Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: આલિ ઇમરાન   આયત:
إِذۡ هَمَّت طَّآئِفَتَانِ مِنكُمۡ أَن تَفۡشَلَا وَٱللَّهُ وَلِيُّهُمَاۗ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ
Raha nanam-pikasana hilefitra ny andiany Roa Taminareo [55], dia i Allah no Mpiahy azy Roa tonta. Ka aoka hametra-pitokisana amin’i Allah ny mpino rehetra.
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ نَصَرَكُمُ ٱللَّهُ بِبَدۡرٖ وَأَنتُمۡ أَذِلَّةٞۖ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Ary nanome fandresena anareo i Allah, tamin’ny adin’i Badr, na dia mbola narefo aza ianareo; ka matahora an’i Allah ianareo angamba hahay hankasitraka.
અરબી તફસીરો:
إِذۡ تَقُولُ لِلۡمُؤۡمِنِينَ أَلَن يَكۡفِيَكُمۡ أَن يُمِدَّكُمۡ رَبُّكُم بِثَلَٰثَةِ ءَالَٰفٖ مِّنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ مُنزَلِينَ
Raha niteny tamin’ireo mpino ianao hoe : “ Tsy ampy anareo ve ny nampidinan’ny Tomponareo ireo anjely telo arivo, nanampy anareo ? ”
અરબી તફસીરો:
بَلَىٰٓۚ إِن تَصۡبِرُواْ وَتَتَّقُواْ وَيَأۡتُوكُم مِّن فَوۡرِهِمۡ هَٰذَا يُمۡدِدۡكُمۡ رَبُّكُم بِخَمۡسَةِ ءَالَٰفٖ مِّنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ مُسَوِّمِينَ
Eny tokoa, raha mpino maharitra Ianareo sy manam-patahorana, ka tonga hamely Anareo tampoka izy ireo, dia handefa Anjely dimy arivo miavaka tsara hanatevin-daharana Anareo ny Tomponareo.
અરબી તફસીરો:
وَمَا جَعَلَهُ ٱللَّهُ إِلَّا بُشۡرَىٰ لَكُمۡ وَلِتَطۡمَئِنَّ قُلُوبُكُم بِهِۦۗ وَمَا ٱلنَّصۡرُ إِلَّا مِنۡ عِندِ ٱللَّهِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡحَكِيمِ
Ary tsy nataon’i Allah izany, raha tsy ny vaovao mahafaly ho Anareo, sy hampitony ny Fonareo. Ary tsy misy fandresena raha tsy avy amin’i Allah, ilay avo Tsitoha sy ilay be Fahendrena.
અરબી તફસીરો:
لِيَقۡطَعَ طَرَفٗا مِّنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَوۡ يَكۡبِتَهُمۡ فَيَنقَلِبُواْ خَآئِبِينَ
Mba hamotehana ny sasany amin’ireo izay tsy mino, na hanala baraka azy ireo, mba hiverina miaraka amin’ny fahadisoam-panantenana izy ireo.
અરબી તફસીરો:
لَيۡسَ لَكَ مِنَ ٱلۡأَمۡرِ شَيۡءٌ أَوۡ يَتُوبَ عَلَيۡهِمۡ أَوۡ يُعَذِّبَهُمۡ فَإِنَّهُمۡ ظَٰلِمُونَ
Tsy misy hidiranao ny amin’ny resaka didy na dia kely aza, na hanaiky ny fibebahan’izy ireo Izy na hanasazy azy ireo, izy ireo dia tena mpanao ny tsy rariny.
અરબી તફસીરો:
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ يَغۡفِرُ لِمَن يَشَآءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary an’i Allah ny any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, mamela heloka ho an’izay sitrany Izy, ary manasazy izay sitrany koa Izy. Ary i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
અરબી તફસીરો:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَأۡكُلُواْ ٱلرِّبَوٰٓاْ أَضۡعَٰفٗا مُّضَٰعَفَةٗۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ
Ô Ianareo izay nino ! Aza mihinana Ribà (zana-bola) izay mampitombo mihoa-pampana ny renim-bola Ianareo, ary matahora an’i Allah, angamba ahazo fahombiazana Ianareo.
અરબી તફસીરો:
وَٱتَّقُواْ ٱلنَّارَ ٱلَّتِيٓ أُعِدَّتۡ لِلۡكَٰفِرِينَ
Ary matahora ny Afobe izay voahomana ho an’ireo tsy mpino Ianareo.
અરબી તફસીરો:
وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَٱلرَّسُولَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Ary ankatoavinareo i Allah sy ny Iraka, angamba hahazo famindram-po Ianareo.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: આલિ ઇમરાન
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો