Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: Yâ Sîn   Verset:

Yà-sìn

يسٓ
Yasin,
Les exégèses en arabe:
وَٱلۡقُرۡءَانِ ٱلۡحَكِيمِ
Mianiana amin’ilay Kor’any feno fahendrena Aho,
Les exégèses en arabe:
إِنَّكَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Hamafisina, fa isan’ireo Iraka tokoa ianao (Mohammad),
Les exégèses en arabe:
عَلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Anatin’ny làlana mahitsy.
Les exégèses en arabe:
تَنزِيلَ ٱلۡعَزِيزِ ٱلرَّحِيمِ
Fanambarana avy amin’ilay Tsitoha sy be indrafo,
Les exégèses en arabe:
لِتُنذِرَ قَوۡمٗا مَّآ أُنذِرَ ءَابَآؤُهُمۡ فَهُمۡ غَٰفِلُونَ
Mba hampitandremanao vahoaka iray, izay mbola tsy nahazo fampitandremana hatramin’ny razamben’izy ireo, ka dia tsy miraharaha izany izy ireo.
Les exégèses en arabe:
لَقَدۡ حَقَّ ٱلۡقَوۡلُ عَلَىٰٓ أَكۡثَرِهِمۡ فَهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ
Tanteraka tokoa ny teny [sazy famaizana] natao tamin’ny ankamaroan’izy ireo, fa tsy hino izany mihitsy izy ireo.
Les exégèses en arabe:
إِنَّا جَعَلۡنَا فِيٓ أَعۡنَٰقِهِمۡ أَغۡلَٰلٗا فَهِيَ إِلَى ٱلۡأَذۡقَانِ فَهُم مُّقۡمَحُونَ
Hasianay gadra-vy eo amin’ny hatony, ka hatreo amin’ny saokany, ary indreny handeha hilanja loha izy ireo.
Les exégèses en arabe:
وَجَعَلۡنَا مِنۢ بَيۡنِ أَيۡدِيهِمۡ سَدّٗا وَمِنۡ خَلۡفِهِمۡ سَدّٗا فَأَغۡشَيۡنَٰهُمۡ فَهُمۡ لَا يُبۡصِرُونَ
Ary hasianay fefy eo anoloan’izy ireo, ary fefy ihany koa any aoriany, ary hosaromanay izy ireo ka tsy hahita mihitsy.
Les exégèses en arabe:
وَسَوَآءٌ عَلَيۡهِمۡ ءَأَنذَرۡتَهُمۡ أَمۡ لَمۡ تُنذِرۡهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ
Ary mitovy ihany amin’izy ireo, na hampitandrina azy ireo ianao, na tsy hampitandrina, dia tsy hino mihitsy izy ireo.
Les exégèses en arabe:
إِنَّمَا تُنذِرُ مَنِ ٱتَّبَعَ ٱلذِّكۡرَ وَخَشِيَ ٱلرَّحۡمَٰنَ بِٱلۡغَيۡبِۖ فَبَشِّرۡهُ بِمَغۡفِرَةٖ وَأَجۡرٖ كَرِيمٍ
Tsy mampitandrina ianao afa-tsy izay manaraka ny fampahatsiahivana sy matahotra Ilay be fiantrana na dia tsy hita maso aza. Lazao vaovao mahafaly amin’ny famelan-keloka sy valisoa sesehena ho azony izy ireo.
Les exégèses en arabe:
إِنَّا نَحۡنُ نُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَنَكۡتُبُ مَا قَدَّمُواْ وَءَاثَٰرَهُمۡۚ وَكُلَّ شَيۡءٍ أَحۡصَيۡنَٰهُ فِيٓ إِمَامٖ مُّبِينٖ
Hamafisina, fa Izahay tokoa no manangana ireo maty, ary manoratra izay nataon’izy ireo amin’ny fiainany any an-koatra, sy ny vokatr’izany. Ary noraiketinay an-tsoratra ny zava-drehetra.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: Yâ Sîn
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rouwwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture