Check out the new design

क़ुरआन के अर्थों का अनुवाद - मालागासी अनुवाद - अनुवाद अग्रदूत केंद्र * - अनुवादों की सूची


अर्थों का अनुवाद सूरा: अल्-ब-क़-रा   आयत:
وَبَشِّرِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أَنَّ لَهُمۡ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ كُلَّمَا رُزِقُواْ مِنۡهَا مِن ثَمَرَةٖ رِّزۡقٗا قَالُواْ هَٰذَا ٱلَّذِي رُزِقۡنَا مِن قَبۡلُۖ وَأُتُواْ بِهِۦ مُتَشَٰبِهٗاۖ وَلَهُمۡ فِيهَآ أَزۡوَٰجٞ مُّطَهَّرَةٞۖ وَهُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Ilazao ny vaovao mahafaly kosa ireo izay nino sy nanao asa soa fa azy ireo ny Paradisa izay ikorianan’ireo renirano isankarazany avy eo ambaniny; isaka ny handrosoana voankazo iray avy ao amin’ny Paradisa izy ireo dia hiloa-bava hoe : “Ity ilay naroso anay fahiny”. Kanefa dia zavatra mitovitovy amin’izay voalazany ihany no haroso azy; ary hanana vady kanto madio izy ireo, eny! Hitoetra ao mandrakizay izy.
अरबी तफ़सीरें:
۞ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَسۡتَحۡيِۦٓ أَن يَضۡرِبَ مَثَلٗا مَّا بَعُوضَةٗ فَمَا فَوۡقَهَاۚ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ فَيَعۡلَمُونَ أَنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّهِمۡۖ وَأَمَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فَيَقُولُونَ مَاذَآ أَرَادَ ٱللَّهُ بِهَٰذَا مَثَلٗاۘ يُضِلُّ بِهِۦ كَثِيرٗا وَيَهۡدِي بِهِۦ كَثِيرٗاۚ وَمَا يُضِلُّ بِهِۦٓ إِلَّا ٱلۡفَٰسِقِينَ
Tena marina fa Allah dia tsy menatra amin’ny fanoharana izay ataony; na amin’ny moka izany, eny fa na izay kely noho izy aza; fa ireo mpino, dia mahafantatra tsara, fa fahamarinana avy amin’ny Tompony izany; ary ireo tsy mpino kosa, dia manontany tena hoe : “Inona no tian’Allah hahatongavana amin’izao fanoharana lazainy izao?”. Amin’izany àry dia ho maro ireo diso-làlana, ary amin’izany ihany koa no hitarihany ny olona maro amin’ny làla-marina, fa tsy hisy ho diso-làlana ny amin’izany afa-tsy ireo ratsy fanahy.
अरबी तफ़सीरें:
ٱلَّذِينَ يَنقُضُونَ عَهۡدَ ٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ مِيثَٰقِهِۦ وَيَقۡطَعُونَ مَآ أَمَرَ ٱللَّهُ بِهِۦٓ أَن يُوصَلَ وَيُفۡسِدُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Ireo izay manafoana ny fanekena amin’Allah taorian’ny fankatoavana izany, sy nanafoana izay nodidin’Allah ifamatorana, ary ireo izay manimba fiarahamonina ety ambonin’ny tany; izy ireo no tena maty antoka.
अरबी तफ़सीरें:
كَيۡفَ تَكۡفُرُونَ بِٱللَّهِ وَكُنتُمۡ أَمۡوَٰتٗا فَأَحۡيَٰكُمۡۖ ثُمَّ يُمِيتُكُمۡ ثُمَّ يُحۡيِيكُمۡ ثُمَّ إِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Ka dia ahoana ianareo no tsy mino an’i Tompo Allah, kanefa tsy nanana aina sy fivelomana ianareo teo taloha dia novelominy, avy eo dia mbola hataony ho faty, ary mbola hovelominy indray mandeha ihany koa, ary avy eo dia any Aminy no hiverenanareo sy hiafaranareo ?
अरबी तफ़सीरें:
هُوَ ٱلَّذِي خَلَقَ لَكُم مَّا فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰٓ إِلَى ٱلسَّمَآءِ فَسَوَّىٰهُنَّ سَبۡعَ سَمَٰوَٰتٖۚ وَهُوَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ
Izy ilay nahary ho anareo izay rehetra misy eto an-tany, ary avy eo dia nihazo ny lanitra ka nanao izany ho lanitra fito sosona. ary Izy dia mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra.
अरबी तफ़सीरें:
 
अर्थों का अनुवाद सूरा: अल्-ब-क़-रा
सूरों की सूची पृष्ठ संख्या
 
क़ुरआन के अर्थों का अनुवाद - मालागासी अनुवाद - अनुवाद अग्रदूत केंद्र - अनुवादों की सूची

अनुवाद अनुवाद अग्रदूत केंद्र द्वारा नियुक्त एक समूह ने अल-रब्वाह आह्वान संस्था और भाषाओं में इस्लामिक सामग्री की सेवा करने वाली संस्था के सहयोग से किया है।

बंद करें