Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: તો-હા   આયત:
فَتَعَٰلَى ٱللَّهُ ٱلۡمَلِكُ ٱلۡحَقُّۗ وَلَا تَعۡجَلۡ بِٱلۡقُرۡءَانِ مِن قَبۡلِ أَن يُقۡضَىٰٓ إِلَيۡكَ وَحۡيُهُۥۖ وَقُل رَّبِّ زِدۡنِي عِلۡمٗا
Ho an’i Allah anie ny fahamboniana, ilay Mpanjaka tena Marina ! Aza maika (mamaky) ny Koroany Ianao,alohan’ny fahataperan’ny fanambarana azy Aminao. Ary teneno hoe : “Ô ry Tompoko ! Ampitomboy ny fahalalako ! ”
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ عَهِدۡنَآ إِلَىٰٓ ءَادَمَ مِن قَبۡلُ فَنَسِيَ وَلَمۡ نَجِدۡ لَهُۥ عَزۡمٗا
Ary tena efa nandidy an’i Adama Izahay teo aloha, saingy nanadino Izy; ary tsy nahita fanapahan-kevitra hentitra tao Aminy Izahay.
અરબી તફસીરો:
وَإِذۡ قُلۡنَا لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ ٱسۡجُدُواْ لِأٓدَمَ فَسَجَدُوٓاْ إِلَّآ إِبۡلِيسَ أَبَىٰ
Ary raha niteny tamin’ireo Anjely Izahay ka nanao hoe : “ Miankohofa eo anatrehan’i Adama Ianareo ! ”. Dia niankohoka avokoa izy rehetra, afa-tsy Iblisy izay nandà.
અરબી તફસીરો:
فَقُلۡنَا يَٰٓـَٔادَمُ إِنَّ هَٰذَا عَدُوّٞ لَّكَ وَلِزَوۡجِكَ فَلَا يُخۡرِجَنَّكُمَا مِنَ ٱلۡجَنَّةِ فَتَشۡقَىٰٓ
Dia niteny Izahay nanao hoe : “ Ô ry Adama ! Tena marina fa fahavalo ho Anao, sy ho an’ny vadinao tokoa Izy. Koa aoka tsy havoakany avy ao amin’ny paradisa Ianareo, fa ho lasa ory Ianao.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ لَكَ أَلَّا تَجُوعَ فِيهَا وَلَا تَعۡرَىٰ
Fa tsy ahatsiaro hanoanana Ianao ao, na hitanjaka koa.
અરબી તફસીરો:
وَأَنَّكَ لَا تَظۡمَؤُاْ فِيهَا وَلَا تَضۡحَىٰ
Ary tsy ahatsiaro hetaheta ihany koa Ianao ao, ary tsy ho tratran’ny hafanan’ny masoandro.
અરબી તફસીરો:
فَوَسۡوَسَ إِلَيۡهِ ٱلشَّيۡطَٰنُ قَالَ يَٰٓـَٔادَمُ هَلۡ أَدُلُّكَ عَلَىٰ شَجَرَةِ ٱلۡخُلۡدِ وَمُلۡكٖ لَّا يَبۡلَىٰ
Avy eo dia naka fanahy Azy ny satana, sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Adama ! Hatoroko Anao ve ilay hazon’ny mandrakizay, sy ny fanjakana tsy mety rava ? ”
અરબી તફસીરો:
فَأَكَلَا مِنۡهَا فَبَدَتۡ لَهُمَا سَوۡءَٰتُهُمَا وَطَفِقَا يَخۡصِفَانِ عَلَيۡهِمَا مِن وَرَقِ ٱلۡجَنَّةِۚ وَعَصَىٰٓ ءَادَمُ رَبَّهُۥ فَغَوَىٰ
Dia samy nihinana tamin’izany izy Roa (Adam sy Eva).Avy eo, dia nahatsapa fa nitanjaka (niboridana) izy Roa, ka niara-nitafy ny ravina tao am-paradisa. Tsy nankatò ny tenin’ny Tompony i Adama, ka dia very làlana.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ ٱجۡتَبَٰهُ رَبُّهُۥ فَتَابَ عَلَيۡهِ وَهَدَىٰ
Avy eo,dia nofidin’ny Tompony Izy, ary nankasitrahiny ny fibebahany, ary dia notarihiny làlana Izy.
અરબી તફસીરો:
قَالَ ٱهۡبِطَا مِنۡهَا جَمِيعَۢاۖ بَعۡضُكُمۡ لِبَعۡضٍ عَدُوّٞۖ فَإِمَّا يَأۡتِيَنَّكُم مِّنِّي هُدٗى فَمَنِ ٱتَّبَعَ هُدَايَ فَلَا يَضِلُّ وَلَا يَشۡقَىٰ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Midìna miala eto Ianareo roa (Adama sy Eva) ! Ny andaniny Aminareo no fahavalon’ny ankilany. Ary raha misy tari-dàlana avy aty Amiko tonga eo Aminareo, ka n'iza n'iza manaraka ny tari-dàlako dia tsy ho very làlana, ary tsy ho ory Izy.
અરબી તફસીરો:
وَمَنۡ أَعۡرَضَ عَن ذِكۡرِي فَإِنَّ لَهُۥ مَعِيشَةٗ ضَنكٗا وَنَحۡشُرُهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ أَعۡمَىٰ
Ary n'iza n'iza kosa mitodi-damosina amin’ny fampahatsiahivako,tena marina fa ho Azy ny fiainana feno fahasahiranana, ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia haverinay ao anaty fahajambana Izy.
અરબી તફસીરો:
قَالَ رَبِّ لِمَ حَشَرۡتَنِيٓ أَعۡمَىٰ وَقَدۡ كُنتُ بَصِيرٗا
Dia hiteny Izy hanao hoe : “ Tompo ô ! Nahoana no naverinao anatin’ny fahajambana Aho, nefa dia nahiratra tany aloha ”.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: તો-હા
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો