Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: Al 'Imran   Verset:
هُنَالِكَ دَعَا زَكَرِيَّا رَبَّهُۥۖ قَالَ رَبِّ هَبۡ لِي مِن لَّدُنكَ ذُرِّيَّةٗ طَيِّبَةًۖ إِنَّكَ سَمِيعُ ٱلدُّعَآءِ
Teo no niantsoan’i Zakaria ny Tompony ka nanao hoe : “ Tompoko ô, omeo taranaka tsara avy Aminao Aho, fa mihaino fitarainana tokoa Ianao ”.
Les exégèses en arabe:
فَنَادَتۡهُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَهُوَ قَآئِمٞ يُصَلِّي فِي ٱلۡمِحۡرَابِ أَنَّ ٱللَّهَ يُبَشِّرُكَ بِيَحۡيَىٰ مُصَدِّقَۢا بِكَلِمَةٖ مِّنَ ٱللَّهِ وَسَيِّدٗا وَحَصُورٗا وَنَبِيّٗا مِّنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Ka niantso azy ireo anjely, ary izy teo ampitsanganana mivavaka tao amin’ilay toeram-pivavahana (Mihrab) manao hoe : “Allah dia milaza vaovao mahafaly ho anao amin’ny hahaterahan’i Yahya, izay hanamafy ny Teny avy amin’Allah . Ho manamboninahitra, tsara fanahy, ho Mpaminany ary koa ho isan’ireo olona mendrika.
Les exégèses en arabe:
قَالَ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي غُلَٰمٞ وَقَدۡ بَلَغَنِيَ ٱلۡكِبَرُ وَٱمۡرَأَتِي عَاقِرٞۖ قَالَ كَذَٰلِكَ ٱللَّهُ يَفۡعَلُ مَا يَشَآءُ
Niteny izy nanao hoe : “ Tompo ô ! Ahoana àry no hahazoako Zazalahy, kanefa izaho dia efa tena antitra, ary ny vadiko dia momba ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no izy ! ”. i Allah dia manao izay sitrany.
Les exégèses en arabe:
قَالَ رَبِّ ٱجۡعَل لِّيٓ ءَايَةٗۖ قَالَ ءَايَتُكَ أَلَّا تُكَلِّمَ ٱلنَّاسَ ثَلَٰثَةَ أَيَّامٍ إِلَّا رَمۡزٗاۗ وَٱذۡكُر رَّبَّكَ كَثِيرٗا وَسَبِّحۡ بِٱلۡعَشِيِّ وَٱلۡإِبۡكَٰرِ
Niteny izy (Zakaria) ka nanao hoe : “ Tompo ô ! Omeo famantarana Aho ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiresaka amin’olona Ianao mandritry ny telo Andro, afa-tsy amin’ny alalan’ny fihetsika ihany. Ary tsarovy matetika ny Tomponao, ary derao ny voninahiny amin’ny hariva sy ny maraina ".
Les exégèses en arabe:
وَإِذۡ قَالَتِ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَٰمَرۡيَمُ إِنَّ ٱللَّهَ ٱصۡطَفَىٰكِ وَطَهَّرَكِ وَٱصۡطَفَىٰكِ عَلَىٰ نِسَآءِ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia nisafidy Anao sy nanadio Anao; ary nisafidy Anao koa tamin’ireo vehivavin’izao tontolo izao ”.
Les exégèses en arabe:
يَٰمَرۡيَمُ ٱقۡنُتِي لِرَبِّكِ وَٱسۡجُدِي وَٱرۡكَعِي مَعَ ٱلرَّٰكِعِينَ
Ô ry Mariamo ! Ankatoavy ny Tomponao, ka miankohofa Aminy Ianao, ary miondreha miaraka amin’ireo mpiondrika ".
Les exégèses en arabe:
ذَٰلِكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡغَيۡبِ نُوحِيهِ إِلَيۡكَۚ وَمَا كُنتَ لَدَيۡهِمۡ إِذۡ يُلۡقُونَ أَقۡلَٰمَهُمۡ أَيُّهُمۡ يَكۡفُلُ مَرۡيَمَ وَمَا كُنتَ لَدَيۡهِمۡ إِذۡ يَخۡتَصِمُونَ
Izany dia anisan’ireo fanambarana vaovao miafina izay ampitanay Aminao. Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nanipy ny peniny izy ireo : iza amin’izy ireo no hiahy an’i Mariamo ! Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nifamaly izy ireo.
Les exégèses en arabe:
إِذۡ قَالَتِ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَٰمَرۡيَمُ إِنَّ ٱللَّهَ يُبَشِّرُكِ بِكَلِمَةٖ مِّنۡهُ ٱسۡمُهُ ٱلۡمَسِيحُ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَ وَجِيهٗا فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَمِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ
Rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia manambara vaovao Aminao, dia ny Teny avy Aminy : ny anarany dia « Mesia » « Issa », Zanakan’i Mariamo, hanam-boninahitra eto an-tany sy any an-koatra, ary ho anisan’ireo akaiky Azy ”.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: Al 'Imran
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rouwwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture