Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અત્ તૌબા   આયત:
يَحۡلِفُونَ بِٱللَّهِ لَكُمۡ لِيُرۡضُوكُمۡ وَٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥٓ أَحَقُّ أَن يُرۡضُوهُ إِن كَانُواْ مُؤۡمِنِينَ
Mianiana amin’i Allah eo anatrehanareo izy ireo mba hahazo ny fahafaham-ponareo. Nefa i Allah sy ny Irany no mendrika hitadiavan’izy ireo fahafaham-po, raha tena Mpino marina izy ireo.
અરબી તફસીરો:
أَلَمۡ يَعۡلَمُوٓاْ أَنَّهُۥ مَن يُحَادِدِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَأَنَّ لَهُۥ نَارَ جَهَنَّمَ خَٰلِدٗا فِيهَاۚ ذَٰلِكَ ٱلۡخِزۡيُ ٱلۡعَظِيمُ
Moa ve tsy fantatr’izy ireo fa izay manohitra an'i Allah sy ny Irany dia ho sazina amin'ny afon’ny Helo (Afobe) ka hitoetra ao mandrakizay izy? Izany tokoa ilay fahafaham-baraka lehibe.
અરબી તફસીરો:
يَحۡذَرُ ٱلۡمُنَٰفِقُونَ أَن تُنَزَّلَ عَلَيۡهِمۡ سُورَةٞ تُنَبِّئُهُم بِمَا فِي قُلُوبِهِمۡۚ قُلِ ٱسۡتَهۡزِءُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ مُخۡرِجٞ مَّا تَحۡذَرُونَ
Matahotra ireo mpihatsaravelatsihy sao hisy antokontsoratra hampidinina, ka hamboraka izay nokoboniny tao ampony. Ka lazao hoe: “Ataovy ihany ny fanesoanareo! Fa Allah dia tsy maintsy hampiseho izay natahoranareo”.
અરબી તફસીરો:
وَلَئِن سَأَلۡتَهُمۡ لَيَقُولُنَّ إِنَّمَا كُنَّا نَخُوضُ وَنَلۡعَبُۚ قُلۡ أَبِٱللَّهِ وَءَايَٰتِهِۦ وَرَسُولِهِۦ كُنتُمۡ تَسۡتَهۡزِءُونَ
Ary raha hanontany izany amin’izy ireo ianao, dia hamaly izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia niresaka sy nilalao fotsiny”. Teneno hoe : “ Amin’i Allah sy ireo fanambarany ary amin’ny Irany ve no hanaovanareo vazivazy? ”
અરબી તફસીરો:
لَا تَعۡتَذِرُواْ قَدۡ كَفَرۡتُم بَعۡدَ إِيمَٰنِكُمۡۚ إِن نَّعۡفُ عَن طَآئِفَةٖ مِّنكُمۡ نُعَذِّبۡ طَآئِفَةَۢ بِأَنَّهُمۡ كَانُواْ مُجۡرِمِينَ
Aza manadio tena eo intsony Ianareo : “ Efa tsy nino Ianareo taorian’ny finoanareo, raha mandefitra amin’ny sasany Aminareo izahay dia tsy handefitra kosa amin’ny sasany hafa, satria izy ireo dia mpanao heloka bevava ”.
અરબી તફસીરો:
ٱلۡمُنَٰفِقُونَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتُ بَعۡضُهُم مِّنۢ بَعۡضٖۚ يَأۡمُرُونَ بِٱلۡمُنكَرِ وَيَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمَعۡرُوفِ وَيَقۡبِضُونَ أَيۡدِيَهُمۡۚ نَسُواْ ٱللَّهَ فَنَسِيَهُمۡۚ إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, dia nifanaraka ny andaniny sy ny ankilany, mifaniraka amin’ny ratsy sy mifandrara amin’ny tsara, manakombona ny tànany izy ireo, nanadino an’i Allah izy ireo ka nanadino azy ireo koa Izy. Marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mpanao ratsy.
અરબી તફસીરો:
وَعَدَ ٱللَّهُ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتِ وَٱلۡكُفَّارَ نَارَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ هِيَ حَسۡبُهُمۡۚ وَلَعَنَهُمُ ٱللَّهُۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ مُّقِيمٞ
Ary i Allah dia nampanantena ireo mpihatsaravelatsihy lahy sy vavy, sy ireo tsy mpino ny Djahannam (ny Afobe) hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ampy ho azy ireo izany. Ary nanozona azy ireo i Allah. Ary ho azy ireo ny sazy maharitra.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અત્ તૌબા
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો