Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: Sâd   Verset:

Swad

صٓۚ وَٱلۡقُرۡءَانِ ذِي ٱلذِّكۡرِ
Swád, Mianiana amin’ny Koroany, izay manana laza amam-boninahitra Aho !
Les exégèses en arabe:
بَلِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي عِزَّةٖ وَشِقَاقٖ
Raha ny tena marina dia ireo izay tsy nino no ao anatin’ny fiavonavonana sy fizarazarana tanteraka.
Les exégèses en arabe:
كَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِن قَبۡلِهِم مِّن قَرۡنٖ فَنَادَواْ وَّلَاتَ حِينَ مَنَاصٖ
Firifiry tamin’ny taranaka talohan’izy ireo no naringanay ka nihiaka mafy izy ireo tamin’ny fotoana efa tsy azo nandosirana intsony?
Les exégèses en arabe:
وَعَجِبُوٓاْ أَن جَآءَهُم مُّنذِرٞ مِّنۡهُمۡۖ وَقَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا سَٰحِرٞ كَذَّابٌ
Ary gaga izy ireo (ireo mponin’i Makka) fa misy mpampitandrina avy tao amin’izy ireo ihany no tonga tamin’izy ireo, ary niteny ireo tsy mpino hoe: “Io dia mpanao majika, tena mpandainga".
Les exégèses en arabe:
أَجَعَلَ ٱلۡأٓلِهَةَ إِلَٰهٗا وَٰحِدًاۖ إِنَّ هَٰذَا لَشَيۡءٌ عُجَابٞ
Moa ve hataony ho zanahary tokana ireo zanahary ? Tena marina fa izany dia zavatra mahagaga tokoa.
Les exégèses en arabe:
وَٱنطَلَقَ ٱلۡمَلَأُ مِنۡهُمۡ أَنِ ٱمۡشُواْ وَٱصۡبِرُواْ عَلَىٰٓ ءَالِهَتِكُمۡۖ إِنَّ هَٰذَا لَشَيۡءٞ يُرَادُ
Ary lasa ireo loholona tamin’izy ireo sady niteny hoe :“ Mandehana ianareo ary mahareta amin’ireo zanaharinareo satria izany tokoa no zavatra tena irina".
Les exégèses en arabe:
مَا سَمِعۡنَا بِهَٰذَا فِي ٱلۡمِلَّةِ ٱلۡأٓخِرَةِ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا ٱخۡتِلَٰقٌ
Tsy mbola naheno izany izahay tamin’ny finoana teo aloha (Kristianisma), tsy inona izany fa zavatra noforonina fotsiny.
Les exégèses en arabe:
أَءُنزِلَ عَلَيۡهِ ٱلذِّكۡرُ مِنۢ بَيۡنِنَاۚ بَلۡ هُمۡ فِي شَكّٖ مِّن ذِكۡرِيۚ بَل لَّمَّا يَذُوقُواْ عَذَابِ
Izy ve no nampidinana ny fampahatsiahivana teo amintsika ? ” Raha ny tena marina, dia ao anatin’ny ahiahy izy ireo momba ny fampahatsiahivako. Raha ny tena marina, dia mbola tsy nanandrana ny famaizana avy Amiko izy ireo !
Les exégèses en arabe:
أَمۡ عِندَهُمۡ خَزَآئِنُ رَحۡمَةِ رَبِّكَ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡوَهَّابِ
Sa izy ireo ve no mitazona ireo tahiry sarobidin’ny Famindram-pon’ny Tomponao, Ilay Mahery, Ilay Mpanome Mendrika indrindra ?
Les exégèses en arabe:
أَمۡ لَهُم مُّلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَاۖ فَلۡيَرۡتَقُواْ فِي ٱلۡأَسۡبَٰبِ
Sa azy ireo ve ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelan’izy ireo ? Aoka àry hiakatra any izy ireo amin’ny fomba izay azony atao rehetra !
Les exégèses en arabe:
جُندٞ مَّا هُنَالِكَ مَهۡزُومٞ مِّنَ ٱلۡأَحۡزَابِ
(Izy ireo dia) tafika avy amin’ny antoko maro mitambatra izay mbola eto an-toerana ihany dia efa resy !
Les exégèses en arabe:
كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ وَعَادٞ وَفِرۡعَوۡنُ ذُو ٱلۡأَوۡتَادِ
Efa nampandainga talohan’izy ireo ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, sy i Faraona izay nanana fanjakana matanjaka.
Les exégèses en arabe:
وَثَمُودُ وَقَوۡمُ لُوطٖ وَأَصۡحَٰبُ لۡـَٔيۡكَةِۚ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلۡأَحۡزَابُ
Ary ireo Thamody sy ny vahoakan’i Lota ary ireo olon’ny Aïkat. Izy ireny no antoko maro mitambatra.
Les exégèses en arabe:
إِن كُلٌّ إِلَّا كَذَّبَ ٱلرُّسُلَ فَحَقَّ عِقَابِ
Tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo afa-tsy nampandainga ireo Iraka, ka tanteraka tamin’izy ireo ny sazy avy Amiko.
Les exégèses en arabe:
وَمَا يَنظُرُ هَٰٓؤُلَآءِ إِلَّا صَيۡحَةٗ وَٰحِدَةٗ مَّا لَهَا مِن فَوَاقٖ
Ary tsy miandry izy ireo afa-tsy hiaka tokana ihany, tsy misy fiverimberenana.
Les exégèses en arabe:
وَقَالُواْ رَبَّنَا عَجِّل لَّنَا قِطَّنَا قَبۡلَ يَوۡمِ ٱلۡحِسَابِ
Ary niteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Hafaingano aminay ny anjaranay alohan’ny andro Fitsarana ”.
Les exégèses en arabe:
ٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَٱذۡكُرۡ عَبۡدَنَا دَاوُۥدَ ذَا ٱلۡأَيۡدِۖ إِنَّهُۥٓ أَوَّابٌ
Mahareta ianao amin’izay tenenin’izy ireo; ary tsarovy ny mpanomponay, Daoda (Davida) izay nanana fahatanjahana (tamin’ny fanompoana), tena marina fa izy dia tena mpibebaka (amin’I Allah).
Les exégèses en arabe:
إِنَّا سَخَّرۡنَا ٱلۡجِبَالَ مَعَهُۥ يُسَبِّحۡنَ بِٱلۡعَشِيِّ وَٱلۡإِشۡرَاقِ
Izahay dia nanery ireo tendrombohitra hidera ny voninahitr’I Allah, amin’ny hariva sy ny maraina, miaraka aminy, toy izany koa ireo voro-manidina mitangorona, ny rehetra dia maneho ny fankatoavana Azy (Allah).
Les exégèses en arabe:
وَٱلطَّيۡرَ مَحۡشُورَةٗۖ كُلّٞ لَّهُۥٓ أَوَّابٞ
Toy izany ihany koa ireo voro-manidina mitangorona,izay samy manaiky Azy (Allah/Zanahary) avokoa.
Les exégèses en arabe:
وَشَدَدۡنَا مُلۡكَهُۥ وَءَاتَيۡنَٰهُ ٱلۡحِكۡمَةَ وَفَصۡلَ ٱلۡخِطَابِ
Ary nohamafisinay ny fanjakany, nomenay azy ny fahendrena sy ny fahaizana mitsara.
Les exégèses en arabe:
۞ وَهَلۡ أَتَىٰكَ نَبَؤُاْ ٱلۡخَصۡمِ إِذۡ تَسَوَّرُواْ ٱلۡمِحۡرَابَ
Moa ve tonga aminao ny vaovaon’ireo mpifamaly rehefa niakatra ny rindrin’ny toeram-pivavahana?
Les exégèses en arabe:
إِذۡ دَخَلُواْ عَلَىٰ دَاوُۥدَ فَفَزِعَ مِنۡهُمۡۖ قَالُواْ لَا تَخَفۡۖ خَصۡمَانِ بَغَىٰ بَعۡضُنَا عَلَىٰ بَعۡضٖ فَٱحۡكُم بَيۡنَنَا بِٱلۡحَقِّ وَلَا تُشۡطِطۡ وَٱهۡدِنَآ إِلَىٰ سَوَآءِ ٱلصِّرَٰطِ
Rehefa niditra tao amin’i Daoda izy ireo dia natahotra azy ireo izy. Niteny izy ireo hoe: “Aza matahotra ianao! Izahay roa dia mpifamaly; ny iray aminay dia nanao fahadisoana tamin’ny anankiray. Ka mba tsarao àry izahay amin’ny fahamarinana, ary aoka ianao tsy hitongilana, ary tariho amin’ny làlana mahitsy izahay.
Les exégèses en arabe:
إِنَّ هَٰذَآ أَخِي لَهُۥ تِسۡعٞ وَتِسۡعُونَ نَعۡجَةٗ وَلِيَ نَعۡجَةٞ وَٰحِدَةٞ فَقَالَ أَكۡفِلۡنِيهَا وَعَزَّنِي فِي ٱلۡخِطَابِ
Tena marina fa ity dia rahalahiko, manana ondry vavy sivy amby sivifolo izy, fa izaho kosa dia tsy manana afa-tsy ondry vavy anankiray. Niteny izy tamiko hoe: “ Ankino amiko ny fikarakarana azy ary nanizingizina tamiko izy tamin’ny resaka natao ”.
Les exégèses en arabe:
قَالَ لَقَدۡ ظَلَمَكَ بِسُؤَالِ نَعۡجَتِكَ إِلَىٰ نِعَاجِهِۦۖ وَإِنَّ كَثِيرٗا مِّنَ ٱلۡخُلَطَآءِ لَيَبۡغِي بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٍ إِلَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَقَلِيلٞ مَّا هُمۡۗ وَظَنَّ دَاوُۥدُ أَنَّمَا فَتَنَّٰهُ فَٱسۡتَغۡفَرَ رَبَّهُۥ وَخَرَّۤ رَاكِعٗاۤ وَأَنَابَ۩
Niteny izy (Daoda) : “ Tena nanao ny tsy rariny taminao izy tamin’ny fangatahan'ilay ondry vavinao ho fanampin’ireo ondriny ”. Maro amin’ireo olona no mandika ny zon’ny mpiara-miombon’antoka aminy, afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, kanefa vitsy an’isa ihany izy ireo. Ary i Daoda dia nihevitra fa nitsapa azy Izahay, ka nangataka famelan-keloka tamin’ny Tompony sy niantoraka niankohoka ary nibebaka izy.
Les exégèses en arabe:
فَغَفَرۡنَا لَهُۥ ذَٰلِكَۖ وَإِنَّ لَهُۥ عِندَنَا لَزُلۡفَىٰ وَحُسۡنَ مَـَٔابٖ
Namela heloka azy Izahay. Ary tena marina fa hahazo toerana akaiky Anay sy toeram-pialofana mahafinaritra tokoa izy.
Les exégèses en arabe:
يَٰدَاوُۥدُ إِنَّا جَعَلۡنَٰكَ خَلِيفَةٗ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱحۡكُم بَيۡنَ ٱلنَّاسِ بِٱلۡحَقِّ وَلَا تَتَّبِعِ ٱلۡهَوَىٰ فَيُضِلَّكَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَضِلُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ لَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدُۢ بِمَا نَسُواْ يَوۡمَ ٱلۡحِسَابِ
“ Oh ry Daoda, tena marina fa Izahay dia nanao anao ho mpanjaka (Khalifa) eto an-tany. Mitsarà ireo olona àry ianao, araka ny rariny sy ny hitsiny, ary aza manaraka ny hetahetam-pò, fa hampanalavitra anao amin’ny làlan’I Allah izany ”. Marina fa ireo izay miala amin’ny làlan’I Allah dia hahazo famaizana mahery vaika noho izy ireo nanadino ny Andron’ny Fitsarana.
Les exégèses en arabe:
وَمَا خَلَقۡنَا ٱلسَّمَآءَ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا بَٰطِلٗاۚ ذَٰلِكَ ظَنُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۚ فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنَ ٱلنَّارِ
Ary tsy nahary ny lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo ho tsy misy antony Izahay. Izany no eritreritr’ireo izay tsy nino. Loza ho an’ireo izay tsy nino momba ny afo (izay miandry azy ireo).
Les exégèses en arabe:
أَمۡ نَجۡعَلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ كَٱلۡمُفۡسِدِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِ أَمۡ نَجۡعَلُ ٱلۡمُتَّقِينَ كَٱلۡفُجَّارِ
Moa ve hataonay ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ho toy ireo mpanao ny asa fanimbana eto an-tany ? Na koa hataonay ireo manam-patahorana ho tahaka ireo mpanao asa ratsy ?
Les exégèses en arabe:
كِتَٰبٌ أَنزَلۡنَٰهُ إِلَيۡكَ مُبَٰرَكٞ لِّيَدَّبَّرُوٓاْ ءَايَٰتِهِۦ وَلِيَتَذَكَّرَ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ
[Indro ny] Boky iray feno tso-drano izay nampidininay taminao, mba handinika izy ireo amin’ireo andian-teniny, ary mba hieritreritra ireo manana saina matsilo.
Les exégèses en arabe:
وَوَهَبۡنَا لِدَاوُۥدَ سُلَيۡمَٰنَۚ نِعۡمَ ٱلۡعَبۡدُ إِنَّهُۥٓ أَوَّابٌ
Ary nomenay an’i Daoda i Solaimana (Salômôna), mpanompo tsara tokoa izy! Marina fa izy dia tena mpibebaka!
Les exégèses en arabe:
إِذۡ عُرِضَ عَلَيۡهِ بِٱلۡعَشِيِّ ٱلصَّٰفِنَٰتُ ٱلۡجِيَادُ
Rehefa naseho taminy indray tolakandro ireo soavaly mpihazakazaka tsara tarehy,
Les exégèses en arabe:
فَقَالَ إِنِّيٓ أَحۡبَبۡتُ حُبَّ ٱلۡخَيۡرِ عَن ذِكۡرِ رَبِّي حَتَّىٰ تَوَارَتۡ بِٱلۡحِجَابِ
Niteny izy hoe : “ Tena marina fa nitia ny zava-tsara (eto ambonin’ny tany) aho ka saika nanadino ny fahatsiarovana ny Tompoko hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
Les exégèses en arabe:
رُدُّوهَا عَلَيَّۖ فَطَفِقَ مَسۡحَۢا بِٱلسُّوقِ وَٱلۡأَعۡنَاقِ
Averenonareo aty amiko izy ireo”. Dia notapahiny ireo tongony sy ireo vozony.
Les exégèses en arabe:
وَلَقَدۡ فَتَنَّا سُلَيۡمَٰنَ وَأَلۡقَيۡنَا عَلَىٰ كُرۡسِيِّهِۦ جَسَدٗا ثُمَّ أَنَابَ
Ary efa notsapainay tokoa i Solaimana, ka natsipinay tamin’ny sezany ny vatana[106] iray, avy eo dia nibebaka izy.
Les exégèses en arabe:
قَالَ رَبِّ ٱغۡفِرۡ لِي وَهَبۡ لِي مُلۡكٗا لَّا يَنۢبَغِي لِأَحَدٖ مِّنۢ بَعۡدِيٓۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡوَهَّابُ
Niteny izy hoe : “ Tompo ô ! Mamelà ahy Ianao, ary omeo fanjakana aho, izay tsy misy na dia iray aza mendrika hahazo izany any aoriako. Marina fa Ianao Ilay be fanomezana ”.
Les exégèses en arabe:
فَسَخَّرۡنَا لَهُ ٱلرِّيحَ تَجۡرِي بِأَمۡرِهِۦ رُخَآءً حَيۡثُ أَصَابَ
Nataonay teo ambany fahefany ny rivotra izay mitsioka malefaka araka ny baikony, mankany amin’ny toerana rehetra izay tiany.
Les exégèses en arabe:
وَٱلشَّيَٰطِينَ كُلَّ بَنَّآءٖ وَغَوَّاصٖ
Ary koa ireo satana izay mpanorina trano sy mpilentika an-drano isan-karazany.
Les exégèses en arabe:
وَءَاخَرِينَ مُقَرَّنِينَ فِي ٱلۡأَصۡفَادِ
Ary ny sasany hafa, izay voafatotra tsiroaroa amin’ny rojo.
Les exégèses en arabe:
هَٰذَا عَطَآؤُنَا فَٱمۡنُنۡ أَوۡ أَمۡسِكۡ بِغَيۡرِ حِسَابٖ
“ Izany no fanomezana avy Aminay; zarao, na koa tazòny, tsy hisy tatitra hataonao ny amin’izany ”.
Les exégèses en arabe:
وَإِنَّ لَهُۥ عِندَنَا لَزُلۡفَىٰ وَحُسۡنَ مَـَٔابٖ
Ary marina fa hahazo toerana akaiky izy eo Aminay, sy toeram-pialofana mahafinaritra ihany koa.
Les exégèses en arabe:
وَٱذۡكُرۡ عَبۡدَنَآ أَيُّوبَ إِذۡ نَادَىٰ رَبَّهُۥٓ أَنِّي مَسَّنِيَ ٱلشَّيۡطَٰنُ بِنُصۡبٖ وَعَذَابٍ
Ary tsarovy ny mpanomponay Ayoba (Joba), rehefa niantso ny Tompony izy, dia nanao hoe: “Nofaizin’ny satana aho tamin’ny fahorianana sy fijaliana”.
Les exégèses en arabe:
ٱرۡكُضۡ بِرِجۡلِكَۖ هَٰذَا مُغۡتَسَلُۢ بَارِدٞ وَشَرَابٞ
Kapohy amin’ny tongotrao (ny tany) dia indro rano mangatsiaka hisasanao, sy ho sotroinao.
Les exégèses en arabe:
وَوَهَبۡنَا لَهُۥٓ أَهۡلَهُۥ وَمِثۡلَهُم مَّعَهُمۡ رَحۡمَةٗ مِّنَّا وَذِكۡرَىٰ لِأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Ary natolotray azy indray ny fianakaviany, ka tahaka izany koa no niaraka tamin’izy ireo, noho ny famindram-po avy Aminay sy fampatsiahivana ho an’ireo izay manan-tsaina.
Les exégèses en arabe:
وَخُذۡ بِيَدِكَ ضِغۡثٗا فَٱضۡرِب بِّهِۦ وَلَا تَحۡنَثۡۗ إِنَّا وَجَدۡنَٰهُ صَابِرٗاۚ نِّعۡمَ ٱلۡعَبۡدُ إِنَّهُۥٓ أَوَّابٞ
“Mandraisa ratsan-kazo palma iray fehezana amin’ny tànanao ianao, avy eo kapohy amin’ny alàlan’izany izy (ny vadinao), ary aza mivadika amin’ny fianiananao”. Marina fa Izahay dia nahita azy naharitra. Endrey fa mpanompo mendrika tokoa izy! Mibebaka lalandava izy.
Les exégèses en arabe:
وَٱذۡكُرۡ عِبَٰدَنَآ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ أُوْلِي ٱلۡأَيۡدِي وَٱلۡأَبۡصَٰرِ
Ary tsarovinao ireo mpanomponay Ibrahimo, Isaka, Jakoba izay natanjaka tamin’ny fanompoana sy nahiratra.
Les exégèses en arabe:
إِنَّآ أَخۡلَصۡنَٰهُم بِخَالِصَةٖ ذِكۡرَى ٱلدَّارِ
Tena marina fa nataonay nanana fiavahana manokana izy ireo, ny fampahatsiahivana ny any ankoatra.
Les exégèses en arabe:
وَإِنَّهُمۡ عِندَنَا لَمِنَ ٱلۡمُصۡطَفَيۡنَ ٱلۡأَخۡيَارِ
Ary tena marina fa, izy ireo eo akaikinay, dia anisan’ireo olom-boafidy mendrika indrindra.
Les exégèses en arabe:
وَٱذۡكُرۡ إِسۡمَٰعِيلَ وَٱلۡيَسَعَ وَذَا ٱلۡكِفۡلِۖ وَكُلّٞ مِّنَ ٱلۡأَخۡيَارِ
Ary tsarovy Ismaela, i Elize (Al-Yassa) sy i Zol-Kifl, ny tsirairay amin’izy ireo dia samy anisan’ireo mendrika indrindra.
Les exégèses en arabe:
هَٰذَا ذِكۡرٞۚ وَإِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ لَحُسۡنَ مَـَٔابٖ
Izany dia fampahatsiahivana. Ary marina fa ho an’ireo manam-patahorana ny toeram-pialan-tsasatra mendrika indrindra:
Les exégèses en arabe:
جَنَّٰتِ عَدۡنٖ مُّفَتَّحَةٗ لَّهُمُ ٱلۡأَبۡوَٰبُ
Ireo zaridainan’i Edena, misokatra ho azy ireo ny varavarana maro,
Les exégèses en arabe:
مُتَّكِـِٔينَ فِيهَا يَدۡعُونَ فِيهَا بِفَٰكِهَةٖ كَثِيرَةٖ وَشَرَابٖ
Ka mitehin-kiho izy ireo ao, no sady mangataka voankazo maro sy zava-pisotro isan-karazany.
Les exégèses en arabe:
۞ وَعِندَهُمۡ قَٰصِرَٰتُ ٱلطَّرۡفِ أَتۡرَابٌ
Ary eo akaikin’izy ireo dia hisy ireo vehivavy tsara tarehy manana fijery maotina, mitovy taona avokoa izy rehetra.
Les exégèses en arabe:
هَٰذَا مَا تُوعَدُونَ لِيَوۡمِ ٱلۡحِسَابِ
Izany no hampanantenaina anareo ho amin’ny Andron’ny Fitsarana.
Les exégèses en arabe:
إِنَّ هَٰذَا لَرِزۡقُنَا مَا لَهُۥ مِن نَّفَادٍ
Izany tokoa no anjara fanomezana avy Aminay, tsy manam-pahataperana.
Les exégèses en arabe:
هَٰذَاۚ وَإِنَّ لِلطَّٰغِينَ لَشَرَّ مَـَٔابٖ
Indro àry ! Ary tena marina fa ho an’ireo mpihoa-pefy ny toeram-pialan-tsasatra ratsy indrindra:
Les exégèses en arabe:
جَهَنَّمَ يَصۡلَوۡنَهَا فَبِئۡسَ ٱلۡمِهَادُ
Ny Afobe izay handoro azy ireo. Endrey izany haratsian’ny fandriana !
Les exégèses en arabe:
هَٰذَا فَلۡيَذُوقُوهُ حَمِيمٞ وَغَسَّاقٞ
Indro àry ! Fa aoka hanandrana ny rano mangotraka sy maimbo ao izy ireo,
Les exégèses en arabe:
وَءَاخَرُ مِن شَكۡلِهِۦٓ أَزۡوَٰجٌ
Sy karazana sazy hafa mitovy amin’izany.
Les exégèses en arabe:
هَٰذَا فَوۡجٞ مُّقۡتَحِمٞ مَّعَكُمۡ لَا مَرۡحَبَۢا بِهِمۡۚ إِنَّهُمۡ صَالُواْ ٱلنَّارِ
Indro fa misy andiany iray izay miditra amim-pirotorotoana miaraka aminareo, tsy misy fiarahabana tongasoa ho azy ireo. Fa hodorana ao anatin’ny Afobe izy ireo.
Les exégèses en arabe:
قَالُواْ بَلۡ أَنتُمۡ لَا مَرۡحَبَۢا بِكُمۡۖ أَنتُمۡ قَدَّمۡتُمُوهُ لَنَاۖ فَبِئۡسَ ٱلۡقَرَارُ
Niteny izy ireo hoe : “Raha ny tena marina dia tsy misy fiarahabana tongasoa ho anareo. Ianareo no nanomana izany ho anay”, endrey izany haratsian’ ny toeram-pijanonana !
Les exégèses en arabe:
قَالُواْ رَبَّنَا مَن قَدَّمَ لَنَا هَٰذَا فَزِدۡهُ عَذَابٗا ضِعۡفٗا فِي ٱلنَّارِ
Hiteny izy ireo hoe : “Ry Tomponay ô ! Izay nanomana izany ho anay dia ampitomboy aminy ho avo roa heny ny famaizana ao anatin’ny Afobe”.
Les exégèses en arabe:
وَقَالُواْ مَا لَنَا لَا نَرَىٰ رِجَالٗا كُنَّا نَعُدُّهُم مِّنَ ٱلۡأَشۡرَارِ
Hiteny izy ireo hoe : “ Nahoana izahay no tsy mahita ireo olona izay noheverinay ho anisan’ireo olon-dratsy ? ”
Les exégèses en arabe:
أَتَّخَذۡنَٰهُمۡ سِخۡرِيًّا أَمۡ زَاغَتۡ عَنۡهُمُ ٱلۡأَبۡصَٰرُ
Moa ve Izahay no namazivazy azy ireo (amim-pahadisoana), sa tsy tazanay maso izy ireo?”
Les exégèses en arabe:
إِنَّ ذَٰلِكَ لَحَقّٞ تَخَاصُمُ أَهۡلِ ٱلنَّارِ
Izany tokoa no tena marina amin’ny fifandiran’ireo olon’ny Afobe.
Les exégèses en arabe:
قُلۡ إِنَّمَآ أَنَا۠ مُنذِرٞۖ وَمَا مِنۡ إِلَٰهٍ إِلَّا ٱللَّهُ ٱلۡوَٰحِدُ ٱلۡقَهَّارُ
Teneno hoe : “ Tsy inona aho fa Mpampitandrina ihany. Ary tsy misy zanahary hafa ivelan’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Tompom-pahefana,
Les exégèses en arabe:
رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡغَفَّٰرُ
Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, Ilay Mahery, Ilay be Fandeferana ”.
Les exégèses en arabe:
قُلۡ هُوَ نَبَؤٌاْ عَظِيمٌ
Teneno hoe : “ Ity (Koroany ity) dia vaovao lehibe",
Les exégèses en arabe:
أَنتُمۡ عَنۡهُ مُعۡرِضُونَ
Nefa ianareo dia mitodi-damosina aminy.
Les exégèses en arabe:
مَا كَانَ لِيَ مِنۡ عِلۡمِۭ بِٱلۡمَلَإِ ٱلۡأَعۡلَىٰٓ إِذۡ يَخۡتَصِمُونَ
Izaho dia tsy manana fahalalana momba ireo manam-boninahitra ambony indrindra raha niady hevitra izy ireo.
Les exégèses en arabe:
إِن يُوحَىٰٓ إِلَيَّ إِلَّآ أَنَّمَآ أَنَا۠ نَذِيرٞ مُّبِينٌ
Ny hany nambara tamiko dia ny hoe mpampitandrina miharihary aho.
Les exégèses en arabe:
إِذۡ قَالَ رَبُّكَ لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِنِّي خَٰلِقُۢ بَشَرٗا مِّن طِينٖ
Rehefa niteny ny Tomponao tamin’ireo Anjely hoe : “ Izaho dia hamorona olombelona avy amin’ny tany manga"
Les exégèses en arabe:
فَإِذَا سَوَّيۡتُهُۥ وَنَفَخۡتُ فِيهِ مِن رُّوحِي فَقَعُواْ لَهُۥ سَٰجِدِينَ
Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara ka notsofiko taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miankohofa eo aminy ianareo.
Les exégèses en arabe:
فَسَجَدَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ كُلُّهُمۡ أَجۡمَعُونَ
Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra.
Les exégèses en arabe:
إِلَّآ إِبۡلِيسَ ٱسۡتَكۡبَرَ وَكَانَ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Afa-tsy Iblisa (satana) izay nanambony tena ka lasa anisan’ireo mpikomy.
Les exégèses en arabe:
قَالَ يَٰٓإِبۡلِيسُ مَا مَنَعَكَ أَن تَسۡجُدَ لِمَا خَلَقۡتُ بِيَدَيَّۖ أَسۡتَكۡبَرۡتَ أَمۡ كُنتَ مِنَ ٱلۡعَالِينَ
Niteny Izy (Allah) hoe : Ô ry Iblisa ! Inona no nisakana anao tsy niankohoka teo anatrehan’izay noforoniko tamin’ny tanako roa ? Miavonavona ve ianao, sa ianao dia anisan’ireo ambony toerana ? ”
Les exégèses en arabe:
قَالَ أَنَا۠ خَيۡرٞ مِّنۡهُ خَلَقۡتَنِي مِن نَّارٖ وَخَلَقۡتَهُۥ مِن طِينٖ
Niteny (Iblisa) hoe : “ Izaho no mendrika kokoa noho izy, noforoninao avy tamin’ny afo aho, fa izy kosa dia noforoninao avy tamin’ny tany manga ”.
Les exégèses en arabe:
قَالَ فَٱخۡرُجۡ مِنۡهَا فَإِنَّكَ رَجِيمٞ
Niteny Izy (Allah) hoe :“ Mialà ao (amin’ny Paradisa) ianao ! Fa ianao dia tena voahozona.
Les exégèses en arabe:
وَإِنَّ عَلَيۡكَ لَعۡنَتِيٓ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلدِّينِ
Ary hihatra aminao tokoa ny ozona avy Amiko mandra-pahatongan’ny Andro hitsinjarana ny valin’asa ”.
Les exégèses en arabe:
قَالَ رَبِّ فَأَنظِرۡنِيٓ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ
Niteny izy hoe : “ O ! Ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry aho mandra-pahatongan’ny andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”.
Les exégèses en arabe:
قَالَ فَإِنَّكَ مِنَ ٱلۡمُنظَرِينَ
Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany.
Les exégèses en arabe:
إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡوَقۡتِ ٱلۡمَعۡلُومِ
Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”.
Les exégèses en arabe:
قَالَ فَبِعِزَّتِكَ لَأُغۡوِيَنَّهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Niteny izy (Iblisa) hoe : “ Mianiana amin’ny fahefanao aho! Fa tena hamery azy rehetra aho"
Les exégèses en arabe:
إِلَّا عِبَادَكَ مِنۡهُمُ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo .
Les exégèses en arabe:
قَالَ فَٱلۡحَقُّ وَٱلۡحَقَّ أَقُولُ
Niteny izy (Allah) hoe : “ Tena marina ary ny marina no teneniko,
Les exégèses en arabe:
لَأَمۡلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنكَ وَمِمَّن تَبِعَكَ مِنۡهُمۡ أَجۡمَعِينَ
Tena ho fenoiko anao ny Afobe (Djahannama) sy izay rehetra hanaraka anao amin’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
قُلۡ مَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٖ وَمَآ أَنَا۠ مِنَ ٱلۡمُتَكَلِّفِينَ
Teneno :“ Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho; ary tsy anisan’ireo mpisandoka.
Les exégèses en arabe:
إِنۡ هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ
Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao
Les exégèses en arabe:
وَلَتَعۡلَمُنَّ نَبَأَهُۥ بَعۡدَ حِينِۭ
Ary tena ho fantatrareo tsy ho ela ny vaovao momba izany !.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: Sâd
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rawwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture