Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: As Sajda   Verset:
وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذِ ٱلۡمُجۡرِمُونَ نَاكِسُواْ رُءُوسِهِمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ رَبَّنَآ أَبۡصَرۡنَا وَسَمِعۡنَا فَٱرۡجِعۡنَا نَعۡمَلۡ صَٰلِحًا إِنَّا مُوقِنُونَ
Raha hitanao ireo mpanao heloka bevava, mitanondri-doha eo anoloan’ny Tompony izy ireo ! “Tomponay ô ! Nahita sy nandre izahay, koa avereno àry izahay mba hanao ny tsara; tena marina fa mino tanteraka izahay (ankehitriny)”.
Les exégèses en arabe:
وَلَوۡ شِئۡنَا لَأٓتَيۡنَا كُلَّ نَفۡسٍ هُدَىٰهَا وَلَٰكِنۡ حَقَّ ٱلۡقَوۡلُ مِنِّي لَأَمۡلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنَ ٱلۡجِنَّةِ وَٱلنَّاسِ أَجۡمَعِينَ
Raha sitrakay, dia nomenay ny tari-dàlany avy ny fanahy tsirairay. Kanefa tsy maintsy tanterahana ny teny avy aty Amiko : “ Tena ho fenoiko ireo jiny sy ireo olombelona ny Afobe”.
Les exégèses en arabe:
فَذُوقُواْ بِمَا نَسِيتُمۡ لِقَآءَ يَوۡمِكُمۡ هَٰذَآ إِنَّا نَسِينَٰكُمۡۖ وَذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡخُلۡدِ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Andramonareo àry ! Nohon'ny nanadinoanareo ny fihaonana amin’ity andronareo ity. Tena marina fa nanadino anareo koa izahay. Andramonareo ny famaizana mandrakizay noho izay nataonareo”.
Les exégèses en arabe:
إِنَّمَا يُؤۡمِنُ بِـَٔايَٰتِنَا ٱلَّذِينَ إِذَا ذُكِّرُواْ بِهَا خَرُّواْۤ سُجَّدٗاۤ وَسَبَّحُواْ بِحَمۡدِ رَبِّهِمۡ وَهُمۡ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ۩
Ny tena mino ireo fanambaranay dia ireo izay, rehefa ampahatsiahivana azy ireo izany, dia miantoraka miankohoka izy ireo, ka mankalaza sy midera ny voninahitry ny Tompony, ary tsy feno fiavonavonana izy ireo.
Les exégèses en arabe:
تَتَجَافَىٰ جُنُوبُهُمۡ عَنِ ٱلۡمَضَاجِعِ يَدۡعُونَ رَبَّهُمۡ خَوۡفٗا وَطَمَعٗا وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ
Miarina, miala ny fandriana izy ireo, mba hitalaho amin’ny Tompony, amim-patahorana sy amim-panantenàna ary manao asa fanomezana izy ireo, amin’izay nomenay azy.
Les exégèses en arabe:
فَلَا تَعۡلَمُ نَفۡسٞ مَّآ أُخۡفِيَ لَهُم مِّن قُرَّةِ أَعۡيُنٖ جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Tsy misy mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ny amin’ny fahafinaretan’ireo maso, ho valin’izay nataon’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
أَفَمَن كَانَ مُؤۡمِنٗا كَمَن كَانَ فَاسِقٗاۚ لَّا يَسۡتَوُۥنَ
Moa ve mitovy ny mpino sy ny mpanao asa ratsy ? (Tsia !) Tsy mitovy velively izy ireo !
Les exégèses en arabe:
أَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَلَهُمۡ جَنَّٰتُ ٱلۡمَأۡوَىٰ نُزُلَۢا بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireo ny fonenana ao amin’ireo zaridainan’ny fialofana, ho valisoan’ny asa nataon’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ فَسَقُواْ فَمَأۡوَىٰهُمُ ٱلنَّارُۖ كُلَّمَآ أَرَادُوٓاْ أَن يَخۡرُجُواْ مِنۡهَآ أُعِيدُواْ فِيهَا وَقِيلَ لَهُمۡ ذُوقُواْ عَذَابَ ٱلنَّارِ ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ
Fa ho an’ireo izay manao ny asa ratsy kosa, ny fialofan’izy ireo dia ny Afobe. Isaka ny maniry ny hiala ao izy ireo, dia averina ao, ary hotenenina izy ireo hoe : “Andramanareo ny famaizan’ny Afobe izay nolazainareo fa lainga”.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: As Sajda
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rawwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture