Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: Al Mâ'idah   Verset:
قَالَ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَ ٱللَّهُمَّ رَبَّنَآ أَنزِلۡ عَلَيۡنَا مَآئِدَةٗ مِّنَ ٱلسَّمَآءِ تَكُونُ لَنَا عِيدٗا لِّأَوَّلِنَا وَءَاخِرِنَا وَءَايَةٗ مِّنكَۖ وَٱرۡزُقۡنَا وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ
Niteny i Jesoa zanak’i Maria nanao hoe : “Oh ry Allah Tomponay ! Ampidino aminay ny latabatra feno sakafo avy any an-danitra mba ho fety ho anay, ka ho an’ny voalohany aminay sy ho an’ny farany, ary ho fanambarana avy Aminao. Ary omeo anjara sakafo izahay, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpanome anjara”.
Les exégèses en arabe:
قَالَ ٱللَّهُ إِنِّي مُنَزِّلُهَا عَلَيۡكُمۡۖ فَمَن يَكۡفُرۡ بَعۡدُ مِنكُمۡ فَإِنِّيٓ أُعَذِّبُهُۥ عَذَابٗا لَّآ أُعَذِّبُهُۥٓ أَحَدٗا مِّنَ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny I Allah nanao hoe : “Tena marina fa Izaho dia hampidina izany aminareo, fa izay tsy mino aminareo aorian’izany, Izaho dia tena hanasazy azy amin’ny sazy izay tsy hanasaziako an’iza na iza amin’izao tontolo izao”.
Les exégèses en arabe:
وَإِذۡ قَالَ ٱللَّهُ يَٰعِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ ءَأَنتَ قُلۡتَ لِلنَّاسِ ٱتَّخِذُونِي وَأُمِّيَ إِلَٰهَيۡنِ مِن دُونِ ٱللَّهِۖ قَالَ سُبۡحَٰنَكَ مَا يَكُونُ لِيٓ أَنۡ أَقُولَ مَا لَيۡسَ لِي بِحَقٍّۚ إِن كُنتُ قُلۡتُهُۥ فَقَدۡ عَلِمۡتَهُۥۚ تَعۡلَمُ مَا فِي نَفۡسِي وَلَآ أَعۡلَمُ مَا فِي نَفۡسِكَۚ إِنَّكَ أَنتَ عَلَّٰمُ ٱلۡغُيُوبِ
Ary raha niteny I Allah nanao hoe : “Oh ry Jeso zanak’i Maria, moa ve Ianao no niteny tamin’olona hoe raiso aho sy ny reniko ho Tompo roa ankoatr’I Allah ?”. Niteny i Jesoa nanao hoe : “Dera sy voninahitra ho Anao ! Tsy afaka hiteny amin’izay tsy nananako zo aho ! Raha tsy niteny izany aho dia efa fantatrao. Mahalala ny ato amiko Ianao fa izaho kosa tsy mahalala ny ao Aminao .Tena marina fa Ianao no tena Mahalala ny miafina rehetra.
Les exégèses en arabe:
مَا قُلۡتُ لَهُمۡ إِلَّا مَآ أَمَرۡتَنِي بِهِۦٓ أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ رَبِّي وَرَبَّكُمۡۚ وَكُنتُ عَلَيۡهِمۡ شَهِيدٗا مَّا دُمۡتُ فِيهِمۡۖ فَلَمَّا تَوَفَّيۡتَنِي كُنتَ أَنتَ ٱلرَّقِيبَ عَلَيۡهِمۡۚ وَأَنتَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ شَهِيدٌ
Tsy niteny tamin’izy ireo aho afa-tsy izay nandidianao ahy hoe : “Tompoinareo I Allah Tompoko sy Tomponareo”. Ary izaho no vavolombelona tamin’izy ireo fony mbola teo amin’izy ireo aho. Fa rehefa nalainao kosa aho dia Ianao no Ilay Mpanara-maso azy ireo. Ary Ianao no Vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
Les exégèses en arabe:
إِن تُعَذِّبۡهُمۡ فَإِنَّهُمۡ عِبَادُكَۖ وَإِن تَغۡفِرۡ لَهُمۡ فَإِنَّكَ أَنتَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Raha hanasazy azy ireo Ianao, izy ireo dia mpanomponao, raha hamela azy ireo kosa Ianao, tena marina fa Ianao no Ilay Mahery, Ilay be Fahendrena.
Les exégèses en arabe:
قَالَ ٱللَّهُ هَٰذَا يَوۡمُ يَنفَعُ ٱلصَّٰدِقِينَ صِدۡقُهُمۡۚ لَهُمۡ جَنَّٰتٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ رَّضِيَ ٱللَّهُ عَنۡهُمۡ وَرَضُواْ عَنۡهُۚ ذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Niteny Allah nanao hoe : “Ity no andro izay ahazoan’ireo olo-marina tombontsoa tamin’ny fahamarinan’izy ireo, ho azy ireo ny zaridaina maro misy renirano mikoriana eo ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Nankasitraka azy ireo I Allah ary izy ireo koa dia nankasitraka Azy. Izany ilay fahombiazana lehibe.
Les exégèses en arabe:
لِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا فِيهِنَّۚ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرُۢ
An’I Allah irery ihany ny fanjakana any amin’ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. Ary Izy no Mahefa ny zava-drehetra.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: Al Mâ'idah
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rouwwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture