Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: Muhammad   Verset:

Mohammad

ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ أَضَلَّ أَعۡمَٰلَهُمۡ
Ireo izay tsy nino ka nisakana ny lalan’I Allah, dia nataony very maina ny asan’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَءَامَنُواْ بِمَا نُزِّلَ عَلَىٰ مُحَمَّدٖ وَهُوَ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّهِمۡ كَفَّرَ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡ وَأَصۡلَحَ بَالَهُمۡ
Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa, ary nino izay nampidinina tamin’i Mohammady, fa izany no fahamarinana avy amin’nyTompon’izy ireo, dia ho fafana ny asa ratsin’izy ireo, ary hatsaraina ny fiainan’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱتَّبَعُواْ ٱلۡبَٰطِلَ وَأَنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّبَعُواْ ٱلۡحَقَّ مِن رَّبِّهِمۡۚ كَذَٰلِكَ يَضۡرِبُ ٱللَّهُ لِلنَّاسِ أَمۡثَٰلَهُمۡ
Ny anton’izany satria nanaraka ny diso ireo izay tsy nino, fa nanaraka ny marina avy amin’ny Tompony kosa izay nino. Toy izany no anehoan’I Allah ireo fanoharana amin’ny olombelona.
Les exégèses en arabe:
فَإِذَا لَقِيتُمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فَضَرۡبَ ٱلرِّقَابِ حَتَّىٰٓ إِذَآ أَثۡخَنتُمُوهُمۡ فَشُدُّواْ ٱلۡوَثَاقَ فَإِمَّا مَنَّۢا بَعۡدُ وَإِمَّا فِدَآءً حَتَّىٰ تَضَعَ ٱلۡحَرۡبُ أَوۡزَارَهَاۚ ذَٰلِكَۖ وَلَوۡ يَشَآءُ ٱللَّهُ لَٱنتَصَرَ مِنۡهُمۡ وَلَٰكِن لِّيَبۡلُوَاْ بَعۡضَكُم بِبَعۡضٖۗ وَٱلَّذِينَ قُتِلُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ فَلَن يُضِلَّ أَعۡمَٰلَهُمۡ
Rehefa mifanandrina amin’ireo tsy mpino ianareo, dia kapohy ao amin'ny hatony. Ka rehefa lavonareo, dia fatory mafy. Ary aza afahana tsotra izao, na angatahana takalony, hatramin’ny fitsaharan’ny vesatry ny ady. Toy izany, satria raha ny tian’I Allah, dia Izy mihitsy no namaly azy ireo, fa natao izany mba hifampisedranareo. Fa izay maty amin’ny lalan’I Allah, dia tsy ataony very maina mihitsy ny asan’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
سَيَهۡدِيهِمۡ وَيُصۡلِحُ بَالَهُمۡ
Ho tarihiny lalana izy ireo, ary ho hatsarainy ny momba azy ireo,
Les exégèses en arabe:
وَيُدۡخِلُهُمُ ٱلۡجَنَّةَ عَرَّفَهَا لَهُمۡ
Ka hampidiriny amin’ny Paradisa izay hampafantariny azy ireo.
Les exégèses en arabe:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن تَنصُرُواْ ٱللَّهَ يَنصُرۡكُمۡ وَيُثَبِّتۡ أَقۡدَامَكُمۡ
Ianareo mpino ! Raha ampandresenareo izay mikasika an’I Allah, dia hataony mpandresy ianareo, ka ho hamafisiny ny dianareo.
Les exégèses en arabe:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فَتَعۡسٗا لَّهُمۡ وَأَضَلَّ أَعۡمَٰلَهُمۡ
Fa ireo izay tsy mpino kosa, dia hisy loza ho azy ireo, ka hataony very maina ny asan’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ كَرِهُواْ مَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ فَأَحۡبَطَ أَعۡمَٰلَهُمۡ
Izany satria nankahalan’izy ireo izay nampidinin’I Allah. Ka nataony very maina ny asan’izy ireo.
Les exégèses en arabe:
۞ أَفَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۖ دَمَّرَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡۖ وَلِلۡكَٰفِرِينَ أَمۡثَٰلُهَا
Tsy nitety ny tany va izy ireo, mba hahita izay niafaran’ireo talohany ? Nopotehin’I Allah izy ireny. Natokana ho an’ireo tsy mpino ny fiafarana tahaka izany.
Les exégèses en arabe:
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ مَوۡلَى ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَأَنَّ ٱلۡكَٰفِرِينَ لَا مَوۡلَىٰ لَهُمۡ
Fa tena mpiahy ireo mpino tokoa Allah, fa ireo tsy mpino kosa dia tsy mba manam-piahy.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: Muhammad
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rawwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture