Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - الترجمة المالاغاشية - رواد * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અન્ નહલ   આયત:

An-nahl

أَتَىٰٓ أَمۡرُ ٱللَّهِ فَلَا تَسۡتَعۡجِلُوهُۚ سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Tonga ny didin’i Allah ! Ka aoka tsy ho maika amin’izany Ianareo. Voninahitra anie ho Azy ! ilay Avo indrindra amin’izay atambatr’izy ireo Aminy.
અરબી તફસીરો:
يُنَزِّلُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ بِٱلرُّوحِ مِنۡ أَمۡرِهِۦ عَلَىٰ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦٓ أَنۡ أَنذِرُوٓاْ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّآ أَنَا۠ فَٱتَّقُونِ
Mampidina ireo Anjely miaraka amin’ny fanambarana Izy, avy amin’ny baikony, ho an’izay sitrany amin’ireo mpanompony : “ Ampitandremonareo fa tsy misy Zanahary hafa ankoatra Ahy. Koa matahora Ahy àry Ianareo ”.
અરબી તફસીરો:
خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّۚ تَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Nahary ireo lanitra sy ny tany am-pahamarinana Izy. Ambony noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy.
અરબી તફસીરો:
خَلَقَ ٱلۡإِنسَٰنَ مِن نُّطۡفَةٖ فَإِذَا هُوَ خَصِيمٞ مُّبِينٞ
Nahary ny Olombelona amin’ny alalan’ny ranon’aina indray mitete Izy, ka indro lasa mpifanohitra miharihary (amin’ny Tompony) Izy.
અરબી તફસીરો:
وَٱلۡأَنۡعَٰمَ خَلَقَهَاۖ لَكُمۡ فِيهَا دِفۡءٞ وَمَنَٰفِعُ وَمِنۡهَا تَأۡكُلُونَ
Ary ireo biby, nohariany ho Anareo izany, Ahazoanareo hafanana izany (ny fitafiana) sy tombontsoa maro hafa. Ary hisakafo avy amin’izany koa Ianareo.
અરબી તફસીરો:
وَلَكُمۡ فِيهَا جَمَالٌ حِينَ تُرِيحُونَ وَحِينَ تَسۡرَحُونَ
Manome endrika Anareo izy ireo raha entinareo amin’ny hariva, ary koa amin’ny maraina, rehefa mamoaka azy ireo ho eny amin’ny tanim-bilona ianareo.
અરબી તફસીરો:
وَتَحۡمِلُ أَثۡقَالَكُمۡ إِلَىٰ بَلَدٖ لَّمۡ تَكُونُواْ بَٰلِغِيهِ إِلَّا بِشِقِّ ٱلۡأَنفُسِۚ إِنَّ رَبَّكُمۡ لَرَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Ary mitondra ny enta-mavesatrareo izy ireo, mankany amin’ny tanàna hafa izay tsy tonganareo raha tsy amin-kasarotana mafy. Marina tokoa fa ny Tomponareo, dia be Fitsimbinana sy be Indrafo.
અરબી તફસીરો:
وَٱلۡخَيۡلَ وَٱلۡبِغَالَ وَٱلۡحَمِيرَ لِتَرۡكَبُوهَا وَزِينَةٗۚ وَيَخۡلُقُ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Ary ireo soavaly, ireo ramole (mulets) sy ireo ampondra, mba hotaingenanareo sy ho haingonareo. Ary dia nahary izay tsy fantatrareo koa Izy.
અરબી તફસીરો:
وَعَلَى ٱللَّهِ قَصۡدُ ٱلسَّبِيلِ وَمِنۡهَا جَآئِرٞۚ وَلَوۡ شَآءَ لَهَدَىٰكُمۡ أَجۡمَعِينَ
Anjaran’i Allah no manoro ny làla-mahitsy (nohon'ny fahasoavany), nefa misy amin’izy ireo no miala amin’izany. Raha sitrany, dia notarihiny (amin’ny làla-mahitsy) avokoa Ianareo rehetra.
અરબી તફસીરો:
هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗۖ لَّكُم مِّنۡهُ شَرَابٞ وَمِنۡهُ شَجَرٞ فِيهِ تُسِيمُونَ
Izy izay nampidina, avy an-danitra, ny rano izay ampiasainareo ho fisotro, ary avy amin’izany no hampitsiry ireo zava-maniry hamahananareo ireo biby fiompinareo.
અરબી તફસીરો:
يُنۢبِتُ لَكُم بِهِ ٱلزَّرۡعَ وَٱلزَّيۡتُونَ وَٱلنَّخِيلَ وَٱلۡأَعۡنَٰبَ وَمِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَتَفَكَّرُونَ
Avy amin’ny alalan’izany no nampitsiry ho Anareo, ireo voly, ireo oliva, ireo hazo Palma, ireo voaloboka, sy ireo karazam-boankazo maro. Marina fa amin’izany dia tena misy porofo mazava ho an’ny vahoaka mandinika.
અરબી તફસીરો:
وَسَخَّرَ لَكُمُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَ وَٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ وَٱلنُّجُومُ مُسَخَّرَٰتُۢ بِأَمۡرِهِۦٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ
Ary nataony ho Anareo ny alina sy ny antoandro, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary izy ireo dia manaraka ny baikony avokoa. Marina fa amin’izany dia tena misy ireo porofo mazava ho an’ny vahoaka misaina.
અરબી તફસીરો:
وَمَا ذَرَأَ لَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُخۡتَلِفًا أَلۡوَٰنُهُۥٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَذَّكَّرُونَ
Ary amin’izay nohariany ho Anareo eto ambonin’ny tany, izay samihafa loko. Marina fa amin’izany dia tena misy porofo mazava ho an’ny vahoaka mahatsiaro tena.
અરબી તફસીરો:
وَهُوَ ٱلَّذِي سَخَّرَ ٱلۡبَحۡرَ لِتَأۡكُلُواْ مِنۡهُ لَحۡمٗا طَرِيّٗا وَتَسۡتَخۡرِجُواْ مِنۡهُ حِلۡيَةٗ تَلۡبَسُونَهَاۖ وَتَرَى ٱلۡفُلۡكَ مَوَاخِرَ فِيهِ وَلِتَبۡتَغُواْ مِن فَضۡلِهِۦ وَلَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Ary Izy no nanao ny ranomasina mba ihinananareo nofon-javatra vaovao, ary mba hamoahanareo avy amin’izany ny firavaka izay entinareo. Ary ahita ireo sambo Ianao hamakivaky ny ranomasina, sy mba hitadiavanareo ny fahasoavany, ka angamba Ianareo hankasitraka.
અરબી તફસીરો:
وَأَلۡقَىٰ فِي ٱلۡأَرۡضِ رَوَٰسِيَ أَن تَمِيدَ بِكُمۡ وَأَنۡهَٰرٗا وَسُبُلٗا لَّعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ
Ary naoriny eo amin’ny tany ireo tendrombohitra tsy mihetsiketsika, mba tsy hihozongozonany (tany) sy Ianareo miaraka Aminy, ary ireo renirano sy ireo làlana maro ihany koa, mba Ahafahanareo hifampitarika.
અરબી તફસીરો:
وَعَلَٰمَٰتٖۚ وَبِٱلنَّجۡمِ هُمۡ يَهۡتَدُونَ
Ary koa ireo toeram-pamantarana, ka avy amin’ny alàlan’ireo kintana no ahafahan’izy ireo hifampitarika.
અરબી તફસીરો:
أَفَمَن يَخۡلُقُ كَمَن لَّا يَخۡلُقُۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Moa ve izay namorona, dia hitovy amin’ireo izay tsy namorona na inona ? Moa tsy tsaroanareo ve izany ?
અરબી તફસીરો:
وَإِن تَعُدُّواْ نِعۡمَةَ ٱللَّهِ لَا تُحۡصُوهَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary raha mitanisa ny fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voatanisanareo izany. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا تُسِرُّونَ وَمَا تُعۡلِنُونَ
Ary i Allah dia mahalala izay Afeninareo sy izay Abaribarinareo.
અરબી તફસીરો:
وَٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَخۡلُقُونَ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ
Ary ireo izay antsoin’izy ireo ankoatran’i Allah, dia tsy afaka mamorona na inona izy ireo aza satria noforonina (nohariana) izy ireo.
અરબી તફસીરો:
أَمۡوَٰتٌ غَيۡرُ أَحۡيَآءٖۖ وَمَا يَشۡعُرُونَ أَيَّانَ يُبۡعَثُونَ
Maty izy ireo fa tsy velona, ary tsy mahafantatra izy ireo, fa rahoviana no hatsangana amin’ny maty izy ireo.
અરબી તફસીરો:
إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۚ فَٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ قُلُوبُهُم مُّنكِرَةٞ وَهُم مُّسۡتَكۡبِرُونَ
Ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana.Fa ireo izay tsy mino ny any an-koatra kosa, ny Fon’izy ireo dia feno fandavana (ny Zanahary tokana), no sady manambony tena izy ireo.
અરબી તફસીરો:
لَا جَرَمَ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُسۡتَكۡبِرِينَ
Tsy misy hisalasalana fa i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo, sy izay abaribariny. Ary marina fa Izy dia tsy tia ireo mpanambony tena.
અરબી તફસીરો:
وَإِذَا قِيلَ لَهُم مَّاذَآ أَنزَلَ رَبُّكُمۡ قَالُوٓاْ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary rehefa notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Dia hoy izy ireo ka nanao hoe :” Anganon’ireo fahiny ! ”
અરબી તફસીરો:
لِيَحۡمِلُوٓاْ أَوۡزَارَهُمۡ كَامِلَةٗ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَمِنۡ أَوۡزَارِ ٱلَّذِينَ يُضِلُّونَهُم بِغَيۡرِ عِلۡمٍۗ أَلَا سَآءَ مَا يَزِرُونَ
Aoka hizaka ny vesatry ny fahotany rehetra izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), sy ny ampahany amin’ireo fahotan’Olona novereziny, izay tsy fantany. Moa ve tsy izany no fahotana ratsy indrindra mianjady amin’izy ireo ?
અરબી તફસીરો:
قَدۡ مَكَرَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ فَأَتَى ٱللَّهُ بُنۡيَٰنَهُم مِّنَ ٱلۡقَوَاعِدِ فَخَرَّ عَلَيۡهِمُ ٱلسَّقۡفُ مِن فَوۡقِهِمۡ وَأَتَىٰهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ
Efa nanao teti-dratsy ireo niaina talohan’izy ireo, nefa tonga i Allah namotika ny fototry ny trano ratsy. Ka nirodana teo ambonin’izy ireo ny tafo, ary tonga tamin’izy ireo ny famaizana tamin’ny fotoana tsy nampoizin’izy ireo.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يُخۡزِيهِمۡ وَيَقُولُ أَيۡنَ شُرَكَآءِيَ ٱلَّذِينَ كُنتُمۡ تُشَٰٓقُّونَ فِيهِمۡۚ قَالَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ إِنَّ ٱلۡخِزۡيَ ٱلۡيَوۡمَ وَٱلسُّوٓءَ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia ho alainy baraka izy ireo, ka hilaza Izy (amin’izy ireo) hanao hoe: “ Aiza Ireo mpiara-miombon’antoka Amiko izay nampisaraka Anareo ? ”.Hiteny ireo izay nahazo fahalalana ka hanao hoe : “ Ny fahafam-baraka sy ny loza dia mianjady amin’ireo tsy mpino androany ”
અરબી તફસીરો:
ٱلَّذِينَ تَتَوَفَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ ظَالِمِيٓ أَنفُسِهِمۡۖ فَأَلۡقَوُاْ ٱلسَّلَمَ مَا كُنَّا نَعۡمَلُ مِن سُوٓءِۭۚ بَلَىٰٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ireo izay alain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany, ary niaiky amim-pahamenarana izy ireo (ka hiteny hoe) : “ Izahay dia tsy nanao ratsy mihitsy ”.Tsia ! Tena marina fa i Allah dia mahalala tsara izay nataonareo.
અરબી તફસીરો:
فَٱدۡخُلُوٓاْ أَبۡوَٰبَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَاۖ فَلَبِئۡسَ مَثۡوَى ٱلۡمُتَكَبِّرِينَ
Koa midira àry Ianareo amin’ny varavaran’ny Afobe, izay hitoeranareo mandrakizay ao Aminy. Tena ratsy tokoa ny toeran’ireo mpanambony tena !
અરબી તફસીરો:
۞ وَقِيلَ لِلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ مَاذَآ أَنزَلَ رَبُّكُمۡۚ قَالُواْ خَيۡرٗاۗ لِّلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ فِي هَٰذِهِ ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٞۚ وَلَدَارُ ٱلۡأٓخِرَةِ خَيۡرٞۚ وَلَنِعۡمَ دَارُ ٱلۡمُتَّقِينَ
Ary hotenenina amin’ireo izay manam-patahorana ny hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Hamaly izy ireo ka hanao hoe : “ Ny tsara ”. Ho an’ireo izay manao soa dia ahazo ny tsara eto ambonin’ny tany, fa ny fiainana any an-koatra no mendrika kokoa. Ary feno fahasambarana ny fonenan’ireo manam-patahorana !
અરબી તફસીરો:
جَنَّٰتُ عَدۡنٖ يَدۡخُلُونَهَا تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ لَهُمۡ فِيهَا مَا يَشَآءُونَۚ كَذَٰلِكَ يَجۡزِي ٱللَّهُ ٱلۡمُتَّقِينَ
Ireo zaridain’i Edena izay misy renirano mikoriana ao ambaminy no hidiran’izy ireo. Ho azon’izy ireo ao izay zavatra rehetra tadiaviny. Tahaka izany no hamalian’i Allah soa ireo manam-patahorana.
અરબી તફસીરો:
ٱلَّذِينَ تَتَوَفَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ طَيِّبِينَ يَقُولُونَ سَلَٰمٌ عَلَيۡكُمُ ٱدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ireo izay nalain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsara izy ireo dia hiteny izy ireo (Anjely) ka hanao hoe : “ Fiadanana anie ho Anareo ! ”. Midira ao amin’ny Paradisa Ianareo nohon'ny asa izay Nataonareo ”.
અરબી તફસીરો:
هَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّآ أَن تَأۡتِيَهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ أَوۡ يَأۡتِيَ أَمۡرُ رَبِّكَۚ كَذَٰلِكَ فَعَلَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ وَمَا ظَلَمَهُمُ ٱللَّهُ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Moa ve hiandry izy ireo (tsy mpino) ny ahatongavan’ireo Anjely eo Aminy, na koa ny ahatongavan’ny didin’ny Tomponao ? Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo.Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo i Allah, fa izy ireo kosa no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany.
અરબી તફસીરો:
فَأَصَابَهُمۡ سَيِّـَٔاتُ مَا عَمِلُواْ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Ka nihatra tamin’izy ireo ny haratsian’ny asa nataon’izy ireo, ary nanarona azy ireo tanteraka izay nohesohesoiny.
અરબી તફસીરો:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ لَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا عَبَدۡنَا مِن دُونِهِۦ مِن شَيۡءٖ نَّحۡنُ وَلَآ ءَابَآؤُنَا وَلَا حَرَّمۡنَا مِن دُونِهِۦ مِن شَيۡءٖۚ كَذَٰلِكَ فَعَلَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ فَهَلۡ عَلَى ٱلرُّسُلِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Ary niteny ireo izay nanakambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ka nanao hoe : “ Raha sitrakan’i Allah dia tsy nanompo zavatra hafa Izahay ankoatra Azy, na Izahay na ireo razambenay, ary tsy nampifady na inona na inona Izahay ankoatra izay nampifadiany ”. Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo. Moa ve manana adidy ireo Iraka afa-tsy ny fampielezana miharihary ihany.
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ بَعَثۡنَا فِي كُلِّ أُمَّةٖ رَّسُولًا أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱجۡتَنِبُواْ ٱلطَّٰغُوتَۖ فَمِنۡهُم مَّنۡ هَدَى ٱللَّهُ وَمِنۡهُم مَّنۡ حَقَّتۡ عَلَيۡهِ ٱلضَّلَٰلَةُۚ فَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُكَذِّبِينَ
{Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe) : “ Manompoa an’i Allah ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty[94]» ”. Koa nisy tamin’izy ireo izay notarihin’i Allah làlana, ary nisy tamin’izy ireo no mendrika ny fahaverezana. koa mandehana ianareo manerana ny tany, ka jereo, ahoana no niafaran’ireo nilaza (ireo Iraka) ho mpandainga.}
અરબી તફસીરો:
إِن تَحۡرِصۡ عَلَىٰ هُدَىٰهُمۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي مَن يُضِلُّۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ
Na dia miezaka mafy aza Ianao amin’ny fitarihana azy ireo fa tena marina fa i Allah dia tsy hitari-dàlana izay novereziny; ary tsy hanana mpanavotra izy ireo.
અરબી તફસીરો:
وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَا يَبۡعَثُ ٱللَّهُ مَن يَمُوتُۚ بَلَىٰ وَعۡدًا عَلَيۡهِ حَقّٗا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary mianiana amin’i Allah izy ireo amin’ny fianianana tena mafy manao hoe : “ Tsy hanangana izay efa maty i Allah ”. Tsia ! Fa izany dia fampanantenana marina avy Aminy, fa ny ankamaroan’ny Olona kosa dia tsy mahafantatra.
અરબી તફસીરો:
لِيُبَيِّنَ لَهُمُ ٱلَّذِي يَخۡتَلِفُونَ فِيهِ وَلِيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَنَّهُمۡ كَانُواْ كَٰذِبِينَ
Mba hanazavany amin’ireo izay miady hevitra momba izany, sy mba ahafantaran’ireo izay tsy nino, fa izy ireo dia mpandainga tokoa.
અરબી તફસીરો:
إِنَّمَا قَوۡلُنَا لِشَيۡءٍ إِذَآ أَرَدۡنَٰهُ أَن نَّقُولَ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ
Tena marina fa ny Teninay amin’ny zavatra iray, raha tianay ny hisehoany, dia ny milaza manao hoe : “ Misia ”, dia misy izany.
અરબી તફસીરો:
وَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ فِي ٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ مَا ظُلِمُواْ لَنُبَوِّئَنَّهُمۡ فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗۖ وَلَأَجۡرُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Ary ireo izay nifindra-monina noho i Allah,rehefa avy niharan’ny tsy rariny, dia omenay ny toerana tsara izy ireo eto amin’ny fiainana an-tany. Ary ny valisoa any an-koatra no lehibe indrindra, raha fantatr’izy ireo izany.
અરબી તફસીરો:
ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ
Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo.
અરબી તફસીરો:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ إِلَّا رِجَالٗا نُّوحِيٓ إِلَيۡهِمۡۖ فَسۡـَٔلُوٓاْ أَهۡلَ ٱلذِّكۡرِ إِن كُنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Ary tsy nandefa Iraka teo alohanao Izahay raha tsy Olombelona, izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio ireo manam-pahalalana, raha toa ka tsy mahafantatra Ianareo.
અરબી તફસીરો:
بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَٱلزُّبُرِۗ وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلذِّكۡرَ لِتُبَيِّنَ لِلنَّاسِ مَا نُزِّلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ
(Nalefanay izy ireo) niaraka tamin’ny porofo mazava sy ireo Boky masina. Ary Izahay dia nampidina Taminao ny fampahatsiahivana (Koroany), mba hanazavanao amin’ireo Olona izay nampidinana izany Taminy. Ary angamba handinika izy ireo.
અરબી તફસીરો:
أَفَأَمِنَ ٱلَّذِينَ مَكَرُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ أَن يَخۡسِفَ ٱللَّهُ بِهِمُ ٱلۡأَرۡضَ أَوۡ يَأۡتِيَهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ
Moa ve voaharo ireo izay nanao ny teti-dratsy, ka ho afaka hiala amin’ny fandetehan’i Allah azy ireo any anaty tany,na koa tsy hianjady amin’izy ireo ve ny famaizana, izay tsy ampoizin’izy ireo akory ny fahatongavany ?
અરબી તફસીરો:
أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ فِي تَقَلُّبِهِمۡ فَمَا هُم بِمُعۡجِزِينَ
Na ho tratran’izany izy ireo eo am-perin’asa, ka tsy afaka handositra akory (amin’ny sazin’i Allah).
અરબી તફસીરો:
أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ عَلَىٰ تَخَوُّفٖ فَإِنَّ رَبَّكُمۡ لَرَءُوفٞ رَّحِيمٌ
Na koa ho tratran’izany izy ireo ao anaty tahotra ? Saingy tena be Fangorahana sy be Indrafò tokoa ny Tomponareo.
અરબી તફસીરો:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَىٰ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ مِن شَيۡءٖ يَتَفَيَّؤُاْ ظِلَٰلُهُۥ عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَٱلشَّمَآئِلِ سُجَّدٗا لِّلَّهِ وَهُمۡ دَٰخِرُونَ
Tsy hitan’izy ireo ve izay zavatra noharian’i Allah, fa ny alok’izy ireny dia mirona miankavanana sy miankavia, amim-piankohofana eo anatrehan’i Allah, amim-panetre-tena ?
અરબી તફસીરો:
وَلِلَّهِۤ يَسۡجُدُۤ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ مِن دَآبَّةٖ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَهُمۡ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ
Ary eo anatrehan’i Allah no miankohoka izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany,amin’ireo zava-manan’aina, ary koa ireo Anjely, ka tsy manambony tena izy ireo.
અરબી તફસીરો:
يَخَافُونَ رَبَّهُم مِّن فَوۡقِهِمۡ وَيَفۡعَلُونَ مَا يُؤۡمَرُونَ۩
Matahotra ny Tompony izy ireo, izay ambonin’izy ireo, ary manao izay andidiana azy (izy ireo).
અરબી તફસીરો:
۞ وَقَالَ ٱللَّهُ لَا تَتَّخِذُوٓاْ إِلَٰهَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِۖ إِنَّمَا هُوَ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ فَإِيَّٰيَ فَٱرۡهَبُونِ
Ary niteny i Allah KA nanao hoe : “ Aza manao zanahary Roa Ianareo. Tena marina fa Izy dia Zanahary Tokana, ary Izaho no atahory ”.
અરબી તફસીરો:
وَلَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَهُ ٱلدِّينُ وَاصِبًاۚ أَفَغَيۡرَ ٱللَّهِ تَتَّقُونَ
Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary ho Azy ny fankatoavana mandrakizay. Moa hatahotra ankoatr’i Allah ve Ianareo ?
અરબી તફસીરો:
وَمَا بِكُم مِّن نِّعۡمَةٖ فَمِنَ ٱللَّهِۖ ثُمَّ إِذَا مَسَّكُمُ ٱلضُّرُّ فَإِلَيۡهِ تَجۡـَٔرُونَ
Ary izay zava-tsoa rehetra Anananareo dia avy amin’i Allah, ary rehefa tra-pahoriana Ianareo dia Izy no hitalahoanareo amin’ny feo avo.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ إِذَا كَشَفَ ٱلضُّرَّ عَنكُمۡ إِذَا فَرِيقٞ مِّنكُم بِرَبِّهِمۡ يُشۡرِكُونَ
Avy eo, rehefa nesoriny teo Aminareo ny fahoriana, dia indro misy andiany avy Aminareo, mampikambana ny Tompon’izy ireo amin’ny hafa.
અરબી તફસીરો:
لِيَكۡفُرُواْ بِمَآ ءَاتَيۡنَٰهُمۡۚ فَتَمَتَّعُواْ فَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَ
Tsy mankasitraka tokoa izay nomenay Azy izy ireo. Mifalia àry Ianareo (amin’ny fotoana fohy). Tsy ho ela dia ho fantatrareo izany.
અરબી તફસીરો:
وَيَجۡعَلُونَ لِمَا لَا يَعۡلَمُونَ نَصِيبٗا مِّمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡۗ تَٱللَّهِ لَتُسۡـَٔلُنَّ عَمَّا كُنتُمۡ تَفۡتَرُونَ
Ary dia nataon’izy ireo ho an’izay tsy fantany akory (ireo sampy) ny ampahany amin’ireo fananana natolotray ho azy ireo. Mba ho marina eo anatrehan’i Allah ! Hanontaniana tokoa mikasika izay noforoninareo Ianareo.
અરબી તફસીરો:
وَيَجۡعَلُونَ لِلَّهِ ٱلۡبَنَٰتِ سُبۡحَٰنَهُۥ وَلَهُم مَّا يَشۡتَهُونَ
Ary nataon’izy ireo ho manan-janaka vavy i Allah. Ho Azy anie ny Voninahitra ! Ka ho azy ireo ihany izay iriany.
અરબી તફસીરો:
وَإِذَا بُشِّرَ أَحَدُهُم بِٱلۡأُنثَىٰ ظَلَّ وَجۡهُهُۥ مُسۡوَدّٗا وَهُوَ كَظِيمٞ
Raha ilazana vaovao fa nahazo Zanaka vavy ny iray amin’izy ireo, dia mihamaloka ny endriny ary tezitra mafy Izy.
અરબી તફસીરો:
يَتَوَٰرَىٰ مِنَ ٱلۡقَوۡمِ مِن سُوٓءِ مَا بُشِّرَ بِهِۦٓۚ أَيُمۡسِكُهُۥ عَلَىٰ هُونٍ أَمۡ يَدُسُّهُۥ فِي ٱلتُّرَابِۗ أَلَا سَآءَ مَا يَحۡكُمُونَ
Miafina amin’ny vahoaka Izy nohon'ny vaovao ratsy nolazaina Taminy (araka ny fiheverany). Tokony ho tazonina ve izany na dia eo aza ny henatra, sa handevina Azy any ambanin’ny tany ? Toy inona ny faharatsian’ny fitsaran’izy ireo !
અરબી તફસીરો:
لِلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ مَثَلُ ٱلسَّوۡءِۖ وَلِلَّهِ ٱلۡمَثَلُ ٱلۡأَعۡلَىٰۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Ireo izay tsy mino ny fiainana any an-koatra, dia manome ohatra ratsy. Nefa an’i Allah irery ihany ny ohatra ambony indrindra, fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay Hendry !
અરબી તફસીરો:
وَلَوۡ يُؤَاخِذُ ٱللَّهُ ٱلنَّاسَ بِظُلۡمِهِم مَّا تَرَكَ عَلَيۡهَا مِن دَآبَّةٖ وَلَٰكِن يُؤَخِّرُهُمۡ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمّٗىۖ فَإِذَا جَآءَ أَجَلُهُمۡ لَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ سَاعَةٗ وَلَا يَسۡتَقۡدِمُونَ
Raha raisin’i Allah ny Olombelona amin’ny tsy rariny izay nataon’izy ireo, dia tsy hisy tavela mihitsy ny zava-manan’aina eto an-tany, saingy manemotra izany ho azy ireo amin’ny fotoana voafetra Izy. Fa raha tonga ny fe-potoana, dia tsy ho azon’izy ireo hahemotra na haroso, na dia ora iray monja aza.
અરબી તફસીરો:
وَيَجۡعَلُونَ لِلَّهِ مَا يَكۡرَهُونَۚ وَتَصِفُ أَلۡسِنَتُهُمُ ٱلۡكَذِبَ أَنَّ لَهُمُ ٱلۡحُسۡنَىٰۚ لَا جَرَمَ أَنَّ لَهُمُ ٱلنَّارَ وَأَنَّهُم مُّفۡرَطُونَ
Ary ataon’izy ireo ho an’i Allah izay tsy tian’izy ireo ho Azy. Milaza lainga ny lelany rehefa milaza Izy ireo fa ny valisoa tsara indrindra dia ho azy ireo. Tsy hisalasalana fa tena ho azy ireo ny Afobe, ary ho avela ao mandrakizay izy ireo.
અરબી તફસીરો:
تَٱللَّهِ لَقَدۡ أَرۡسَلۡنَآ إِلَىٰٓ أُمَمٖ مِّن قَبۡلِكَ فَزَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَهُوَ وَلِيُّهُمُ ٱلۡيَوۡمَ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Mba marina ve izany eo anatrehan’i Allah ! Izahay dia nandefa (iraka) tokoa tamin’ireo vahoaka teo alohanao.Nefa nohatsarain’ny satana izay nataon’izy ireo, Izy no mpiahy azy ireo ankehitriny. Koa dia ahazo famaizana mamirifiry izy ireo (any an-koatra).
અરબી તફસીરો:
وَمَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ إِلَّا لِتُبَيِّنَ لَهُمُ ٱلَّذِي ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٗ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Ary tsy nampidina teo Aminao ny Boky Izahay, raha tsy ny hanazavanao amin’izy ireo izay nifandiran’izy ireo, sy tari-dàlana ary famindram-po ho an’ireo vahoaka mino.
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَحۡيَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَآۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَسۡمَعُونَ
Ary i Allah no nampidina avy eny an-danitra ny rano, mba hamelomany indray ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa ao anatin’izany, dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay mihaino.
અરબી તફસીરો:
وَإِنَّ لَكُمۡ فِي ٱلۡأَنۡعَٰمِ لَعِبۡرَةٗۖ نُّسۡقِيكُم مِّمَّا فِي بُطُونِهِۦ مِنۢ بَيۡنِ فَرۡثٖ وَدَمٖ لَّبَنًا خَالِصٗا سَآئِغٗا لِّلشَّٰرِبِينَ
Misy fampianarana ho Anareo tokoa amin’ireo biby. Hampisotro Anareo Izahay izay avy ao an-kibony, nalaina avy amin’ny fifangaroan’ny sakafo voalevona sy rà, ny ronono madio,mahafinaritra ho an’ny mpisotro Azy.
અરબી તફસીરો:
وَمِن ثَمَرَٰتِ ٱلنَّخِيلِ وَٱلۡأَعۡنَٰبِ تَتَّخِذُونَ مِنۡهُ سَكَرٗا وَرِزۡقًا حَسَنًاۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ
Amin’ny voan’ny palma sy ireo voaloboka no hakanareo zava-pisotro mahamamo, sy sakafo tena tsara.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay misaina.
અરબી તફસીરો:
وَأَوۡحَىٰ رَبُّكَ إِلَى ٱلنَّحۡلِ أَنِ ٱتَّخِذِي مِنَ ٱلۡجِبَالِ بُيُوتٗا وَمِنَ ٱلشَّجَرِ وَمِمَّا يَعۡرِشُونَ
Ary nampilaza tamin’ireo tantely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Manaova fonenana eny an-tendrombohitra Ianareo, amin’ny hazo ary koa amin’ny zavatra vitan’ny Olombelona ”.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ كُلِي مِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِ فَٱسۡلُكِي سُبُلَ رَبِّكِ ذُلُلٗاۚ يَخۡرُجُ مِنۢ بُطُونِهَا شَرَابٞ مُّخۡتَلِفٌ أَلۡوَٰنُهُۥ فِيهِ شِفَآءٞ لِّلنَّاسِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَتَفَكَّرُونَ
Avy eo mihinàna Ianareo amin’ny karazam-boankazo rehetra, ka manaraha ny làlan’ny Tomponareo, izay namorainy ho Anareo. Mivoaka avy ao an-kibon’izy ireo ny zava-pisotro miloko maro samihafa, izay misy fanasitranana ho an’ny Olona.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mandinika.
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ ثُمَّ يَتَوَفَّىٰكُمۡۚ وَمِنكُم مَّن يُرَدُّ إِلَىٰٓ أَرۡذَلِ ٱلۡعُمُرِ لِكَيۡ لَا يَعۡلَمَ بَعۡدَ عِلۡمٖ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمٞ قَدِيرٞ
Ary i Allah no nahary Anareo ! Ary Izy ihany koa no mandray ny fofon’ainareo, ka misy Aminareo no miaina tratran'ny fahanterana, hany ka tsy mahalala na inona na inona intsony, taorian’ny nananany fahalalana. Marina fa i Allah mahalalana sy manam-pahefana tokoa amin’ny zava-drehetra.
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ فَضَّلَ بَعۡضَكُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ فِي ٱلرِّزۡقِۚ فَمَا ٱلَّذِينَ فُضِّلُواْ بِرَآدِّي رِزۡقِهِمۡ عَلَىٰ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَهُمۡ فِيهِ سَوَآءٌۚ أَفَبِنِعۡمَةِ ٱللَّهِ يَجۡحَدُونَ
Ary i Allah dia nanome tombontsoa mihoatra ny hafa, ny sasany Taminareo eo amin’ny (fizarana) fahasoavany. Fa ireo izay nahazo tombontsoa feno, dia tsy voatery hanome ny anjarany indray ho an’ireo andevony ka hitovy Aminy. Handà ny fahasoavan’i Allah ve izy ireo ?
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنۡ أَنفُسِكُمۡ أَزۡوَٰجٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّنۡ أَزۡوَٰجِكُم بَنِينَ وَحَفَدَةٗ وَرَزَقَكُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِۚ أَفَبِٱلۡبَٰطِلِ يُؤۡمِنُونَ وَبِنِعۡمَتِ ٱللَّهِ هُمۡ يَكۡفُرُونَ
Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny Tenanareo, ary avy amin’ny vadinareo no nanomezan'i Allah Anareo Zanaka sy zafy. Ary nomeny anjara fivelomana tsara Ianareo. Moa ve ny diso no hinoan’izy ireo, ary ny fahasoavan’i Allah no tsy ankasitrahan’izy ireo ?
અરબી તફસીરો:
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَمۡلِكُ لَهُمۡ رِزۡقٗا مِّنَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ شَيۡـٔٗا وَلَا يَسۡتَطِيعُونَ
Ary manompo ankoatr’i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanome azy ireo anjara fivelomana akory avy amin’ireo lanitra sy ny tany, no sady tsy afaka manao na inona na inona.
અરબી તફસીરો:
فَلَا تَضۡرِبُواْ لِلَّهِ ٱلۡأَمۡثَالَۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ وَأَنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay ampitoviana amin’i Allah. Tena marina fa i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa tsy mahalala.
અરબી તફસીરો:
۞ ضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلًا عَبۡدٗا مَّمۡلُوكٗا لَّا يَقۡدِرُ عَلَىٰ شَيۡءٖ وَمَن رَّزَقۡنَٰهُ مِنَّا رِزۡقًا حَسَنٗا فَهُوَ يُنفِقُ مِنۡهُ سِرّٗا وَجَهۡرًاۖ هَلۡ يَسۡتَوُۥنَۚ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
* Nanome fanoharana i Allah amin’ny mpanompo iray, izay manan-tompo, tsy manam-pahefana na amin’inona na amin’inona, ary (lehilahy) iray izay notoloranay fanomezana tsara, ka manao fandaniana amin’izany izy na miafina na miharihary. Moa ve mitovy izy(roa) ireo ? Dera anie ho an’i Allah ! Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala.
અરબી તફસીરો:
وَضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلٗا رَّجُلَيۡنِ أَحَدُهُمَآ أَبۡكَمُ لَا يَقۡدِرُ عَلَىٰ شَيۡءٖ وَهُوَ كَلٌّ عَلَىٰ مَوۡلَىٰهُ أَيۡنَمَا يُوَجِّههُّ لَا يَأۡتِ بِخَيۡرٍ هَلۡ يَسۡتَوِي هُوَ وَمَن يَأۡمُرُ بِٱلۡعَدۡلِ وَهُوَ عَلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Ary nanome fanoharana amin’ny lehilahy Roa i Allah : ny iray amin’izy ireo moana, tsy afa-manao na inona na inona, fa ny tompony no miantoka Azy; n'aiza n'aiza andefasany Azy, dia tsy mba misy zava-tsoa entiny, moa hitovy amin’izay mandidy amin’ny fahamarinana sy amin’ny làla-mahitsy ve izy ?
અરબી તફસીરો:
وَلِلَّهِ غَيۡبُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَمَآ أَمۡرُ ٱلسَّاعَةِ إِلَّا كَلَمۡحِ ٱلۡبَصَرِ أَوۡ هُوَ أَقۡرَبُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Ary an’i Allah ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Ary ny didy mahakasika ny Ora dia tsy inona akory, fa toy ny indray mipi-maso monja na haingana kokoa noho izany ! Marina fa i Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ أَخۡرَجَكُم مِّنۢ بُطُونِ أُمَّهَٰتِكُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ شَيۡـٔٗا وَجَعَلَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Ary i Allah dia namoaka Anareo avy tao an-kibon-dreninareo, ka tsy misy zavatra fantatrareo akory, ary nataony teo Aminareo ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny fo, angamba ahalala ankasitraka Ianareo.
અરબી તફસીરો:
أَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَى ٱلطَّيۡرِ مُسَخَّرَٰتٖ فِي جَوِّ ٱلسَّمَآءِ مَا يُمۡسِكُهُنَّ إِلَّا ٱللَّهُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Tsy mba hitan’izy ireo ve ireo vorona afa-manidina eny amin’ny habakabaka, tsy misy mitazona azy ireny raha tsy i Allah. Tena marina fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنۢ بُيُوتِكُمۡ سَكَنٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّن جُلُودِ ٱلۡأَنۡعَٰمِ بُيُوتٗا تَسۡتَخِفُّونَهَا يَوۡمَ ظَعۡنِكُمۡ وَيَوۡمَ إِقَامَتِكُمۡ وَمِنۡ أَصۡوَافِهَا وَأَوۡبَارِهَا وَأَشۡعَارِهَآ أَثَٰثٗا وَمَتَٰعًا إِلَىٰ حِينٖ
Ary nataon’i Allah fonenana ho Anareo ny tranonareo, ary nataony ho Anareo ny trano vita amin’ny hoditry ny biby, izay maivana ho Anareo amin’ny Andro andehananareo sy amin’ny Andro hipetrahanareo. Ary avy amin’ny volon’izy ireo sy ny rambon’izy ireo, ary ny vombon’izy ireo, (hanaovanareo) ireo fanaka sy fitaovana izay hifalianareo mandritry ny fotoana voafetra.
અરબી તફસીરો:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّمَّا خَلَقَ ظِلَٰلٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّنَ ٱلۡجِبَالِ أَكۡنَٰنٗا وَجَعَلَ لَكُمۡ سَرَٰبِيلَ تَقِيكُمُ ٱلۡحَرَّ وَسَرَٰبِيلَ تَقِيكُم بَأۡسَكُمۡۚ كَذَٰلِكَ يُتِمُّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تُسۡلِمُونَ
Ary i Allah dia nanao avy amin’izay nohariany ny aloka mba ho anareo. Ary nataony ho anareo ny tendrombohitra ho fialofana. Ary nataony ho anareo ny akanjo ho fiarovana amin’ny hafanana, ary koa ny akanjo (vy) miaro anareo amin’ny lozan’ny ady. Tahaka izany no hamenoany ny fahasoavany eo aminareo, angamba ianareo hanetri-tena.
અરબી તફસીરો:
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡكَ ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ
Raha nanome lamosina izy ireo, dia ny fampitana ny hafatra mazava tsara no adidinao.
અરબી તફસીરો:
يَعۡرِفُونَ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ ثُمَّ يُنكِرُونَهَا وَأَكۡثَرُهُمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ
Mahafantatra ny fahasoavan’i Allah izy ireo. Avy eo, dia lavin’izy ireo izany. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mankasitraka.
અરબી તફસીરો:
وَيَوۡمَ نَبۡعَثُ مِن كُلِّ أُمَّةٖ شَهِيدٗا ثُمَّ لَا يُؤۡذَنُ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ وَلَا هُمۡ يُسۡتَعۡتَبُونَ
Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, dia tsy omena alàlana (hiala tsiny) intsony ireo tsy mpino, ary tsy angatahana hiverina (amin’izay nahatezitra an’i Allah) izy ireo.
અરબી તફસીરો:
وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلۡعَذَابَ فَلَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمۡ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ
Ary rehefa hitan’ireo mpanao ny tsy rariny ny famaizana, dia tsy ahazo fanalefahana amin’izany izy ireo, ary tsy ahazo fialan-tsasatra ihany koa.
અરબી તફસીરો:
وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ شُرَكَآءَهُمۡ قَالُواْ رَبَّنَا هَٰٓؤُلَآءِ شُرَكَآؤُنَا ٱلَّذِينَ كُنَّا نَدۡعُواْ مِن دُونِكَۖ فَأَلۡقَوۡاْ إِلَيۡهِمُ ٱلۡقَوۡلَ إِنَّكُمۡ لَكَٰذِبُونَ
. Ary raha hitan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa ireo mpiara-miombon’antoka (sampy) amin’izy ireo, dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tomponay ô ! Ireo no mpiara-miombon’antoka Aminay izay nitalahoanay ankoatra Anao ”.Dia hamaly izy ireo (ireo mpiara-miombon’antoka) ka hanao hoe : “ Tena mpandainga tokoa Ianareo ”.
અરબી તફસીરો:
وَأَلۡقَوۡاْ إِلَى ٱللَّهِ يَوۡمَئِذٍ ٱلسَّلَمَۖ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Ary hatolotr’izy ireo ho an’i Allah amin’io Andro io ny fankatoavana, ary hiala amin'izy ireo izay noforoniny.
અરબી તફસીરો:
ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ زِدۡنَٰهُمۡ عَذَابٗا فَوۡقَ ٱلۡعَذَابِ بِمَا كَانُواْ يُفۡسِدُونَ
Ireo izay tsy nino sy nisakana ny làlan’i Allah, dia ampitomboinay ny famaizana azy ireo ambonin’ny famaizana (mendrika azy ireo), nohon'ny asa fanimbana izay nataony.
અરબી તફસીરો:
وَيَوۡمَ نَبۡعَثُ فِي كُلِّ أُمَّةٖ شَهِيدًا عَلَيۡهِم مِّنۡ أَنفُسِهِمۡۖ وَجِئۡنَا بِكَ شَهِيدًا عَلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِۚ وَنَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ تِبۡيَٰنٗا لِّكُلِّ شَيۡءٖ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٗ وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُسۡلِمِينَ
Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay hanohitra azy ireo, dia hoentinay ho vavolombelona Ianao (Mohamamad) hanohitra azy Ireo. Ary nampidininay Taminao ny Boky ho fanazavana ny zava-drehetra sy tari-dàlana, famindram-po ary vaovao mahafaly ho an’ny mpino mpanetry tena.
અરબી તફસીરો:
۞ إِنَّ ٱللَّهَ يَأۡمُرُ بِٱلۡعَدۡلِ وَٱلۡإِحۡسَٰنِ وَإِيتَآيِٕ ذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَيَنۡهَىٰ عَنِ ٱلۡفَحۡشَآءِ وَٱلۡمُنكَرِ وَٱلۡبَغۡيِۚ يَعِظُكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ
Tena marina fa Allah dia mandidy ny rariny, sy ny fanaovan-tsoa ary ny fanampiana ireo havana akaiky. Fa mandrara kosa ny vetaveta, sy ny asa ratsy ary ny fikomiana. Mananatra Anareo Izy, angamba Ianareo ahatsiaro tena.
અરબી તફસીરો:
وَأَوۡفُواْ بِعَهۡدِ ٱللَّهِ إِذَا عَٰهَدتُّمۡ وَلَا تَنقُضُواْ ٱلۡأَيۡمَٰنَ بَعۡدَ تَوۡكِيدِهَا وَقَدۡ جَعَلۡتُمُ ٱللَّهَ عَلَيۡكُمۡ كَفِيلًاۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا تَفۡعَلُونَ
Ary tanterahanareo ny fifanekena amin’i Allah rehefa manao fifanekena Aminy Ianareo. Ary aza mandika ny fianianana nataonareo, rehefa avy nanao izany ankarihary sy nandray Allah ho mpiantoka. Marina fa i Allah dia mahafantatra tokoa izay Ataonareo.
અરબી તફસીરો:
وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّتِي نَقَضَتۡ غَزۡلَهَا مِنۢ بَعۡدِ قُوَّةٍ أَنكَٰثٗا تَتَّخِذُونَ أَيۡمَٰنَكُمۡ دَخَلَۢا بَيۡنَكُمۡ أَن تَكُونَ أُمَّةٌ هِيَ أَرۡبَىٰ مِنۡ أُمَّةٍۚ إِنَّمَا يَبۡلُوكُمُ ٱللَّهُ بِهِۦۚ وَلَيُبَيِّنَنَّ لَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ مَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ
Aza manao tahaka ny vehivavy izay nandrava tsirairay ny tadim-panenomany efa nafatotra mafy Ianareo, ka mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana aminareo samy Anareo, nohon'ny fahitanareo vahoaka maro an’isa sy matanjaka noho ny hafa. Ho fitsapana anareo ihany no nanaovan’i Allah izany. Ary marina fa hasehony mazava tsara aminareo, amin’ny andro Fitsanganana (amin’ny maty) izay rehetra nampifanditra anareo.
અરબી તફસીરો:
وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَجَعَلَكُمۡ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ وَلَٰكِن يُضِلُّ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُۚ وَلَتُسۡـَٔلُنَّ عَمَّا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Raha sitrak’i Allah, dia nataony ho vahoaka iray ihany Ianareo. Kanefa mamery izay sitrany hoverezina Izy, sy mitarika izay sitrany hotarihana. Ary marina fa hanontaniana Ianareo amin’izay nataonareo.
અરબી તફસીરો:
وَلَا تَتَّخِذُوٓاْ أَيۡمَٰنَكُمۡ دَخَلَۢا بَيۡنَكُمۡ فَتَزِلَّ قَدَمُۢ بَعۡدَ ثُبُوتِهَا وَتَذُوقُواْ ٱلسُّوٓءَ بِمَا صَدَدتُّمۡ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَلَكُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Ary aza mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana Aminareo samy Anareo, raha tsy izany, dia hibolisatra ny tongotra rehefa avy namahatra tsara ary hanandrana ny fahoriana Ianareo, nohon'ny fisakananareo ny làlan’i Allah. Ary ahazo famaizana goavana Ianareo.
અરબી તફસીરો:
وَلَا تَشۡتَرُواْ بِعَهۡدِ ٱللَّهِ ثَمَنٗا قَلِيلًاۚ إِنَّمَا عِندَ ٱللَّهِ هُوَ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Ary aza mivarotra mora ny fifanekena nifanaovana tamin’i Allah Ianareo. Marina fa tsara kokoa ho Anareo izay eo anatrehan’i Allah, raha fantatrareo izany.
અરબી તફસીરો:
مَا عِندَكُمۡ يَنفَدُ وَمَا عِندَ ٱللَّهِ بَاقٖۗ وَلَنَجۡزِيَنَّ ٱلَّذِينَ صَبَرُوٓاْ أَجۡرَهُم بِأَحۡسَنِ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Izay rehetra Anananareo dia ho ritra, fa ny eo amin’i Allah kosa dia maharitra. Ary tena omenay valisoa mendrika nohon'ny asa tsara izay nataony ireo izay nanam-paharetana.
અરબી તફસીરો:
مَنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَلَنُحۡيِيَنَّهُۥ حَيَوٰةٗ طَيِّبَةٗۖ وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَجۡرَهُم بِأَحۡسَنِ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
N'iza n'iza manao asa soa, lahy na vavy, no sady mpino, dia tena ho velominay amin’ny fiainana tsara Izy. Ary omenay valisoa mendrika mihoatra ny asa izay nataony izy ireo.
અરબી તફસીરો:
فَإِذَا قَرَأۡتَ ٱلۡقُرۡءَانَ فَٱسۡتَعِذۡ بِٱللَّهِ مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ ٱلرَّجِيمِ
Raha hamaky ny Koroany Ianao, dia mangataha amin’i Allah ny fiarovana amin’ilay satana voahozona.
અરબી તફસીરો:
إِنَّهُۥ لَيۡسَ لَهُۥ سُلۡطَٰنٌ عَلَى ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ
Tena marina fa Izy (satana) dia tsy manam-pahefana amin’ireo izay mino sy amin’izay nametraka ny fitokisany amin’ny Tompon’izy ireo.
અરબી તફસીરો:
إِنَّمَا سُلۡطَٰنُهُۥ عَلَى ٱلَّذِينَ يَتَوَلَّوۡنَهُۥ وَٱلَّذِينَ هُم بِهِۦ مُشۡرِكُونَ
Ny marina anefa, ny fahefany dia amin’ireo izay eo ambany fiahiany sy izay manana zanahary maro (ireo mpanompo sampy).
અરબી તફસીરો:
وَإِذَا بَدَّلۡنَآ ءَايَةٗ مَّكَانَ ءَايَةٖ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا يُنَزِّلُ قَالُوٓاْ إِنَّمَآ أَنتَ مُفۡتَرِۭۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary rehefa manolo ny andian-teny iray amin’ny toeran’ny andian-teny iray hafa Izahay, Allah dia tena mahalala izay nampidininy. Niteny izy ireo nanao hoe : “ Marina fa Ianao dia tena mpamoron-dainga ”. Ka nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
અરબી તફસીરો:
قُلۡ نَزَّلَهُۥ رُوحُ ٱلۡقُدُسِ مِن رَّبِّكَ بِٱلۡحَقِّ لِيُثَبِّتَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَهُدٗى وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُسۡلِمِينَ
Lazao hoe : “ ilay Fanahy masina (Anjely Gabriely) avy amin’ny Tomponao no nampidina izany tamim-pahamarinana, mba hanamafy orina ireo izay nino, sy tari-dàlana ary koa vaovao mahafaly ho an’ireo mpanetry tena.
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ نَعۡلَمُ أَنَّهُمۡ يَقُولُونَ إِنَّمَا يُعَلِّمُهُۥ بَشَرٞۗ لِّسَانُ ٱلَّذِي يُلۡحِدُونَ إِلَيۡهِ أَعۡجَمِيّٞ وَهَٰذَا لِسَانٌ عَرَبِيّٞ مُّبِينٌ
Ary efa mahafantatra Izahay, fa izy ireo dia hilaza hoe : “ Olombelona ihany no mampianatra azy ”. Ny fiteny izay ampiasain’izy ireo amin’izany dia fiteny vahiny (tsy teny arabo), ity anefa dia teny arabo mazava tsara.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ لَا يَهۡدِيهِمُ ٱللَّهُ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Marina fa ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah; dia tsy hitari-dàlana azy ireo i Allah. Ary ho azy ireo koa ny famaizana mamirifiry.
અરબી તફસીરો:
إِنَّمَا يَفۡتَرِي ٱلۡكَذِبَ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ
Tena marina fa ireo mamoron-dainga, dia ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah, ary izy ireny no mpandainga.
અરબી તફસીરો:
مَن كَفَرَ بِٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ إِيمَٰنِهِۦٓ إِلَّا مَنۡ أُكۡرِهَ وَقَلۡبُهُۥ مُطۡمَئِنُّۢ بِٱلۡإِيمَٰنِ وَلَٰكِن مَّن شَرَحَ بِٱلۡكُفۡرِ صَدۡرٗا فَعَلَيۡهِمۡ غَضَبٞ مِّنَ ٱللَّهِ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٞ
N'iza n'iza nitsipaka an’i Allah aorian’ny finoany... afa-tsy izay noterena, nefa ny fony dia feno fahatoniana amin’ny finoana, ary ireo izay manokatra an-tsitrapò ny fony amin’ny tsy finoana, dia hianjady amin’izy ireo ny hatezerana avy amin’i Allah, ary ho azy ireo ny famaizana lehibe.
અરબી તફસીરો:
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمُ ٱسۡتَحَبُّواْ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا عَلَى ٱلۡأٓخِرَةِ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Izany (no miseho), dia satria, nankafý ny fiainana an-tany izy ireo noho ny any an-koatra. Ary tena marina fa i Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka tsy mpino.
અરબી તફસીરો:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ طَبَعَ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ وَسَمۡعِهِمۡ وَأَبۡصَٰرِهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡغَٰفِلُونَ
Izy ireny dia notampenan’i Allah ny fony, ny fandrenesany ary ny fahitany. Ary izy ireny no (olona) tsy mitandrina.
અરબી તફસીરો:
لَا جَرَمَ أَنَّهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Tsy hisalasana fa izy ireny no maty antoka any an-koatra.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ إِنَّ رَبَّكَ لِلَّذِينَ هَاجَرُواْ مِنۢ بَعۡدِ مَا فُتِنُواْ ثُمَّ جَٰهَدُواْ وَصَبَرُوٓاْ إِنَّ رَبَّكَ مِنۢ بَعۡدِهَا لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nifindra-monina taorian’ny fitsapana nianjady tamin’izy ireo, avy eo niady (tamin’ny làlan’i Allah) sy niaritra...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
અરબી તફસીરો:
۞ يَوۡمَ تَأۡتِي كُلُّ نَفۡسٖ تُجَٰدِلُ عَن نَّفۡسِهَا وَتُوَفَّىٰ كُلُّ نَفۡسٖ مَّا عَمِلَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
(Tsarovy) ny Andro izay ahatongavan’ny fanahy tsirairay, hiaro ny tenany, ary hovaliana amin’ny asa izay nataony ny tsirairay, ka tsy hiangarana izy ireo.
અરબી તફસીરો:
وَضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلٗا قَرۡيَةٗ كَانَتۡ ءَامِنَةٗ مُّطۡمَئِنَّةٗ يَأۡتِيهَا رِزۡقُهَا رَغَدٗا مِّن كُلِّ مَكَانٖ فَكَفَرَتۡ بِأَنۡعُمِ ٱللَّهِ فَأَذَٰقَهَا ٱللَّهُ لِبَاسَ ٱلۡجُوعِ وَٱلۡخَوۡفِ بِمَا كَانُواْ يَصۡنَعُونَ
Ary nanao fanoharana tanàna iray Allah, tao anatin’ny fitoniana sy filaminana tanteraka, ka tonga betsaka Taminy ny anjara fivelomany avy amin’ny toerana rehetra. Ka tsy nankasitraka ny fahasoavan’i Allah (ireo tao an-tanàna). Koa dia nampandramanin’i Allah azy ireo ny hanoanana sy ny tahotra, noho ny nataon’izy ireo.
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ جَآءَهُمۡ رَسُولٞ مِّنۡهُمۡ فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَهُمُ ٱلۡعَذَابُ وَهُمۡ ظَٰلِمُونَ
Ary efa tonga tamin’izy ireo ny Iraka avy amin’izy ireo ihany, ka nataon’izy ireo ho mpandainga Izy. Ary dia nianjady tamin’izy ireo ny famaizana noho izy ireo mpanao ny tsy rariny.
અરબી તફસીરો:
فَكُلُواْ مِمَّا رَزَقَكُمُ ٱللَّهُ حَلَٰلٗا طَيِّبٗا وَٱشۡكُرُواْ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ إِيَّاهُ تَعۡبُدُونَ
Koa mihinana àry ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’i Allah anareo, amin’izay tsy voarara sy tsara. Ary misaora amin’ny fahasoavan’i Allah ianareo, raha Izy tokoa no Tompoinareo.
અરબી તફસીરો:
إِنَّمَا حَرَّمَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡمَيۡتَةَ وَٱلدَّمَ وَلَحۡمَ ٱلۡخِنزِيرِ وَمَآ أُهِلَّ لِغَيۡرِ ٱللَّهِ بِهِۦۖ فَمَنِ ٱضۡطُرَّ غَيۡرَ بَاغٖ وَلَا عَادٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Tena marina fa ireo zava-boarara ho Anareo dia ny biby maty ho azy, ny rà, ny henan-kisoa, ary (ny biby) izay niantsoana ny anarana hafa ankoatr’i Allah. Nefa n'iza n'iza tratran’ny tsy azo anoharana, ka tsy mitsipaka ary tsy mandika làlana... marina fa i Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
અરબી તફસીરો:
وَلَا تَقُولُواْ لِمَا تَصِفُ أَلۡسِنَتُكُمُ ٱلۡكَذِبَ هَٰذَا حَلَٰلٞ وَهَٰذَا حَرَامٞ لِّتَفۡتَرُواْ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ لَا يُفۡلِحُونَ
Ary aza milaza, araka ny lainga izay tenenin’ny lelanareo Ianareo, manao hoe : « Ity dia azo atao “ Hala l”, ary ity dia voarara “ Haram ” », mba hamoronanareo lainga amin’i Allah. Tena marina, fa ireo izay mamorona lainga mahakasika an’i Allah dia tsy ahita fahombiazana.
અરબી તફસીરો:
مَتَٰعٞ قَلِيلٞ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Fahafinaretana kely (ho azy ireo) izany, ka nefa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
અરબી તફસીરો:
وَعَلَى ٱلَّذِينَ هَادُواْ حَرَّمۡنَا مَا قَصَصۡنَا عَلَيۡكَ مِن قَبۡلُۖ وَمَا ظَلَمۡنَٰهُمۡ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Tamin’ireo Jiosy, noraranay (azy ireo) izay efa notantaranay Taminao (teo aloha). Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny Tenany.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ إِنَّ رَبَّكَ لِلَّذِينَ عَمِلُواْ ٱلسُّوٓءَ بِجَهَٰلَةٖ ثُمَّ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُوٓاْ إِنَّ رَبَّكَ مِنۢ بَعۡدِهَا لَغَفُورٞ رَّحِيمٌ
Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nanao ny asa ratsy tamin’ny habadoana, avy eo dia nibebaka taorian’izany, sy nanarina ny fitondran-tenany...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ إِبۡرَٰهِيمَ كَانَ أُمَّةٗ قَانِتٗا لِّلَّهِ حَنِيفٗا وَلَمۡ يَكُ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Marina fa i Ibrahimo dia mpitarika tonga lafatra. Mpankato Allah Izy, tao anatin’ny fanompoana Allah tokana, ary tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa.
અરબી તફસીરો:
شَاكِرٗا لِّأَنۡعُمِهِۚ ٱجۡتَبَىٰهُ وَهَدَىٰهُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Nahalala nankasitraka ireo fahasoavany Izy, ka nosafidiany sy notarihiny làlana Izy mankany amin’ny làla-mahitsy.
અરબી તફસીરો:
وَءَاتَيۡنَٰهُ فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗۖ وَإِنَّهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ لَمِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Ary nomenay anjara tsara Izy teto an-tany. Marina fa Izy dia ho isan’ireo Olo-mendrika tokoa any an-koatra.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ أَنِ ٱتَّبِعۡ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفٗاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Avy eo dia nandefa fanambarana Taminao Izahay : “ Araho ny fivavahan’i Ibrahimo amin’ny fanompoana Allah tokana, ary izy dia tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny hafa”.
અરબી તફસીરો:
إِنَّمَا جُعِلَ ٱلسَّبۡتُ عَلَى ٱلَّذِينَ ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِۚ وَإِنَّ رَبَّكَ لَيَحۡكُمُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Marina fa natao ny Andro sabata, ho an’ireo izay nifanditra momba izany. Fa ny Tomponao, dia hitsara tokoa azy ireo amin’ny Andro Fitsanganana mahakasika izay nifandiran’izy ireo.
અરબી તફસીરો:
ٱدۡعُ إِلَىٰ سَبِيلِ رَبِّكَ بِٱلۡحِكۡمَةِ وَٱلۡمَوۡعِظَةِ ٱلۡحَسَنَةِۖ وَجَٰدِلۡهُم بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُۚ إِنَّ رَبَّكَ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَن ضَلَّ عَن سَبِيلِهِۦ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُهۡتَدِينَ
Miantsoa amin’ny làlan’ny Tomponao, amim-pahendrena sy amim-pananarana tsara Ianao. Ary miadia hevitra amin’izy ireo amin’ny fomba mendrika indrindra ianao. Marina fa ny Tomponao no tena mahalala izay niala ny làlany, ary Izy ihany koa no mahalala ireo voatari-dàlana.
અરબી તફસીરો:
وَإِنۡ عَاقَبۡتُمۡ فَعَاقِبُواْ بِمِثۡلِ مَا عُوقِبۡتُم بِهِۦۖ وَلَئِن صَبَرۡتُمۡ لَهُوَ خَيۡرٞ لِّلصَّٰبِرِينَ
Ary raha manasazy Ianareo, dia ampiharo aminy ny sazy mitovy amin’izay (heloka) nataony Taminareo. Fa raha miaritra Ianareo...izany no tena tsara kokoa ho an’izay manam-paharetana.
અરબી તફસીરો:
وَٱصۡبِرۡ وَمَا صَبۡرُكَ إِلَّا بِٱللَّهِۚ وَلَا تَحۡزَنۡ عَلَيۡهِمۡ وَلَا تَكُ فِي ضَيۡقٖ مِّمَّا يَمۡكُرُونَ
Mahareta ! Ary tsy hanam-paharetana Ianao raha tsy avy amin’i Allah. Koa aza malahelo azy ireo ianao, ary aza mitebiteby nohon'ny teti-dratsin’izy ireo.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَواْ وَّٱلَّذِينَ هُم مُّحۡسِنُونَ
Marina fa i Allah dia miaraka amin’ireo izay matahotra (Azy), sy ireo mpanao asa soa.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અન્ નહલ
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - الترجمة المالاغاشية - رواد - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

ترجمة معاني القرآن الكريم إلى اللغة المالاغاشية ترجمها فريق مركز رواد الترجمة بالتعاون مع إسلام هاوس IslamHouse.com.

બંધ કરો