Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અશ્ શુઅરાઅ   આયત:
قَالَ وَمَا عِلۡمِي بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Niteny izy hoe : “Tsy manana fahalalana amin’izay zavatra ataon’izy ireo aho".
અરબી તફસીરો:
إِنۡ حِسَابُهُمۡ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّيۖ لَوۡ تَشۡعُرُونَ
Tsy misy fitsarana azy ireo afa-tsy any amin’ny Tompoko, raha mba tsapanareo izany.
અરબી તફસીરો:
وَمَآ أَنَا۠ بِطَارِدِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary tsy izaho mihitsy no handroaka ireo mpino.
અરબી તફસીરો:
إِنۡ أَنَا۠ إِلَّا نَذِيرٞ مُّبِينٞ
Tsy iza akory aho afa-tsy mpananatra miharihary ihany.
અરબી તફસીરો:
قَالُواْ لَئِن لَّمۡ تَنتَهِ يَٰنُوحُ لَتَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمَرۡجُومِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Noa dia tena ho anisan’ireo voatora-bato tokoa”.
અરબી તફસીરો:
قَالَ رَبِّ إِنَّ قَوۡمِي كَذَّبُونِ
Niteny izy (Noa) hoe : “Tompo ô ! Tena nilaza ahy ho mpandainga ny vahoakako !
અરબી તફસીરો:
فَٱفۡتَحۡ بَيۡنِي وَبَيۡنَهُمۡ فَتۡحٗا وَنَجِّنِي وَمَن مَّعِيَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ka tsarao amin’ny fitsarana mazava àry ny amiko sy ny amin’izy ireo ; ary avoty aho sy ireo mpino miaraka amiko”.
અરબી તફસીરો:
فَأَنجَيۡنَٰهُ وَمَن مَّعَهُۥ فِي ٱلۡفُلۡكِ ٱلۡمَشۡحُونِ
Dia navotanay izy sy ireo izay niaraka taminy, tao anatin’ny sambo fiara feno tanteraka.
અરબી તફસીરો:
ثُمَّ أَغۡرَقۡنَا بَعۡدُ ٱلۡبَاقِينَ
Avy eo dia narendrikay taorian’izany ireo sisa tavela.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
અરબી તફસીરો:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
અરબી તફસીરો:
كَذَّبَتۡ عَادٌ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ireo ‘Aad.
અરબી તફસીરો:
إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ هُودٌ أَلَا تَتَّقُونَ
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Hod hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
અરબી તફસીરો:
إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
અરબી તફસીરો:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’i Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
અરબી તફસીરો:
وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho ny amin'izany, tsy misy karama afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao aho.
અરબી તફસીરો:
أَتَبۡنُونَ بِكُلِّ رِيعٍ ءَايَةٗ تَعۡبَثُونَ
Moa ve manorina tsangam-bato isaky ny havoana ianareo mba hanaovanareo rendrarendra ?
અરબી તફસીરો:
وَتَتَّخِذُونَ مَصَانِعَ لَعَلَّكُمۡ تَخۡلُدُونَ
Ary moa ve manangana lapa ianareo tahaka ny hitoeranareo mandrakizay ?
અરબી તફસીરો:
وَإِذَا بَطَشۡتُم بَطَشۡتُمۡ جَبَّارِينَ
Ary rehefa manasazy ianareo, dia manasazy tsy misy fiantràna .
અરબી તફસીરો:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
અરબી તફસીરો:
وَٱتَّقُواْ ٱلَّذِيٓ أَمَدَّكُم بِمَا تَعۡلَمُونَ
Ary matahora izay nanome anareo zavatra (tsara rehetra) izay efa fantatrareo ianareo.
અરબી તફસીરો:
أَمَدَّكُم بِأَنۡعَٰمٖ وَبَنِينَ
Izay nanome anareo ireo biby fiompy sy ireo zanaka.
અરબી તફસીરો:
وَجَنَّٰتٖ وَعُيُونٍ
Ary ireo zaridaina sy ireo loharano.
અરબી તફસીરો:
إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ
Marina fa izaho dia matahotra ny famaizana ho anareo amin’ny Andro lehibe.
અરબી તફસીરો:
قَالُواْ سَوَآءٌ عَلَيۡنَآ أَوَعَظۡتَ أَمۡ لَمۡ تَكُن مِّنَ ٱلۡوَٰعِظِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Mitovy ihany izany aminay, na mananatra ianao na tsy anisan’ireo mpananatra !
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અશ્ શુઅરાઅ
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો