Check out the new design

Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. * - Lexique des traductions


Traduction des sens Sourate: Al Mutaffifûne   Verset:
لِيَوۡمٍ عَظِيمٖ
Amin'ny ilay andro iray lehibe.
Les exégèses en arabe:
يَوۡمَ يَقُومُ ٱلنَّاسُ لِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ilay andro izay hitsanganan'ny olombelona amin'ny maty manoloana ilay Tompon'izao tontolo izao.
Les exégèses en arabe:
كَلَّآ إِنَّ كِتَٰبَ ٱلۡفُجَّارِ لَفِي سِجِّينٖ
Tsia! ny tena marina anefa ireo olona tsy vanon-toetra ireo dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Afo be.
Les exégèses en arabe:
وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا سِجِّينٞ
Moa fantatrao ve izany takelaka izany?
Les exégèses en arabe:
كِتَٰبٞ مَّرۡقُومٞ
Boky efa voasoratra.
Les exégèses en arabe:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza hoan'ireo izay mpanda an'izany andro farany izany.
Les exégèses en arabe:
ٱلَّذِينَ يُكَذِّبُونَ بِيَوۡمِ ٱلدِّينِ
Dia ireo izay tsy nino ny Andro fitsarana.
Les exégèses en arabe:
وَمَا يُكَذِّبُ بِهِۦٓ إِلَّا كُلُّ مُعۡتَدٍ أَثِيمٍ
tsy misy nanda izany anefa afa-tsy izay mpihoa-pefy sy ny mpanota matevi-koditra ihany.
Les exégèses en arabe:
إِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ءَايَٰتُنَا قَالَ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Koa rehefa torìna aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.
Les exégèses en arabe:
كَلَّاۖ بَلۡۜ رَانَ عَلَىٰ قُلُوبِهِم مَّا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Tsia! Indrisy anefa fa voarakotr'ireo zava-bitany ny fon'izy ireo.
Les exégèses en arabe:
كَلَّآ إِنَّهُمۡ عَن رَّبِّهِمۡ يَوۡمَئِذٖ لَّمَحۡجُوبُونَ
Tsia! Tena marina izy ireo, amin'izany andro izany, dia tsy hahita ny Tompon'izy ireo.
Les exégèses en arabe:
ثُمَّ إِنَّهُمۡ لَصَالُواْ ٱلۡجَحِيمِ
Ary dia ho ao anatin'ny Afobe mandrakizay.
Les exégèses en arabe:
ثُمَّ يُقَالُ هَٰذَا ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ
Rehefa izany dia hambara amin'izy ireo hoe: "io ary ilay zavatra nolavinareo".
Les exégèses en arabe:
كَلَّآ إِنَّ كِتَٰبَ ٱلۡأَبۡرَارِ لَفِي عِلِّيِّينَ
Tsia! Fa ireo feno fankatoavana an'I Allah kosa dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Paradisa.
Les exégèses en arabe:
وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا عِلِّيُّونَ
Moa ve fantatrao izany takelaka misy ny olon'ny paradisa izany.
Les exégèses en arabe:
كِتَٰبٞ مَّرۡقُومٞ
Boky efa voasoratra.
Les exégèses en arabe:
يَشۡهَدُهُ ٱلۡمُقَرَّبُونَ
Ho vavolombelona ny amin'izay ireo anjely.
Les exégèses en arabe:
إِنَّ ٱلۡأَبۡرَارَ لَفِي نَعِيمٍ
Eny! Tena marina, ireo feno fankatoavana an'I Allah, dia ho ao anatin'ny fiadanana.
Les exégèses en arabe:
عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِ يَنظُرُونَ
Ka eo ambon'ny toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'I Allah.
Les exégèses en arabe:
تَعۡرِفُ فِي وُجُوهِهِمۡ نَضۡرَةَ ٱلنَّعِيمِ
Hitanao taratra eny amin'ny endrik'izy ireo ny hazavam-pahasoavana.
Les exégèses en arabe:
يُسۡقَوۡنَ مِن رَّحِيقٖ مَّخۡتُومٍ
Hampisotroina azy ireo ny fisotro tsara indrindra voatokana ho azy ireo.
Les exégèses en arabe:
خِتَٰمُهُۥ مِسۡكٞۚ وَفِي ذَٰلِكَ فَلۡيَتَنَافَسِ ٱلۡمُتَنَٰفِسُونَ
Ny tsirony eo am-piafarana dia manitra, mamerovero, ka tokony hifaninana ny amin'izany ireo te-hifaninana.
Les exégèses en arabe:
وَمِزَاجُهُۥ مِن تَسۡنِيمٍ
zava-pisotro izay nifangaro tamin'ny loharanon'ny Tasnima.
Les exégèses en arabe:
عَيۡنٗا يَشۡرَبُ بِهَا ٱلۡمُقَرَّبُونَ
loharano izay fisotroan'ireo izay akaikin'I Allah
Les exégèses en arabe:
إِنَّ ٱلَّذِينَ أَجۡرَمُواْ كَانُواْ مِنَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ يَضۡحَكُونَ
Tena marina, ireo tsy mpino dia nandrebireby sy nanao fihomezana ireo mpino fahiny.
Les exégèses en arabe:
وَإِذَا مَرُّواْ بِهِمۡ يَتَغَامَزُونَ
ary raha sendra mandalo eo anoloan'ireo mpino izy ireo dia mangarika.
Les exégèses en arabe:
وَإِذَا ٱنقَلَبُوٓاْ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِمُ ٱنقَلَبُواْ فَكِهِينَ
rehefa miverina any amin'ny fianakaviany izy ireo, dia miverina am-pandrebirebiana sy am-panesoana ireo mpino.
Les exégèses en arabe:
وَإِذَا رَأَوۡهُمۡ قَالُوٓاْ إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ لَضَآلُّونَ
ary rehefa mahita ny mpino izy ireo dia milaza fa tena olom-bery ireo.
Les exégèses en arabe:
وَمَآ أُرۡسِلُواْ عَلَيۡهِمۡ حَٰفِظِينَ
ary tsy nandefasana ireo anjely mpiambina akory izy ireo.
Les exégèses en arabe:
 
Traduction des sens Sourate: Al Mutaffifûne
Lexique des sourates Numéro de la page
 
Traduction des sens du Noble Coran - La traduction malgache - Centre de traduction Rawwâd. - Lexique des traductions

L'équipe du Centre Rawwâd At-Tarjamah (Les Pionniers de la Traduction) l'a traduite.

Fermeture