Check out the new design

クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター * - 対訳の目次


対訳 章: フード章   節:
۞ وَمَا مِن دَآبَّةٖ فِي ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا عَلَى ٱللَّهِ رِزۡقُهَا وَيَعۡلَمُ مُسۡتَقَرَّهَا وَمُسۡتَوۡدَعَهَاۚ كُلّٞ فِي كِتَٰبٖ مُّبِينٖ
Ary tsy misy zava-manan'aina eto an-tany afa-tsy avy amin’i Allah ny anjaram-pivelomany izay fantany ny toerana iainany sy ny toerana ahafatesany. Izany dia voarakitra ao anaty boky mazava tsara.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَهُوَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ فِي سِتَّةِ أَيَّامٖ وَكَانَ عَرۡشُهُۥ عَلَى ٱلۡمَآءِ لِيَبۡلُوَكُمۡ أَيُّكُمۡ أَحۡسَنُ عَمَلٗاۗ وَلَئِن قُلۡتَ إِنَّكُم مَّبۡعُوثُونَ مِنۢ بَعۡدِ ٱلۡمَوۡتِ لَيَقُولَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٞ
Ary Izy no nahary ireo lanitra sy ny tany tao anaty enin’andro, ka ny seza fiandrianany tamin’izany dia teo ambonin’ny rano, mba hitsapany, iza Aminareo no tena tsara kokoa, ary raha milaza Ianao manao hoe : ” Tena marina fa Ianareo dia hatsangana aorian’ny fahafatesana ”, dia hiteny tokoa ireo izay tsy nino hanao hoe : ” Tsy inona akory izany fa majika miharihary ”.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَلَئِنۡ أَخَّرۡنَا عَنۡهُمُ ٱلۡعَذَابَ إِلَىٰٓ أُمَّةٖ مَّعۡدُودَةٖ لَّيَقُولُنَّ مَا يَحۡبِسُهُۥٓۗ أَلَا يَوۡمَ يَأۡتِيهِمۡ لَيۡسَ مَصۡرُوفًا عَنۡهُمۡ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Ary raha ahemotray amin’izy ireo ny sazy mandra-pahatongan’ny fotoana voafetra dia tena hilaza Izy ireo ka hanao hoe : ” Inona no mitazona izany ? ” Ary amin’ny andro hatongavan’izany amin’izy ireo dia tsy voavily hiala amin’izy ireo izany. Ary handrakotra azy ireo izay noesoesoiny.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَلَئِنۡ أَذَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِنَّا رَحۡمَةٗ ثُمَّ نَزَعۡنَٰهَا مِنۡهُ إِنَّهُۥ لَيَـُٔوسٞ كَفُورٞ
Ary raha ampanandramanay ny olombelona ny fahasoavana avy Aminay, ka esorinay Aminy izany, dia indro Izy fa diso fanantenana sy tsy mankasitraka.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَلَئِنۡ أَذَقۡنَٰهُ نَعۡمَآءَ بَعۡدَ ضَرَّآءَ مَسَّتۡهُ لَيَقُولَنَّ ذَهَبَ ٱلسَّيِّـَٔاتُ عَنِّيٓۚ إِنَّهُۥ لَفَرِحٞ فَخُورٌ
Ary raha ampanandramanay Azy ny fahasambarana taorian’ny fahoriana nanjo Azy, dia hiteny izy ka hanao hoe : " Nanalavitra ahy ireo ratsy ”, indro izy fa tena faly sy mirehareha.
アラビア語 クルアーン注釈:
إِلَّا ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَأَجۡرٞ كَبِيرٞ
Afa-tsy ireo izay maharitra sy manao ny asa soa. Izy ireny no ahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.
アラビア語 クルアーン注釈:
فَلَعَلَّكَ تَارِكُۢ بَعۡضَ مَا يُوحَىٰٓ إِلَيۡكَ وَضَآئِقُۢ بِهِۦ صَدۡرُكَ أَن يَقُولُواْ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ كَنزٌ أَوۡ جَآءَ مَعَهُۥ مَلَكٌۚ إِنَّمَآ أَنتَ نَذِيرٞۚ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٌ
Angamba Ianao hamela ny ampahany amin’ny fanambarana izay nalefanay taminao, ary ahatsapa tery ny tratranao noho izany. Satria hiteny izy ireo hanao hoe : ” Nahoana tsy harena sarobidy no nampidinina taminy ? ” na koa : " Nahoana no tsy tonga niaraka taminy ny Anjely ? ” tena marina fa Ianao dia mpampitandrina ihany, ary i Allah no Mpandrindra ny zava-drehetra.
アラビア語 クルアーン注釈:
 
対訳 章: フード章
章名の目次 ページ番号
 
クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター - 対訳の目次

ルゥワード翻訳事業センターとラブワ招待協会およびイスラームコンテンツサービス協会の共訳

閉じる