Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: El-A'araf   Ajet:
حَقِيقٌ عَلَىٰٓ أَن لَّآ أَقُولَ عَلَى ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡحَقَّۚ قَدۡ جِئۡتُكُم بِبَيِّنَةٖ مِّن رَّبِّكُمۡ فَأَرۡسِلۡ مَعِيَ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ
Tsy mendrika ny hiteny mahakasik’I Allah Aho afa-tsy ny marina. Tonga aminareo tokoa aho miaraka amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tomponareo. Koa alefaso miaraka Amiko àry ireo zanak’Israely.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ إِن كُنتَ جِئۡتَ بِـَٔايَةٖ فَأۡتِ بِهَآ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Niteny izy nanao hoe : “Raha tonga miaraka amin’ny fahagagana ianao, dia asehoy izany, raha isan’ireo olo-marina ianao”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَلۡقَىٰ عَصَاهُ فَإِذَا هِيَ ثُعۡبَانٞ مُّبِينٞ
Ka natorany ny tehiny, dia nivadika bibilava lehibe miharihary izany.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَنَزَعَ يَدَهُۥ فَإِذَا هِيَ بَيۡضَآءُ لِلنَّٰظِرِينَ
Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ ٱلۡمَلَأُ مِن قَوۡمِ فِرۡعَوۡنَ إِنَّ هَٰذَا لَسَٰحِرٌ عَلِيمٞ
Niteny ireo loholona tamin’ny vahoakan’i Faraona nanao hoe : “Tena mpanao majika mahay tokoa izy io".
Tefsiri na arapskom jeziku:
يُرِيدُ أَن يُخۡرِجَكُم مِّنۡ أَرۡضِكُمۡۖ فَمَاذَا تَأۡمُرُونَ
Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo Izy”. “Ka inona no hevitra omenareo ?”
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُوٓاْ أَرۡجِهۡ وَأَخَاهُ وَأَرۡسِلۡ فِي ٱلۡمَدَآئِنِ حَٰشِرِينَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Ampiandraso Izy sy ny rahalahiny ,ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona".
Tefsiri na arapskom jeziku:
يَأۡتُوكَ بِكُلِّ سَٰحِرٍ عَلِيمٖ
Ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ny mpanao majika rehetra tena mahay”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَجَآءَ ٱلسَّحَرَةُ فِرۡعَوۡنَ قَالُوٓاْ إِنَّ لَنَا لَأَجۡرًا إِن كُنَّا نَحۡنُ ٱلۡغَٰلِبِينَ
Ary tonga teo amin’i Faraona ireo mpanao majika ka niteny hoe : “Moa ve hisy valisoa ho anay raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?”
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ نَعَمۡ وَإِنَّكُمۡ لَمِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ
Niteny izy hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُواْ يَٰمُوسَىٰٓ إِمَّآ أَن تُلۡقِيَ وَإِمَّآ أَن نَّكُونَ نَحۡنُ ٱلۡمُلۡقِينَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “O ry Mosesy ! Na ianao no hanipy na izahay no hanipy voalohany”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ أَلۡقُواْۖ فَلَمَّآ أَلۡقَوۡاْ سَحَرُوٓاْ أَعۡيُنَ ٱلنَّاسِ وَٱسۡتَرۡهَبُوهُمۡ وَجَآءُو بِسِحۡرٍ عَظِيمٖ
Niteny Izy nanao hoe : “Atsipio ny anareo”. Rehefa nanipy izy ireo, dia nanova ny mason’ireo olona izy ireo ary koa nampihorohoro azy ireo, ary tonga niaraka tamin’ny majika mahery vaika izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
۞ وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنۡ أَلۡقِ عَصَاكَۖ فَإِذَا هِيَ تَلۡقَفُ مَا يَأۡفِكُونَ
Ary nandefasanay hafatra i Mosesy nanao hoe : “Atsipio ny tehinao”. Dia indro izany fa nitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَوَقَعَ ٱلۡحَقُّ وَبَطَلَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ka dia tanteraka tokoa ny marina ary rava izay rehetra nataon’izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَغُلِبُواْ هُنَالِكَ وَٱنقَلَبُواْ صَٰغِرِينَ
Ka dia resy tamin’izany izy ireo ary lasa afa-baraka.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَأُلۡقِيَ ٱلسَّحَرَةُ سَٰجِدِينَ
Dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika.
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: El-A'araf
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje