Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અઝ્ ઝુમર   આયત:
أَوۡ تَقُولَ لَوۡ أَنَّ ٱللَّهَ هَدَىٰنِي لَكُنتُ مِنَ ٱلۡمُتَّقِينَ
Na hitenenany hoe: “Raha mba notarihan’I Allah tamin’ny lalana mahitsy aho, dia ho anisan’ireo nanam-pahatahorana tokoa”
અરબી તફસીરો:
أَوۡ تَقُولَ حِينَ تَرَى ٱلۡعَذَابَ لَوۡ أَنَّ لِي كَرَّةٗ فَأَكُونَ مِنَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Na hiteny izy rehefa mahita famaizana hoe : “Indrisy! Raha mba afaka miverina mantsy aho! Dia ho anisan’ireo mpanao asa soa ”.
અરબી તફસીરો:
بَلَىٰ قَدۡ جَآءَتۡكَ ءَايَٰتِي فَكَذَّبۡتَ بِهَا وَٱسۡتَكۡبَرۡتَ وَكُنتَ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Tena izany tokoa! Tonga teo aminao ireo andininy avy Amiko, saingy nataonao ho lainga izy ireny, ary niavonavonanao, fa anisan’ireo olona tsy mpino ianao.
અરબી તફસીરો:
وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ تَرَى ٱلَّذِينَ كَذَبُواْ عَلَى ٱللَّهِ وُجُوهُهُم مُّسۡوَدَّةٌۚ أَلَيۡسَ فِي جَهَنَّمَ مَثۡوٗى لِّلۡمُتَكَبِّرِينَ
Ary amin’ny andro fitsanganana, dia ho hitanao maloka ny tarehin’ireo izay namoron-dainga momba an’i Allah. Moa tsy any amin’ny Afobe tokoa ve no hisy ny fitoeran’ireo mpanambony tena ?
અરબી તફસીરો:
وَيُنَجِّي ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ بِمَفَازَتِهِمۡ لَا يَمَسُّهُمُ ٱلسُّوٓءُ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ
Fa havotan’I Allah ireo izay manam-pahatahorana, ka hataony mpandresy. Tsy misy ratsy mihitsy hahazo azy ireo, ary tsy hanana alahelo ihany koa.
અરબી તફસીરો:
ٱللَّهُ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٞ
Mpahary ny zava-drehetra I Allah, ary Izy no mpiantoka azy ireo.
અરબી તફસીરો:
لَّهُۥ مَقَالِيدُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Izy no mitazona ny fanalahidin’ny lanitra sy ny tany, fa izay tsy mino ireo famantarana avy amin’I Allah kosa, dia izy ireny no ho matiantoka.
અરબી તફસીરો:
قُلۡ أَفَغَيۡرَ ٱللَّهِ تَأۡمُرُوٓنِّيٓ أَعۡبُدُ أَيُّهَا ٱلۡجَٰهِلُونَ
Lazao hoe : “ Ho didinareo hanompo ny hafa ivelan’I Allah ve aho ry tsy manam-pahalalana ? ”
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ أُوحِيَ إِلَيۡكَ وَإِلَى ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكَ لَئِنۡ أَشۡرَكۡتَ لَيَحۡبَطَنَّ عَمَلُكَ وَلَتَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Efa nambara taminao sy tamin’ireo izay talohanao hoe : “ Raha manambatra Allah amin’ny zavatra hafa ianao, dia ho very maina tokoa ny asanao, ka tsy maintsy ho anisan’ireo matiantoka ianao”.
અરબી તફસીરો:
بَلِ ٱللَّهَ فَٱعۡبُدۡ وَكُن مِّنَ ٱلشَّٰكِرِينَ
Fa ny mifanohitra amin’izany, Allah irery ihany no tompoy, ary aoka ho anisan’ireo mpankasitraka ianao.
અરબી તફસીરો:
وَمَا قَدَرُواْ ٱللَّهَ حَقَّ قَدۡرِهِۦ وَٱلۡأَرۡضُ جَمِيعٗا قَبۡضَتُهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَٱلسَّمَٰوَٰتُ مَطۡوِيَّٰتُۢ بِيَمِينِهِۦۚ سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Tsy nanome haja an’I Allah izy ireo, araka ny tokony ho izy, kanefa dia ho raisiny am-pelatanany ny tany manontolo amin’ny andro fitsanganana. Ary hiforitra eo amin’ny tanany havanana ny lanitra. Voninahitra anie ho Azy ! Izy no tena Ambonin’izay atambatr’izy ireo Aminy.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અઝ્ ઝુમર
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો