Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: Et-Tur   Ajet:
أَفَسِحۡرٌ هَٰذَآ أَمۡ أَنتُمۡ لَا تُبۡصِرُونَ
Majika va izany, sa ianareo no tsy mahita tsara ?
Tefsiri na arapskom jeziku:
ٱصۡلَوۡهَا فَٱصۡبِرُوٓاْ أَوۡ لَا تَصۡبِرُواْ سَوَآءٌ عَلَيۡكُمۡۖ إِنَّمَا تُجۡزَوۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Miareta ao ianareo ! Na miaritra ianareo na tsy miaritra, dia mitovy ihany izany ho anareo, fa araka izay nataonareo no amaliana anareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَنَعِيمٖ
Ho ao amin’ireo zaridaina sy fahasambarana ireo vontom-pinoana,
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَٰكِهِينَ بِمَآ ءَاتَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ وَوَقَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ عَذَابَ ٱلۡجَحِيمِ
Hifaly izy ireo amin’izay homen’ny Tompony azy, ary harovan’ny Tompony amin’ny famaizan’ny afo mamaivay izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Koa mihinana ary misotroa amim-pilaminana ianareo, ho valisoa tamin’izay nataonareo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
مُتَّكِـِٔينَ عَلَىٰ سُرُرٖ مَّصۡفُوفَةٖۖ وَزَوَّجۡنَٰهُم بِحُورٍ عِينٖ
Mitehin-kiho eo ambony fandriana tsara lamina, ary dia homenay tovovavy baribarimaso ho vady izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَٱتَّبَعَتۡهُمۡ ذُرِّيَّتُهُم بِإِيمَٰنٍ أَلۡحَقۡنَا بِهِمۡ ذُرِّيَّتَهُمۡ وَمَآ أَلَتۡنَٰهُم مِّنۡ عَمَلِهِم مِّن شَيۡءٖۚ كُلُّ ٱمۡرِيِٕۭ بِمَا كَسَبَ رَهِينٞ
Ireo izay mino, ka narahin’ny taranany tamin’ny finoana, dia hataonay izay hihaonan’ny taranany amin’izy ireo. Ary tsy hahenanay velively ny fahamendrehan’ny asa izay nataony, fa samy tompon’andraikitra amin’izay nataony ny tsirairay.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَمۡدَدۡنَٰهُم بِفَٰكِهَةٖ وَلَحۡمٖ مِّمَّا يَشۡتَهُونَ
Ho vatsianay voankazo sy hena maro izay tadiaviny izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
يَتَنَٰزَعُونَ فِيهَا كَأۡسٗا لَّا لَغۡوٞ فِيهَا وَلَا تَأۡثِيمٞ
Hifanolotra kapoaka izy ireo ao, ka tsy hiteraka fihamboana izany, na fanomezan-tsiny.
Tefsiri na arapskom jeziku:
۞ وَيَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ غِلۡمَانٞ لَّهُمۡ كَأَنَّهُمۡ لُؤۡلُؤٞ مَّكۡنُونٞ
Dia hisy tovolahy hivezivezy ao, hiasa ho azy ireo, toy ireny vatosoa tsara tahiry.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ
Ary hifampitodika izy ireo hifanontany.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُوٓاْ إِنَّا كُنَّا قَبۡلُ فِيٓ أَهۡلِنَا مُشۡفِقِينَ
ka hiteny izy ireo hoe : ‘’ Niaina tao anatin’ny tahotra isika, teo amin’ny fianakaviantsika."
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَمَنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡنَا وَوَقَىٰنَا عَذَابَ ٱلسَّمُومِ
Ka nomen’I Allah tombotsoa manokana isika sady narovany tamin’ny famaizan’ny fofofofon’ny afo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّا كُنَّا مِن قَبۡلُ نَدۡعُوهُۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡبَرُّ ٱلرَّحِيمُ
Izy no nantsointsika taloha. Fa izy no mpiantra, ilay be indrafo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَذَكِّرۡ فَمَآ أَنتَ بِنِعۡمَتِ رَبِّكَ بِكَاهِنٖ وَلَا مَجۡنُونٍ
Ampahatsiarovy àry amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tomponao, fa tsy mpisikidy ianao na adala.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَمۡ يَقُولُونَ شَاعِرٞ نَّتَرَبَّصُ بِهِۦ رَيۡبَ ٱلۡمَنُونِ
Na koa hiteny izy ireo hoe: “ Mpanao tononkalo ! Aoka handrasantsika ho azy ny kapokin'ny fahafatesana ”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قُلۡ تَرَبَّصُواْ فَإِنِّي مَعَكُم مِّنَ ٱلۡمُتَرَبِّصِينَ
Ka lazao hoe : “ Miandrasa ianareo ! Fa isan’ny miandry miaraka aminareo aho ”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: Et-Tur
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje