Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: Et-Tevba   Ajet:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ جَٰهِدِ ٱلۡكُفَّارَ وَٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱغۡلُظۡ عَلَيۡهِمۡۚ وَمَأۡوَىٰهُمۡ جَهَنَّمُۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Ry Mpaminany ! tohero ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, ary aoka ianao ho henjana amin’izy ireo, ka Afobe no tperana fialofan’izy ireo, ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !
Tefsiri na arapskom jeziku:
يَحۡلِفُونَ بِٱللَّهِ مَا قَالُواْ وَلَقَدۡ قَالُواْ كَلِمَةَ ٱلۡكُفۡرِ وَكَفَرُواْ بَعۡدَ إِسۡلَٰمِهِمۡ وَهَمُّواْ بِمَا لَمۡ يَنَالُواْۚ وَمَا نَقَمُوٓاْ إِلَّآ أَنۡ أَغۡنَىٰهُمُ ٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥ مِن فَضۡلِهِۦۚ فَإِن يَتُوبُواْ يَكُ خَيۡرٗا لَّهُمۡۖ وَإِن يَتَوَلَّوۡاْ يُعَذِّبۡهُمُ ٱللَّهُ عَذَابًا أَلِيمٗا فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۚ وَمَا لَهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مِن وَلِيّٖ وَلَا نَصِيرٖ
Mianiana amin’Allah izy ireo fa tsy niteny (izay nolazain’izy ireo), kanefa marina fa nanao teny tsy finoana izy ireo, ka dia nanary ny finoana taorian’ny naha mpankato azy ireo, nefa nikasa hanao zavatra izay tsy vitany ho tanterahina izy ireo, ka tsy manana fanakianana hatao raha tsy amin’Andriamanitra sy ny Irany izay nanenika azy ireo tamin’ny Fahasoavany. Raha nibebaka izy ireo, dia tsara ho azy izay. Fa raha nandà kosa izy ireo, dia hosazian’Allah amin’ny famaizana mamirifiry eto an-tany sy any an-koatra; ka tsy hanana namana na mpamonjy izy ireo eny ambonin’ny tany.
Tefsiri na arapskom jeziku:
۞ وَمِنۡهُم مَّنۡ عَٰهَدَ ٱللَّهَ لَئِنۡ ءَاتَىٰنَا مِن فَضۡلِهِۦ لَنَصَّدَّقَنَّ وَلَنَكُونَنَّ مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Ary nisy tamin’izy ireo nanao teny fampanantenana tamin’Allah hoe : “Raha manome ny fahasoavany aminay Izy, dia handoa ny harena fiantrana (zakat) izahay, ary ho isan’ireo olona tsara”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَلَمَّآ ءَاتَىٰهُم مِّن فَضۡلِهِۦ بَخِلُواْ بِهِۦ وَتَوَلَّواْ وَّهُم مُّعۡرِضُونَ
Nefa raha nomeny tamin’ny fahasoavany izy ireo, dia lasa nahihitra ary nandà sady nanalavitra.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَعۡقَبَهُمۡ نِفَاقٗا فِي قُلُوبِهِمۡ إِلَىٰ يَوۡمِ يَلۡقَوۡنَهُۥ بِمَآ أَخۡلَفُواْ ٱللَّهَ مَا وَعَدُوهُ وَبِمَا كَانُواْ يَكۡذِبُونَ
Nataony teraka tao am-pon’izy ireo ny fihatsarambelatsihy, ary izany dia mandra-pahatongavan’ny andro izay hihaonan’izy ireo Aminy, noho izy ireo nitsipaka an’i Allah tamin’izay nampanantenany Azy sy noho izy ireo nandainga.
Tefsiri na arapskom jeziku:
أَلَمۡ يَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ سِرَّهُمۡ وَنَجۡوَىٰهُمۡ وَأَنَّ ٱللَّهَ عَلَّٰمُ ٱلۡغُيُوبِ
Moa ve tsy fantatr’izy ireo fa i Allah dia mahafantatra ny miafin’izy ireo sy ny resany mangingina, tena marina fa i Allah dia mahalala tanteraka ireo zava-miafina.
Tefsiri na arapskom jeziku:
ٱلَّذِينَ يَلۡمِزُونَ ٱلۡمُطَّوِّعِينَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ فِي ٱلصَّدَقَٰتِ وَٱلَّذِينَ لَا يَجِدُونَ إِلَّا جُهۡدَهُمۡ فَيَسۡخَرُونَ مِنۡهُمۡ سَخِرَ ٱللَّهُ مِنۡهُمۡ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Ireo izay manendrikendrika sy maneso ny mpino manao asa fiantrana an-tsitrapo, sy ireo izay tsy mahita afa-tsy izay kely ananany (hatolotra), dia haneso azy ireo anie Allah. Ka dia hahazo famaizana mamirifiry izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: Et-Tevba
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje