Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: Al Hadîd   Verset:
لَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا رُسُلَنَا بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَأَنزَلۡنَا مَعَهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡمِيزَانَ لِيَقُومَ ٱلنَّاسُ بِٱلۡقِسۡطِۖ وَأَنزَلۡنَا ٱلۡحَدِيدَ فِيهِ بَأۡسٞ شَدِيدٞ وَمَنَٰفِعُ لِلنَّاسِ وَلِيَعۡلَمَ ٱللَّهُ مَن يَنصُرُهُۥ وَرُسُلَهُۥ بِٱلۡغَيۡبِۚ إِنَّ ٱللَّهَ قَوِيٌّ عَزِيزٞ
Nandefa ireo Irakay, niaraka tamin’ireo porofo mazava tokoa Izahay, ary nampidina ny boky sy ny fandanjana niaraka tamin’izy ireo, mba hampijoroan’ny olona ny fahamarinana. Nampidininay ny vy izay misy hery mafy, sy ilain’ny olona koa, ary hanavahan’I Allah izay hiaro ny foto-keviny sy ny an’ireo Irany na dia tsy mahita Azy aza. Fa matanjaka sy tsitoha Izy Allah.
Les exégèses en arabe:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا نُوحٗا وَإِبۡرَٰهِيمَ وَجَعَلۡنَا فِي ذُرِّيَّتِهِمَا ٱلنُّبُوَّةَ وَٱلۡكِتَٰبَۖ فَمِنۡهُم مُّهۡتَدٖۖ وَكَثِيرٞ مِّنۡهُمۡ فَٰسِقُونَ
Nirahinay tokoa i Noa sy Abrahama, ary nomenay ny taranak’izy ireo ny faminaniana sy ny boky. Voatari-dalana ny sasany amin’izy ireo, fa ny ankamaroany kosa dia ratsy fitondra-tena.
Les exégèses en arabe:
ثُمَّ قَفَّيۡنَا عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِم بِرُسُلِنَا وَقَفَّيۡنَا بِعِيسَى ٱبۡنِ مَرۡيَمَ وَءَاتَيۡنَٰهُ ٱلۡإِنجِيلَۖ وَجَعَلۡنَا فِي قُلُوبِ ٱلَّذِينَ ٱتَّبَعُوهُ رَأۡفَةٗ وَرَحۡمَةٗۚ وَرَهۡبَانِيَّةً ٱبۡتَدَعُوهَا مَا كَتَبۡنَٰهَا عَلَيۡهِمۡ إِلَّا ٱبۡتِغَآءَ رِضۡوَٰنِ ٱللَّهِ فَمَا رَعَوۡهَا حَقَّ رِعَايَتِهَاۖ فَـَٔاتَيۡنَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنۡهُمۡ أَجۡرَهُمۡۖ وَكَثِيرٞ مِّنۡهُمۡ فَٰسِقُونَ
Avy eo, nampanarahinay ny dian’izy ireo ny Irakay sasany, ary nampanarahinay an’i Jesoa zanak’i Maria, izay nitondra ny Evanjely, ka nametrahanay hamoram-po sy halemem-panahy tao an-pon’ireo izay nanaraka azy. Ny fanokanan-tena izay noforonin’izy ireo dia tsy nandidianay azy ireo mihitsy, afa-tsy ny fitadiavana ny fankasitrahan’I Allah ihany. Fa tsy narahin’izy ireo araka ny tokony ho izy izany. Nomenay ny valisoan’izay nino tamin’izy ireo. Saingy maro kosa ireo ratsy fitondran-tena.
Les exégèses en arabe:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَءَامِنُواْ بِرَسُولِهِۦ يُؤۡتِكُمۡ كِفۡلَيۡنِ مِن رَّحۡمَتِهِۦ وَيَجۡعَل لَّكُمۡ نُورٗا تَمۡشُونَ بِهِۦ وَيَغۡفِرۡ لَكُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ianareo mpino ! Aoka ianareo hatahotra an’I Allah, sy hino ny Irany, mba hanomezany anareo anjara roa amin’ny famindram-pony, ary hanomezany hazavana anareo mandeha, sy hamelany ny helokareo, fa mpamela heloka sy be indrafo I Allah.
Les exégèses en arabe:
لِّئَلَّا يَعۡلَمَ أَهۡلُ ٱلۡكِتَٰبِ أَلَّا يَقۡدِرُونَ عَلَىٰ شَيۡءٖ مِّن فَضۡلِ ٱللَّهِ وَأَنَّ ٱلۡفَضۡلَ بِيَدِ ٱللَّهِ يُؤۡتِيهِ مَن يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ ذُو ٱلۡفَضۡلِ ٱلۡعَظِيمِ
Mba hafantaran’ireo olon’ny boky, fa tsy afaka manana ny fahasoavan’I Allah mihitsy izy ireo, ary eo am-pelatanan’I Allah ny fahasoavana. Omeny izay sitrany homena izany, fa Tompon’ny fahasoavana lehibe Allah.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: Al Hadîd
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rawwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture