءَهُمۡ وَٱحۡذَرۡهُمۡ أَن يَفۡتِنُوكَ عَنۢ بَعۡضِ مَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ إِلَيۡكَۖ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَٱعۡلَمۡ أَنَّمَا يُرِيدُ ٱللَّهُ أَن يُصِيبَهُم بِبَعۡضِ ذُنُوبِهِمۡۗ وَإِنَّ كَثِيرٗا مِّنَ ٱلنَّاسِ لَفَٰسِقُونَ
Koa mitsarà ny amin’izy ireo arak’izay nampidinin’I Allah. Ary aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ianao ary mitandrema amin’izy ireo ianao mba tsy hampanalavitra anao amin’ny ampahan’ny fanambarana izay nampidinin’I Allah taminao. Fa raha mitodi-damosina izy ireo dia fantaro fa tena tian’I Allah ny hanasazy azy ireo noho ny sasan-tsasany amin’ny fahotan’izy ireo. Ary tena marina fa maro amin’ny olombelona no tena mpanao ratsy.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَفَحُكۡمَ ٱلۡجَٰهِلِيَّةِ يَبۡغُونَۚ وَمَنۡ أَحۡسَنُ مِنَ ٱللَّهِ حُكۡمٗا لِّقَوۡمٖ يُوقِنُونَ
Moa ve ny fitsarana tamin’ny andron’ny habadoana no tadiavin’izy ireo? Ary iza no manao fitsarana mendrika noho Allah, ho an’ireo vahoaka feno fitokisana?
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: El-Maida
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje